Alahady faha-efatra amin’ny Fiavian’ny Tompo

INDRO TONGA NY MPAMONJY, EO AFOVOANTSIKA IZY

Ny hafaliana maneno ny fo satria efa akaiky ny Tompo, nanaiky hiara-monina amintsika ny Tompo, dia manosika antsika hitory ny evanjely : hitantara ny hafaliana amin’ny hafa. Tsy tantara fe tantara anefa izany, fa hafaliana manova ny fiainana sy ny fomba fijery mihitsy. Ireo vakiteny aroson’ny Fiangonana hodinihintsika amin’ny alahady faha-efatra dia manisy tsindrim-peo manokana amin’izay fiovam-piainana vokatr’ilay Emanoela nanaiky hiara-monina amintsika.

Ambaran’i Mikea Mpaminany (Mik 5, 1-4) fa i Kristy no fiadanantsika[1], ary ny fiaikena azy ho Mpanjaka dia manosika hiverina amin’ny zanak’Israely. Izay fiverenana eo anivon’ny Fiangonana – Israely Vaovao – izay, no hahazoantsika fiadanana. Tsy fiadanana tahaka ny mety heverin’ny sasany anefa, ka hieverana ho fidonanam-poana, na sanatria fahafahana manao izay tiana atao. Ambaran’ny Taratasy ho an’ny Hebrio (Heb 10, 5-10) fa fiadanana vokatry ny famelana ny ota izany. Tsy noho ny fanarahan-dalàna, mba hisehoana ho olo-marina anefa, fa amin’ny fanarahana ny sitrapon’Andriamanitra. aiza ve dia ran-janakomby sy ran’osilahy no hahafaka ny fahotana? (Heb 5, 4) Tsy ny ambimbava tsy akory no hanetseman-keloka! Ny fampianaran’i Kristy momba ilay rakitry ny mpananon-tena (Lk 21) dia manampy antsika hahazo ny tian’izany ambara : ny hasarobidin’ny fahafoizana izay antoky ny fahavelonana, ary noporofoiny tamin’ny fiainany, tamin’ny nahafoizany  ny ainy mihitsy, ho solo voina ho antsika.

Tsy miankina irery amin’ny herin’ny tena anefa izany, ka hahafahana hirehareha ho mendrika na mahery  na  tsara noho ny hafa! Na teo aza ny maha-tsinontsinona an’i Betlehema dia izy no voafidy, hipoiran’ilay Mpanjaka mandrakizay. Izany no mahavelom-pisaorana sy mampisaotra an’Andriamanitra mandrakariva, satria nanao zava-dehibe tamintsika ilay Mahefa (Lk 1, 35-49). Tsy fahasoavana hieboheboana anefa izany fa fahasoavana hoenti-manompo. Ny mampiavaka ny olom-boavonjy sy ny olon’Andriamanitra, dia ny toepo amam-panahy te hamonjy ny hafa ihany koa. Mba avy aiza amiko izao, fa novangian’ny renin’ny Tompoko aho? Ny fanetren-tena nasehon’i Masina Maria, dia fanahafana izay nataon’ny Zanany , fa na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza, hoy i Md Paoly, dia tsy nanao izany ho zavatra nobaboina, fa nietry ho tonga olombelona (kenos), mba hamonjy antsika (Fil 2, 5-8).

Izay nahazo fahasoavana dia tsy afaka ny hitahiry izany ho an’ny tenany. Izany no hafaliana fonosin’ny Noely, fety hoentintsika manamafy ny fietren’ilay Zanak’Andriamanitra nanaiky ho tonga nofo toa antsika. Tsy azo adinoina fa anisan’ny antony nankalazana ny Noely, ankoatry ny antony ara-kolotsaina[2] ny fanamafisana ny finoana ny Fahatongavan’ny zanak’Andriamanitra ho nofo (incarnation), ka handohaliantsika amin’ny fanonononana izany amin’ny fiekem-pinoana. Izany rahateo no hamafisin’ny vavaka fangatahana anio, izay averintsika isan’andro amin’ny fanaovana ny Angelus.

Tsy ho sanatria ary, hataontsika filan-dera na ho fifampiandaniana fotsiny ihany ny fahefana na fahasoavana azontsika, fa ho entintsika manasoa ny hafa (Fil 2, 3-4). Dia izay no hiomanantsika hankalaza tokoa ny fetin’ny  Noely, ka tsy hoe reradreraky ny fiainana ka mba hifaly! Sanatria anie izany. Raha tsy ny hafaliana vokatry ny fahatsapana ny maha-eo anivontsika an’Andriamanitra no antony hifaliantsika, dia tsy mankalaza ny Noely velively isika, ary mazav aloatra fa tsy hahazo voka-tsoa avy amin’izany. Tsy ho hafaliana maharitra manko no ho azontsika amin’ny fety, fa hafaliana miserana ihany, izay hahamafy kokoa ny fiatrehana ny fiainana rehefa ho tapitra ny fety



[1] Na milaza ny Fanjakan’i Davida aza izany, dia faminaniana manambara an’ilay taranak’i Davida, hanjaka mandrakizay.

[2] Mba hihavahan’ny kristianina amin’ny tsy mpino tao Roma, izay nankalaza ny fetin’ny masoandro (natalis solis invicti) tamin’izany andro izany (solstice d’hiver = 25 decembre)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109