Alahady faha—18 B Mandavantaona


RAIAMANDRENY MPAMELONA ANDRIAMANITRA

 

 

Mitohy ny fampianaran’i Jesoa momba ny Eokaristia, izay ampitain’i Joany amin’ny toko faha-6 amin’ny Evanjely nosoratany. Amin’ny fiainana andavan’andro manko dia toa tsy fampitomboana mofo tahaka ny tantarain’ny Vakiteny tamin’ny heriny no hitantsika, fa hanohanana sy fahasahiranana, ka mampimenomenona amin’ny mpitondra tahaka ireo zanak’Israely tany Ejipta (Vakiteny I Eks 16, 2-15) ka haniry ny vilany feno hena tany Ejipta toy izay higoka ny fahafahana nomen’Andriamanitra. Ampahatsiahivin’i Md Paoly ny fampianaran’i Kristy fa ny marina no maha-olon’afaka (Jn 8, 32) ary ny fahafantarana Azy araka ny fahamarinana no hahafahana miala amin’ny fitondran-tena taloha, ka hizotra amin’ny tena fibebahana marina tokoa, am-pahamarinana sy am-pahamasinana (Efez 4,17-24).

Tsy mandeha ho azy anefa izany fahafantarana an’i Kristy izany. Mandalina ny finoana isika, eny fa na dia zarazara ho amin’ny fanomanana ny sakramenta aza izany ho an’ny ankamaroany. Mivelona amin’ny Teniny sy ny Tenany isika isan’alahady, na dia maro aza no toa tsy mahatsiaro noana sy mangetaheta izany sakafom-panahy izany intsony. Vitsy no mahatsapa fa aretina na vokatry ny fahalainan-komana, ka tokony hanantona mpitsabo rehefa tsy misokatra loatra ny vavony! Dia ahoana izany izay lazain’i Jesoa amin’ny Evanjely hoe : izay manantona ahy tsy ho noana intsony, ary izay manantona ahy tsy hangetaheta mandrakizay (Jn 6, 24-35).

Tsy haninkanim-poana anefa no haaroson’i Kristy fa hanina tambin’ny asa. Ambarany mazàva fa mila miasa mba hahazo ny hanina mahaaritra ho amin’ny fiainana mandrakizay. Asa inona no atao? Ny hinoana ilay nirahin’ny Ray. Dia miverina indray ilay fanontaniana hoe : inona ny finoana! Inona no atao mba handalinana ny finoana! Amin’ny fandalinam-pinoana dia misy ireo andry efatra namintinana izany : ny foto-pinoana, ny sakramentam-pinoana, ny fiainam-pinoana ary ny fiainam-bavaka.

Mahakasika ny saina amam-potom-pisainana araka izany ny finoana fa tsy sentom-po hoenti-manao bontolo sy handranitana ady amin’ny samihafa finoana sanatria. Izany foto-pinoana  izany no irafetan’ny sakramenta, famantarana hita maso manambara sy mampahazo ny fahasoavana, mba handrafetana ilay vatan’i Kristy voaantso ho amin’ny fianana mandrakizay. Izay no mahatonga ny eokaristia, sakramentan’ny fiombonana, ny Vatana aman-dRan’i Kristy, ho sakramenta tanjona sy loharanon’ny fiainana kristianina. Izany safidy maha-kristianina izany no mamaritra ny toe-piainan’izay te ho kristianina marina, ka tahaka an’i Kristy, na dia voaheloka ho faty tahaka ny jiolahy aza, mampiaiky volana ilay tompon-jato fa zanak’Andriamanitra marina tokoa (Mk 15, 39). Sanatria antsika anie no hanafintohana ny hafa hitsara antsika hoe : “Izany hono no mba… mpino”.

Izay no mahatonga antsika hangataka mialohan’ny hanina mandalo ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany eo anivontsika. Ny tena kristianina, eny fa na dia amin’ny maha-olona fotsiny ihany aza, (satria olona aloha vao kristianina) dia tsy azo atakalo ny hanina mandalo sy ny tombontsoa ara-nofo.

Hitalahoantsika ary Izy Tompo mba hahaizantsika mibanjina mandrakariva ilay harena mihafina ao amin’ny Eokaristia, ka hinoantsika marina tokoa, ka hiasantsika, araka izany ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104