Alahady fankalazana ny Pantekoty

MPANKAHERY
SY MPANAZAVA
ARY MPAMPIHAVANA
NY FANAHY MASINA

Pantekoty : pentekostè hemera (grika) milaza ny andro faha-dimampolo, ilay fety ankalazain’ny Jody fito herinandro aorian’ny Paka, antsoina koa hoe fetin’ny Herinandro, (Eks 34, 22//Lev 23, 15-22 // Det. 16, 9-12)  fetin’ny Tompo, andro hahatsiarovan’ny Hebrio ny nipetrahany tany an’efitra tamin’ny tranolay (Tb 2,1). Raha fetin’ny santabary izany tany am-pihandohana, dia nanjary fety nahatsiarovana ny Fanekem-pihavanana kosa taty aoriana, izany hoe ny nahazoan’ny Zanak’Israely ny Lalàna (Torah). Tsy mahagaga ary, raha manisy tsindrim-peo amin’ny fomba fisehon’YHWH tany Sinai i Lioka rehefa mitantara ny Pantekoty vaovao, ho amin’ny Fiangonan’ny Mpino vao teraka, miorina amin’ilay Fanekem-pihavanana vaovao (Asa 2,1-11). Ilay feo avy any an-danitra toy ny rivotra nifofofofo mafy, dia mampahatsiaro ny Zanak’Israely mihatrika ny fisehoan’YHWH (teofania) tany an-tendrombohitra Sinai (Eks 19), mampahatsiaro koa ny efitra lamba tao an-tempoly, triatra nisasaka roa tamin’ny ora nialan’i Jesoa aina, (Lk 23, 44-45) manambara fa tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho izay mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany (Jn 15, 13), manambara ny hafenoan’ny Fisehoan’ilay Teny tonga nofo.

Raha ny Fanahy Masina no Fanomezana nomen'i Jesoa ny Mpianany taorian'ny Fitsanganan-ko velona (Alahady II Paka ) dia mazava loatra, fetin'ny voaloham-bokatry ny Fanahy ny Pantekoty.

Pantekoty ary araka izany, dia fiantombohan’ny Fotoanan’ny Fanahy Masina, fahaterahan’ny fiangonana. Tsy manafoana fa mandavorary ny Lovam-panahy tao amin’ny Finoana jody ny Fiangonana. Raha fetim-pifaliana ny Pantekoty, hanolorana amin’Andriamanitra ny tsara indrindra amin’ny santa-bokatra, mba hisaorana Azy, ahoana kosa no hankalazantsika ny Patekontintsika? Aoka havela eny an-tsaha, hoy ny Lalàna Jody, ny sombintsombiny amin’ny vokatra, mba hisy hotsimponin’ny mahantra sy ny vahiny  (Lev 23, 22), inona kosa no mba avelantsika ho an’ny mahantra sy ny vahiny amin’ny fombantsika Kristiana?

Ny Vokatry ny Fanahy, dia Fitiavana, fifaliana sy Fiadanam-po, hoy i Md Paoly mampahatsiaro antsika (Vak II Gal 5, 16-25). Tsy ny asan’ny nofo sanatria no havelantsika ho an’ny hafa, fa ny ireo vokatry ny Fanahy ireo. Tsy ho filan-dera hitarika filan-kìsa sy fialonana sanatria, fa fanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny asam-panafahana, hiekena fa ny marina no maha-olon’afaka (Jn 8, 32) ka tsy misy afa-tsy ny Fanahy Masina no afaka hitarika antsika amin’ny maria rehetra (Evanjely Jn 15, 26-27; 16, 12-15).

Ny fahalalana teny samihafa, ny fitenenana teny tsy fantatra, tsy natao hiambohamboana sy hizahozahoana, fa mitaky adidy hitory an’Andriamanitra amin’ny firenena rehetra mba hampiray ny fiteny rehetra hiara-hankatò ny finoana tokana (prefasy). Tsara ho marihina manko, fa na dia voalaza aza ny fahasamihafan’ny fiteny (Jen 10, 20) dia nohamafisin’ny Jenezy fa tany am-pihandohana dia iray fiteny sy iray fanononana ny tany rehetra (Jen 11,1). Ny teny araka izany dia natao hampiombona. Noho ny fielezana anefa, dia nihevitra ny olona hanao tilikambo avo mahatakatra ny lanitra (Babela =Fisavoritahana) ho famantaram-piombonana…

Fa nahoana no mialona ny fikasan’olombelona Andriamanitra? Satria sao sanatria tsy hisy na inona na inona hahasakana ny olona tsy hanatanteraka izay kasainy hatao (Jen 11, 6). Tsy fialonana ary araka izany, fa fitiavana. Tsy ny fahafahana manao izay tian-katao tsy akory no fahafahana, libertinage no hiantsoana izany… ka tsy hitondra antsika ho amin’ny tena fiombonana tsy akory va vao mainka aza ho amin’ny fisarahana. Ny fikasana hanao zavatra tsara (hanao tilikambo mba hiombonana,) indraindray, dia mitarika antsika hivaralina amin’ny fiainana (hanao izay tiana atao, fa koa hanakatra ny lanitra, hitovy amin'Andriamanitra), ka mila ny fahasoavan’Andriamanitra isika, hanorokoro ny fiteny, handrava izay kinasa ... Moa tsy izany ve ny Hira ventesintsika matetika hoe : Miantso anao izahay ry Tompo, fa mitady handrava izay kasainay ny Fanahy!!!! Ka matahotra izahay… sao fongorany tokoa ny tilikambonay mahatakatra ny lanitra, hieveranay fa tsy mila Anao intsony izahay hampiombona anay. Soa fa nidina ny Fanahy, hampahatsiaro antsika fa tsy isika no hanakatra ny lanitra, fa ny lanitra no miondrika manandratra antsika.

I Kristy no Teny zary hampiombona antsika. Izy no nandefa ny Fanahy, hampianatra antsika fa tsy ny tilikambo ataon’ny tanan’olombelona sanatria no hampiombona sy hitarika amin’ny firaisana (Babela) fa ny Fanahy Masin’Andriamanitra irery ihany.

Meteza ary isika hotarihin’ny Fanahy Masina. Tsy sanatria, hanao tahaka ny  sasany : miantso ny Fanahy Masina alohan’ny fivoriana, saingy ny hevitra efa tapaka mialoha. Hiezahantsika ny hamela ny sisam-bokatry ny fijinjana, ho an’ny mahantra sy ny kamboty, ka hiezahantsika mandrakariva hamokatra fitiavana, fifaliana sy fiadanana.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0594