Alahady faha-33 Mandavantaona taona B

Omany ny hiverenan'i Kristy

 


Hafatry ny Eveka ho an’ny Vahoaka malagasy tsivakivolo amin’ny teny malagasyen français

 

Hafatry ny Sinaoda manokana ho an’i Afrika (en français)

 

Mamaky ireo vakiteny aroson'ny Fiangonana anio isika dia mametra-panontaniana ny amin'ny hiafarana. Indraindray anefa, fanontaniana hanapahanan ny fandinihana lalina izay tokony hiainana amin'ny maha-kristianina no tohin'izany. Anisan'ireny ohatra, amin'ny fahitana ny zava-misy ankehitriny (ady hifanaovan'ny firenena, ny horohoron-tany, ny mosary... Mk 13, 8) ka hilazana fa ho avy ny farandro! Dia adinontsika ny nolazain'i Jesoa fa mialoha izany, tsy maintsy hotoriana amin'ny firenen-drehetra aloha ny Evanjely! Adinon'ny Mpianatr'i Kristy fa efa nanafatra Izy mba tsy hitebiteby ny fon'izay mino an'Andriamanitra ka hino koa an'i Jesoa (Jn 14,1).

Dia miady hevitra ny amin'izay ho farandro no handaniana ron-doha! Indraindray aza mampiady amin'ny antokom-pinoana samihafa! Ambaran'i Jesoa mazava anefa fa na Izy aza, amin'ny maha-zanak'olona Azy, tsy mahalala izay andro sy ora hiavian'izany (Mk 13, 32) ka iza moa isika no mahasahy hiambo ho ambony noho ny Mpampianatra? [1]

Ny Taratasy ho an'ny Hebrio kosa, manamafy ny fitokisantsika amin'ny vokatry ny Soron'i Kristy izay manala ny fahotantsika! Dia mety hanontany tena isika araka iznay hoe : atao inona indray ary no hilana ny mikonfesy, na sanatria ny hanolotra sorona isan'andro amin'ny lamesa, satria efa mazava ny tenin'Andriamanitra : "rehefa voavela ny fahotana, tsy ilaina intsony ny sorona noho ny ota" (Heb 10, 11-18)?

Dia adinontsika ny hafatr'i Daniela hoe : amin'ny fitsanganan'ireo mandry amin'ny vovo-tany, ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay, fa ny sasany ho amin'ny latsa amam-panariana mandrakizay (Dan 12, 1-3). Ny hahafahantsika miandrandra ny famonjena dia miankina amin'izay ataontsika mba hamirapiratra tahaka ny kintana mandrakizay ka ho hita voasoratra ao anatin'ny boky : miaina ny fahendrena ary hitarika ny maro ho amin'ny fahamarinana! (Dan 12, 3)

Izany dia amafisin'ny Taratasy ho an'ny Hebrio : ny nahafoizan'i Kristy ny ainy ho antsika ka nanekeny mba ho eo an-kavanan'Andriamanitra, mandra-panaon'ny fahavalony ho fitoeran-tongony (Sal 110, 5). Marina tokoa izany! Nanaiky ho eo an-kavanan'Andriamanitra i Kristy, nanaiky hanao ny sitrapon'Andriamanitra! Izany sitrapony, mirakitra ny didim-pitiavany izany koa no napetrany ao am-pontsika tamin'ny Fanahy Masina nomeny antsika (Heb 10, 16//Jer 31, 33-34), ka amin'ny fanatanterahana izany, no hizorantsika ho olom-boavonjy, ka hanadinoany ny fahotantsika (Heb 10, 17)[2]

Tsy vitan'ny hoe hanadino ny fahotantsika fotsiny anefa izy rehefa manaiky hijoro eo an-kavanany tahaka an'i Kristy isika, rehefa mamy amintsika ny mitoetra eo an-kavanany, ka ataontsika eo anoloantsika Izy (Salamo setriny 15)[3] dia ho zary lovantsika Izy, ka tsy hiontsona mandrakizay isika satria hanaiky hoe eo an-kavanantsika koa Izy (Sal 15, 8// Sal 121, 5) ka tsy hahafoy ny fanahintsika ho levona any an-tseoly, na ho sanatria ho very any amin'ny lavaka mangitsokitsoka!

Alao hery ary ny hiezaka ny hanao ny sitrapon'Andriamanitra sy hampianatra ny fahamarinany ho an'ny olona rehetra mba hanantenantsika koa hamiratra mandrakizay tahaka ny kintana (Dan 12, 3) sy hiaraka handova ny fiainana mandrakizay amin'ilay tena Mpandova, satria hany "Zanaka" maha-zanaka antsika ao amin'ny Ray, dia i Kristy Jesoa.



 

[1] Ambaran'ireo Rain'ny Fiangonana, indrindra i Athanase (Contra Arian. 3, 43) fa i Kristy amin'ny maha-zanaka nateraka ara-nofo ihany izany, ay amafisin'i Md Irèné de Lion (Advers. Haer. II, 28.6) fa raha Izy aza, Andriamanitra, milaza fa tsy mahalala, iza no mahasahy hiambo hahalala ny far'andro!!

[2] Tsy vakiana amin'ny vakiteny io fa ny vakiteny and. 11-14 dia tonga dia 18 avy hatrany.

[3] Amin'ny dikan-teny ao amin'ny Sorona Masina Alahady sy Andro fety dia Ataoko eo anoloako foana ny tompo, izaho tsy hiala eo an-kavananyAo amin'ny Baiboly : fa eo an-kavanako Izy, tsy hiogongozona aho! (Sal 16, 8 setriny)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0511