KRISTY MPANJAKA MIFEHY NY TONTOLO
Faran’ny Taona Litorjika, ankalazana ny fetin’i Kristy, Mpanjakan’izao tontolo izao. Ny taona Litorjika[1] moa dia entintsika mandalina ny Firaisantsika aina amin’i Kristy sy ny Fiangonany, mba hivelomantsika amin’ny maha-kristianina, maha-mpanara-dia Azy. Ambaran’ny Litorjia anio ary fa raha Mpanjakantsika marina tokoa i Kristy dia hiezaka handresy ny fanandevozan’ny fahotana isika, ary matoky fa handesy ampian’ny fahasoavany ka vonona hampanjaka ny Fanjakan’ny Fahamarinana sy ny Fiainana, Fanjakan’ny fahamasinana sy ny fahasoavana, fanjakan’ny rariny sy ny fitiavana ary ny fiadanana, izay tanisain’ny Prefasy, antony hanaovana ny Sorom-Pisaorana.
Fanjakana mandrakizay no atolotr’i Kristy ho an’ny Ray, tamin’ny nanekeny hijaly teo amin’ny Hazo ho famonjena antsika: porofom-pitiavana izany, ary ambaran’i Md Paoly fa raha tsy ampanjakainny fahavalo farany horesen’i Kristy dia ny fahafatesana (1 Kor 15, 25-26). Amafisin’i Md Joany izany, fa i Jesoa ilay Lahi matoa amin’ny maty dia nanasa antsika tamin’ny Rany ka nanao antsika ho fanjakana Mpisorona hanome voninahitra an’Andriamanitra (Apok. 1, 5-8). Mampahatsiaro antsika ny hasin’ny Batemy noraisintsika izany.
I Daniela Mpaminany , manamafy ny faharetan’ikay Fanjakan’ny zanak’olona: fahefana mandrakizay tsy manam-pahataperana ka tsy ho levona mandrakizay (Dan. 7, 13-14). Araka izany, tsy fahefana sanatrian’izany miankina amin’ny safidim-pontsika ka hanehoana ambom-po hoe tsy tianay hanjaka aminay io! sanatria. Tsy fanjakana mipetraka amin’ny honohono ihany koa anefa. Ny fanontaniaa napetrak’i Jesoa tamin’i Pilaty dia apetrany amintsika ihany koa isaky ny misalasala amin’ny fiekena ny fanjakany isika : “Anao irery izany teny izany sa olon-kafa no nilaza Ahy taminao? (Jn 18, 33-37) Ny finoantsika an’i Kristy ve, vokatry ny fiainantsika ny finoana sa ireo tsianjery heno na novakiana tetsy sy teroa? Tsy ampy ny mahafantatra ny momba ny Fanjakan’Andriamanitra mba ho voavonjy. Mila miombona anjara amin’ny Fanjakany isika! Mila manaiky an’i Jesoa ho Mpanjakantsika (Vakiteny II) ka hanaraka ny marina satria mihaino ny feony (Evanjely).
Amin’ny Vavaka nampianarin’i Jesoa antsika dia mitalaho isika mba ho tonga ny Fanjakan’ilay Ray any an-danitra. I Kristy no Tenin’Andriamanitra, tonga hanambara izany Fanjakana izany, ka ny fihainoana ny Teniny ihany no hahafahantsika mahatoky amin’ny fiorenan’ny Fanjakany eo anivontsika.
Indraindray anefa, ilay Tenin’Andriamanitra, noraiketina amin’ny Baiboly, dia mijanona ho Boky, tahaka ny boky hafa rehetra ihany, ka hovakiana mba hahalalàna ny momba an’Andriamanitra sy ny mombamomba Azy! Indraindray adinontsika fa tsy Boky tsy akory ny Tenin’Andriamanitra, fa Andriamanitra tonga Olombelona toa antsika : i Jesoa no Tenin’Andriamanitra. Iezahantsika ary ny hamaky ny Tenin’Andriamanitra ho tahaka ny fihaonana amin’ny Mpanjakantsika, hihainoantsika ny feony, ka hanarahantsika ny marina.
Ny Vavaka fangatahana[2] dia mamintina izany rehetra izany. Andriamanitra izay loharanon’ny fahariana rehetra, nandefa ny Zanany mba handraisantsika anjara amin’ny Fanjaka-Mpisorona anie, hanilo ny fontsika ka hiekentsika fa fanompoana ny maha-mpanjaka, ka hanehoantsika amin’ny fahafoizan-tena hanompo ny rahalahy, ny tsy fivadihantsika amin’i Kristy, Lahy matoan’ny maty rehetra sy mpifehy ny tany tontolo.
Hiezahantsika ny hanao ny Famantaran’ny Hazofijaliana ho famantarana maneho fahavononana hanompo, ka hahatsiarovantsika ny fitiavana nanavotana antsika sy ny fahavononan-kanompo niantsoana antsika, ka hanekentsika hifantsika amin’ny Mpanjakantsika, tsy ho menatra na hatahotra ny hiaro ny marina… satria mihaino ny feony.
Hiezahantsika ary ny hampanjaka ny Fahamarinana, ka na ho sanatria bitika toy ny voatsinapy (Lk 13, 19) na tahaka ny lalivay naharo tamin’ny koba (and. 21) ny ezaka mba vitantsika, manoloana ny zava-misy toa maha-valalanina ihany, na sanatria mba mamafy ihany isika saingy indrisy miara-mitombo ny vary sy ny tsiparifary (Mt 13, 24)… tsy haha-ketraka antsika izany satria matoky isika fa Mpanjaka mifehy ny Tontolo ny Mpanjakantsika (Pantocrator) ary Izy no mampitombo sy mampamokatra ny voa afafintsika na mahatsiaro isika na mandry (Mk 4, 26-27)
[1] azo jerena eto
Ny taona A (fandalinana ny sakramenta firosoana ho kristiana), dia manolotra antsika ny Evanjely nosoratan’i Matio (Mt 25, 31-46) mamintina ny tokony ho fiainan’ny Kristianina raha manaiky an’i Kristy ho Mpanjakany : hampanjaka an’i Kristy amin’ny fampanjakana ny Fitiavana amin’ireo madinika sy toa niangaran’ny vintana, hiezaka hahita ny hendrik’i Kristy ao amin’izy ireny...
Ny taona B (Fandalinana ny firaisan’aina amin’i Kristy) kosa indray, milaza amintsika fa rahefa mifampikasoka amin’i Kristy Tafatsangan-ko velona marina isika, dia hahatsapa fa tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakany, fa ho an’ireo izay rehetra mihaino ny marina (Evanjely Jn 18, 33-37). Izay te hampanjaka an’i Kristy araka izany dia mampanjaka ny rariny sy ny Fitiavana.
Ny taona D (ny fibebahana sy ny famindram-po), nandalinana indrindra indrindra ny Fampindrampon’ny Ray izay toa tsy miraharaha akory ny adalan-janany (Lk 15) fa vonona ny hamindra fo mandrakariva, hatramin’ny impitopolo fito (Mt 18, 21-22 // Lk 17,4), dia mampiseho amintsika ny Fiangonana amin’ny fandaharany ny vatsim-panahy asehony antsika, fa eo am-pialana aina dia mbola famelana no nanehoan’i Kristy ny maha-Mpanjaka azy : “Lazaiko marina aminao tokoa, fa anio dia hihaona amiko any am-paradisa ianao” (Evanjely), maneho antsika an’i Kristy hampiray sy hampandry fahalemana ny firenena rehetra, Izy ilay ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika (Vak II).
[2] Ny amin’ny Teny Malagasy ny amin’ny taona A ihany no nadika ho amin’ny taona B sy D. Amin’ny Missel vaovao dia samihafa ireo.