Alahady fahadimy Karemy Taona B

TE HIHAVANA AMINTSIKA ANDRIAMANITRA

 

 

“Hanao fanekena vaovao Aho ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany” (Jer 31, 31-34). Tsy fanekena mandeha ila anefa no sitrak’Andriamanitra, izay niampangany ireo razana nivadi-panekena na dia nafahana avy any Ejipta aza, fa fanekena hitandremana ny lalàny izay nataony ao am-pontsika.

Iza no hanameloka izay nofidin’Andriamanitra! Hoy i Paoly (Alahady II Rom 8, 31-34) Dia novaliantsika hoe : miampanga tena izy ireo…hoy isika. Dia izany fahatsapan-tenantsika ho mpanota isany no mandrafitra ny Fiangonana izay masina, ka hiantsoana antsika hidio mandrakariva. Ny Salamo 50 (setriny) dia milaza amintsika fa ny fieken-keloka sy fangataham-pamelana dia mifototra amin’ny fahatsapana ny halehiben’ny famindram-pon’Andriamanitra izay afaka mamorona fo madio sy fanahy vaovao ao anatintsika. Hafaliana mandrakariva ny fahatsapana ho voavela heloka (Sal 50, 14) na dia fahoriana sy ranomaso aza no enti-mangataka azy (Vak II Heb 5, 7-9) noho ny fitiavana an’Andriamanitra Ray, ary izay hafaliana izay kosa hanentana antsika hitory ny lalan'ny Tompo mba hiverenan'ny mpanota ao aminy.

Ny Evanjely kosa (Jo 12, 20-33) mampahatsiaro antsika ny tokony ho fihetsika asehontsika raha te ho Mpianatr’i Kristy marina isika. I Filipo, izay niangavian’ny Grika haneho amin’izy ireo an’i Jesoa, dia lasa nilaza tamin’i Andrea, ary izy roalahy kosa niara-nilaza tamin’i Jesoa…

Tsy hoe sanatria tsy firaharahiana ilay grika tsy akory izany, fa maneho amintsika kosa, fa izay te hilaza momba an’i Jesoa, izay te hiteny sy hiresaka momba Azy amin’ny hafa, dia tokony hahay hiresaka Aminy. Isika miresaka amin’i Jesoa no faratampon’ny fanehoana Azy amin’ny hafa. Izay te hanompo an’i Jesoa, izay te hitory Azy, dia hitoetra amin’izay hitoeran’i Jesoa. Aiza no hitoeran’i Jesoa?

Izy ihany no mamaly antsika fa “rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany Izy, dia hitarika ny olon-drehetra hanatona Azy”. Izay te hitarika ny olon-drehetra hanatona an’i Jesoa izany, dia mila tafasandratra amin’ny tany miaraka aminy, hahay hanaiky ny hazofijaliana (Mt 16, 24) ka hahatsapa fa ny voninahitra (kabod) omen’ny Ray dia valin’ny fanompoana Azy.

Isika no fahazavan’izao tontolo izao ary fanasin’ny tany… (jereo ny instrumentum laboris ho an’ny sinaodin’i Afrika amin’ny volana oktobra izao) tsy vitan’ny hoe hatonin’ny Jentily fotsiny isika araka izany, noho izy ireo liana te hahita Azy, fa adidy ho antsika ny hanova ny tsiron’ny tany hampilendalenda ny mpihinana… adidintsika ny manazava ny haizinin’ny tontolo amin’ny fahazavan’i Kristy. Tsy vokatry ny fahendrentsika anefa na vokatry ny fitia te hisehoseho, fa ny fiezahana mandrakariva hitoetra eo aminy, hifampitaona ho any aminy. Raha ny marina araka izany, tsy hitondra an’i Kristy ho an’ny hafa isika fa hitondra ny hafa ho any amin'i Kristy, ho an’i Kristy…, satria isika ho Azy fa tsy Izy no antsika.

Tsy rehereha araka izany ny fizarana an’i Kristy ho an’ny hafa fa adidy manery antsika handinika sy hanamafy ny firaisantsika aina aminy, ka hahafahantsika milaza tahaka an’i Paoly hoe: “Tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko” (Ga 2, 20)

Manoloana ny hafalian’ny Paka ho azy, raha fahafahana marina ho antsika ny Paka, fanafahana antsika amin’ny gejan’ny fahotana, dia adidintsika ny tsy hampandeha ila ny fanekena tian’Andriamanitra atao amintsika, ka hanohizantsika ny vavaka sy ny fifadian-kanina ary asa fanasoavana ny mahantra izay fiadiana hanoherantsika ny fitiavan-tena sy enti-mandresy ny ratsy miaraka amin’i Kristy.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1022