TSY MIFIDY OLON-KO TIAVINA ANDRIAMANITRA
“Raha tsy izaho tsy mahefa na inona na inona ianareo” (Alahady faha-5: Jn 15). Manoloana izany fiombonana amin’i Kristy tsy azo hodivirana izany dia misalasala ihany ny tena manoloana ny zava-misy hatrehin’ny olona : arakaraka ny fahatsapana ny fahalemena sy ny fiharatsian’ny fiaraha-monina, toa miha-mampatahotra isan’andro, no vao mainka manosika ny olona hanalavitra an’Andriamanitra sy ny Fiangonany… Indraindray koa toa zary fahazarana ihany ny mivavaka, ka na izay tiana hangatahana amin’Andriamanitra aza toa tsy tonga ao an-tsaina akory, mainka moa fa izay valin-teny sy hafatra tian’Andriamanitra ampitaina amintsika.
Ambaran’i Joany amintsika anio fa didy no tokony hifankatiavana (Jn 15, 9-17). Tsy hifankatia araka izay heverin’ny tena anefa na araka ny fomba amam-pmanaon’ny tontolo manodidina, fa araka ny ohatra navelan’i Kristy. “Izay tsy tia dia tsy mahalala an’Andriamanitra” hoy i Md Joany (Vak II 1 Jo 4, 7-10), ary izay tsy tia dia tsy hanana hafaliana lavorary na oviana! Izay mitandrina ny didim-pitiavana ihany manko no hitoeran’ny Hafalian’i Kristy, izay mandavorary ny hafaliantsika.
Mety
hampandinika antsika izany ny amin’izay mety ho loharanon-kafaliana ho antsika.
Mazana tokoa manko, araka ny nampahatsiahivin’ny Papa antsika tamin’ny Krismasy
lasa teo Jereo
eto), mandany vola hanomanam-pety mba hahazoana hafaliana fa tsy hoe tsy
akory dibo-kafaliana ka mahafoy hanaovam-pety… Ny tena fitiavana marina,
looharanon-kafaliana manko, dia ny fahatsapana ny tsy fahamendrehana sy ny
maha-tsinontsinona antsika, saingy notiavina, navela heloka, navotana.
Ny tsy fahatsapana
izany indraindray no mahatonga antsika hisalasala amin’ny mety ho fibebahan’ny
hafa! Tamin’ny alahady heriny isika nihaino ny tahotr’ireo Mpianatra tao Jerosalema
izay nihaihay ny mety ho fibebahan’i Md
Paoly (Asa 9, 26-31).
Anio koa naheno ny tantaran’i Kornely sy ny nibebahan’ny Jentily… (Asa 10, 25-48). Raha
mahatsiaro ho nohasoavina manko isika dia tsy hisalasala hino fa raha tsy ny
fahasoavany, tsy mahefa na inona na inona isika… hany ka tsy misy tokony
hireharehana izay soa mba mety ho vita. Kanefa indraindray, na mazàna mihitsy
aza, toa zary fitaovana hanebahana azy ny falemen’ny hafa, hany ka
mananosarotra ny fandresena ny avonavona mba hahafahana mifaly amin’ny hafa,
noho ny soa azony… tahaka ilay zokin’ny zaza mpandany (Lk 15).
Tsy fanaovana ariary zato am-pandriana sanatria
na hitadiavana tany malemy
hanorenam-pangady ny filàna fahasoavana… Izay voafidy manko dia voairaka
koa (Evanjely), hany ka tsy maintsy hampamokatra ny Fitiavana nafafin’ny Fanahy
Masina ao am-pony.
Hezahantsika
ary ny hiaina araka ny nitiavan’i Kristy antsika. Araraotina amin’izany ny
mampahatsiaro ny sakramentan’ny Fanambadiana, hifanoloran’ny Mpivady fitiavana,
ho sakramenta, manambara ny fitiavan’i Kristy ny Fiangonana… Ka hisy
fanabeazana manjary tokoa moa ve raha sanatria ka ny Fianakaviana no
tsizarizary? Mampalahelo anefa fa maro ny fianakaviana no miady kitrana, ary tsy mahatsiaro intsony fa ny fisian’Andriamanitra
eo afovoany ihany no fanafody hivoahana amin’izany : ny fiaraha-mivavaka. Satria Izy Tompo no nilaza fa na aiza na aiza
hiangonan’ny olona roa na telo amin’ny anarany, dia eo afovoany mandrakariva Izy (Mt 18, 20).