Izay tia mahafoy
”Manome rariny ny ampahoriana ny Tompo, manome sakafo ny noana, mamaha ny mpifatotra, mampahiratra ny jamba, mampitraka ny miondrika, mpiaro ny vahiny, tohan’ny kamboty sy ny tokan-tena… tia ny olo-marina” (Sal 145) Izany no Andriamanitsika, Andriamanitra fitiavana. Saingy raha mijery ny zava-misy eo amin’ny fiainana andavanandro isika, dia hahatsapa ny hasaro-bidin’ny fiantsoana niantsoana antsika: Nohariana hirovy endrika aminy isika, ary izany fanahafana Azy izany, dia sitrany ho hita taratra amin’ny andavanandrom-piainantsika.
Indraindray ary isika, mametraka fanontaniana hoe mba aiza ihany izao Andriamanitra izao! Fa dia mijaly izay tsy izy ny vahoaka madinika! Nahoana no avelany hanjakazakan’ny maty eritreritra ny madinika sy ny kamboty? Dia adinontsika fa isika no tanana sitrak’Andriamanitra hitsotra, hamonjy azy ireny, isika endrika isehoan’ny fitiavany, mba hahalalan’ny olona rehetra fa fitiavana Izy.
Tsy tsobo-dranon-dRamiangaly anefa ny maha-zanak’Andriamanitra. Tsy sanatria ambim-bava no enti-mamonjy ny osa sy ny niangaran’ny vintana. Ambaran’ny Taratasy ho an’ny Hebrio (Heb 9, 24-28) fa na ny Sorona natolotry ny Mpisorom-be fahizay aza, nolavorarian’i Kristy, satria tsy ran-javatra hafa atolotra isan’andro, sanatria, no heverina hanafaka ny fahotana, ka hanasana tanana, ho afaka adidy! Ny tena Sorona sitrak’Andriamanitra, dia izay mahasingotra ny aina, ka hahafoizantsika ny soa sy ny mamy, eny fa na dia izay kely ananantsika mba hivelomana aza (Mk 12, 38-44).
Izany no
asehon’ny Evanjely sy ny Vakiteny voalohany amintsika. Tsy fanarahan-dalàna mba
hisehosehoana ho mahavita zavatra sanatria no hahazoantsika famonjena.
Tsy eny amoron-driaka hihinanana ny mofo sy hena atolotry ny goaika tsy akory
no hitsapana ny fitiavana lavorary (ny tapany voalohany amin’ny toko faha-17
amin’ny Boky voalohan’ny mpanjaka, mitantara an’i Elia novokisan’ny goaika) fa
any Sareftà, izany hoe ao anatin’ny fitsapana (Sareftà adika ara-bakiteny ho fisedrana, fanivanana, raffinerie).
Ao ambadiky ny fahafoizana izay ilaina manko, na ho an’ilay Vehivavy tany
sareftà izany, na ho an’ilay mpananon-tena tao an-tempoly, na ho an’i Kristy
nahafoy ny aina, dia mifono fitokisana lalina amin’ny
fitahian’Andriamanitra (
Raha tsy
voadio ny fontsika, ka hino tanteraka fa Tompon’ny aina Andriamanitra, ary
manome rariny ny ampahoriana sy manome
sakafo ny noana… (Sal 145) dia tsy hahafoy tanteraka isika… hanakana ny
fahafahantsika hitia, araka ny ohatra navelan’i Kristy, ny fahendren-drazana,
ka aleo ihany hitsinjo ny vodiandro merika, aleo mihinan-kely, toy izany
mandrifotsy… Ny tena fahendrena malagasy anefa, efa nahatsinjo izany
fahafoizana izany ihany, nilazana fa ny valala iray aza hifanapahana…
saingy na ny Tenin’Andriamanitra aza indraindray (fa tsy ny fahendren-drazana
ihany) ampiasaintsika amin’izay tsy hanelingelina loatra ny feon’ny
fieritreretana… [1]