OMEO IZAY ANGATAHIN’ANDRIAMANITRA
Ny alahady faharoan’ny Karemy dia mitantara amintsika ny Niovan’ny Tompo tarehy, izay tandindona manambara ary mampahatsiaro antsika ny toky nomentsika tamin’ireo akanjo fotsin’ny Sakramenta (jereo fifampizarana alahady 2 Karemy Taona A). Ny fiakarana ny Tendrombohitra Tabora (Tebar = ara-bakiteny : mamaky, manasaraka…) manko dia tandindon’ireo sakramenta noraisintsika, nanehoana ny fandavana an’i satàna mba hiraisana amin’Andriamanitra amin’ny finoana.
Voaantso hibebaka isika, voaantso hihavana amin’Andriamanitra (alahady I). Izany fihavanana izany dia tsy afa-misaraka amin’ny fihavanantsika samy isika, eny fa na dia amin’ny fihavanantsika amin’ny tenantsika samirery aza, izay mazàna mandreraka tokoa… Ny fahasahiranantsika hanova ny fiainana araka ny Tenin’i Kristy dia tokony hanampy antsika hahalefitra sy hangoraka bebe kokoa ny halemen’ny hafa… saingy lazain’ny mpahay ara-psikolojika fa toa vao aminka aza mahatonga antsika hasiaka amin’ny hafa, ny fahitantsika ny kilemantsika eny amin’izy ireo.
I Kristy no fahatanterahan'ny Lalàna sy ny Mpaminany (Mt 5, 17). Isika koa, voahosotra ho mpanjaka sy ho mpaminany, ary ho mpisorona tamin’ny Batemy noraisintsika. Saingy ny fampanjakana ny fitiavana ve no Lalàna manentana antsika?, ny Tenin’Andriamanitra ve no vimiaina entintsika mivelona, ka zary fiainana hijoroantsika ho vavolombelon’i Kristy? Sa ny fitiavan-tena hametra antsika tsy hahay hangataka afa-tsy ny tombontsoan’ny tena ka adino fa ny maha-mpisorona (noho ny batemy) dia ny hitondrantsika am-bavaka, eny fa hatramin’ny fahavalontsika aza? (Mt 5, 44)
“Raby o!, Mahafinaritra ny mitoetra aty” (Evanjely Mk 9, 1-9)… Moa tsy izany ve no nataontsika ny andron’ny Batemy, rehefa nahita ny akanjo fotsy natolotra antsika! Na ny andron’ny Komonio voalohany, ny andron’ny fankaherezana, eny fa na ny andron’ny fampakarana aza (mariazy, voady, fanamasinana…) satria nahita ny fiovan-tarehy nasehon’ny akanjo fotsy mangatsakatsaka. Saingy manafatra antsika i Jesoa mba tsy hirehareha loatra ny amin’izany, fa hisiki-ponitra hiatrika ny misterin’ny Paka : “ady ny fiainana, mandalo zoma masina ny lalana mitondra amin’ny Paka”…
“Iza no hiampanga izay voafidin’Andriamanitra?” (Vakiteny II Rom 8, 31-34) Asa lahy fa samy miampanga tena isan’andro izao isika… satria mahatsapa fa tsy mahafoy ilay Isaaka kelintsika mba hatolotra ho an’Andriamanitra (Vakiteny I Jen 22, 1-18) na dia fantatsika tsara aza fa avy aminy ihany no nahazoantsika Azy. Ny finoana lalim-paka dia tsy matahotra ny hahafoy, eny fa na dia ny aina aza mba hanekena ny sitrapon’Andriamanitra…
Eo am-pitadiavana ny sitrapon’Andriamanitra anefa dia fantatsikia fa tsy zavatra mandeha mora izany… Rehefa nahatsapa ho nahazo soa isika dia faly manolotra sorom-pisaorana ho an’ny Tompo, vonona hampanantena Azy an’i Babay sy Lohavohitra... (Sal setriny 115). Saingy tsy eo anatrehan’ny akanjo mamirapiratra no hahenoantsika ny hasarobidy sy ny fahasarotan’ny fihainoana ny Tenin’i Kristy fa ao anatin’ny rahona maizin’ny fiainana, ka mazàna tsy hahitantsika akory aza ny lalan-kombana.
Tsarovy ary, indrindra amin’ireny andro manjombona ireny, fa ny Tenin’i Kristy ihany no hany fahazavana afaka hampisava ny alin’ny fiainantsika. Izy irery ihany no Masoandro afaka hampibaliaka ny avana na eo aza ny rahona sy ny oram-pahotana mianjady amintsika (jereo Alahady I) satria fanekem-pihavanana nataony tamintsika izany (Jen 9, 8-15), tamin’ny nanomezany ny ainy ho sorom-panavotana ho antsika.
Anjarantsika kosa izao no mizotra ho any amin’ny Fitsanganan-ko velona, tsy sasatra ny hibanjina azy nolefonina, (Jn 19, 37 : jereo hafatry ny Papa Karemy 2007) ka hahatsiaro fa ny Fihainoana Azy dia fitondrana ny Hazofijaliana mba hitiavana bebe kokoa hatrany…