ALAHADY MANARAKA NY NOELY

Fianakaviana Masina

 Mamerina ny fiarahahabana nahatratra ny Noely

Amin’ny Fankalazana ny fetin’ny Fianakaviana Masina dia manampy antsika ireo vakiteny masina anio mba handinika misimisy kokoa amin’ny hasina maha-olona, fototra iorenan’ny fiaraha-monin’ny olombelona. Nambaran’i Joany Paoly II, tamin’ny Taratasy nosoratany taorian’ny Sinaody momba ny fianakaviana, fa miankina amin’ny fianakaviana ny ho avin’ny olombelona.[1] Ny tokantrano tokoa manko no sehatra hipoirana sy hivelaran’ny olona tsirairay avy. Toerana hiainana sy hitoriana ny Vaovao Mahafaly : Fiangonana kely iainana ao ankohonana.

Indraindray anefa ny zavatra mitranga eo amin’ny andavanandrom-piainana dia tsy mifanaraka amin’izay mety ho hetahetam-po sy faniriana ka mety hahakivy sy hahaketraka. Ambaran’ny Evanjely fa nijanona tany an-tempoly i Jesoa nefa tsy nilaza akory tamin’ireo raiamandreniny. Toetra mendrika ny maha-zanaka ve izany? Na teo aza anefa ny fitaintainana nahazo an’i Maria sy Josefa, dia maneho amintsika ny hevitr’izany rehetra izany ny valin-tenin’i Jesoa : “tsy fantatrareo angaha fa tsy maintsy ho ao an-tranon’ny raiko aho?”

Ny tena fanabeazana tokoa manko, dia tsy hoe sanatria fampianarana ny zanaka hanaiky, fa kosa fikarohana ny maha-izy azy ireo, fikolokoloana izany maha-izy azy izany. Tsy ny sitra-pon’ny raiamandreny, izay mpiandry omby volavita ihany manko no hotompoina fa kosa ny sitrapon’ilay mpandidy sy Mpandahatra ny zavatra rehetra. Firifiry ny raimanandreny sendra ny valintenin-janaka tahaka izany no handinika izay mety ho fahamarinany ka hahatsiaro fa Andriamanitra novoalohan-Tompo? Firifiry ny raiamandrenykristianina no manadino fa ny zanaka dia lova avy amin’izy tompo (sal 126, 3) ka tsy hisalasalana ny hanolorana azy ho an’Andriamanitra? (Vakiteny I I Sam 20-28)

Mifototra amin’ny fiheverantsika ny maha-olona iznay. Ka raha adinontsika fa zanak’Andriamanitra isika (vakiteny II 1 Jn 3, 1-24) dia tsy afaka ny hiaina araka ny fitiavany velively. Ny fahatsapantsika sy ny faharesentsika lahatra ny amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika dia hanova ny fomba fiheverana sy ny fiainana eo anivon’ny ankohonana. Tsy ho loham-bomanga hibaiko manko araka izay ny lahy (Efez 5, 23), fa loha hitarika sy ho fitaratra amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra, ka tahaka an’i Kristy hahafoy tena hamonjy ny fianakaviany. Misy fitiavana roa mifanohitra manko, hoy i Md Augustin “ Ny fitiavana an’Andriamanitra izay manosika hatramin’ny fanaovana tsinontsinona ny tena ary etsy an-kilany ny fitiavan-tena izay manosika hanadino an’Andriamanitra.”[2]

Halaontsika tahaka ary ilay fianakaviana Masina tao Nazareta, amin’ny fanomezana hasina ny fianakaviantsika, izay nampiseho amintsika fa ny hany harena mahasambatra dia ny fananana an’i Kristy eo anivontsika. Izay misy ny harentsika no misy ny fontsika. Fotoana hanndinihana manokana ny toerana omentsika an’Andriamanitra ao anivon’ny fianakaviantsika izao. Ny sakramenta manambara ny fiarahan’i Kristy monina amintsika manko dia ny fiarahana mivavaka, araka ny fampanantenany izay tsy mivadika : na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny anarako, dia eo afovoany aho (Mt 18, 20). Izay mety ho fiangonantsika ary, izay mety ho fiaraha-miaina maha-mpianankavy antsika dia tsy tokony hihonona fotsiny amin’ny rà iombonana fa hifototra indrindra amin’ny anaran’i Kristy izay mampiombona antsika.



[1] familiaris consortio, n. 86

[2] De civitate Dei, XVI, 28

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0262