Tsy mba mandao Andriamanitra fa fitiavana
"Mifalia mandrakariva ao amin'ny Tompo! Eny averiko indray mifalia! Satria efa akaiky anie ny Tompo! (Fil 4, 4-5). Gaudete! Eo am-pamakivakiana ny lalam-piainana hoenti-mitsena an'i Kristy ho avy isika no antsoina hiombon-kafaliana Aminy. Ny Tompo eo anivontsika no toky ho antsika satria nanesotra ny fitsarana nanamelohana antsika no sady nampanalavitra antsika ny fahavalo (Sof 3, 14-17). Ara-drariny ary raha hamafisin'i Md paoly fa tsy hafaliana fe hafaliana tahaka ny firavoravoan'izao tontolo izao no ho antsika, tsy sanatria ho toy ny mpiady mahery hifaly toy ny fifaliana amin'ny divay ny fony (jereo Sal 104, 15) fa fientanan-kafaliana ao amin'YHWH (Zak 10, 7). Mifalia mandrakariva ao amin'ny Tompo (Fil 4, 4-5).
Ny fibebahana (alahady I) vokatry ny fihaonana tamin'ilay maty fa nitsangan-ko velona ho santatra ho antsika dia hamafisin'ny finoana izay manery antsika hiova fiaina, tsy araka izay tiantsika fa araka ny Evanjelin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Tsy ho sanatria an-tery anefa izany fa vokatry ny fitiavana tokoa. Hatramin'i Joany no mankaty dia azo an-keriny ny Fanjakan'ny lanitra (Mt 11, 11-15 : evanjely alakamisy 2), dia ambaran'i Md Pierre Chrysologue[1] fa ny fitiavana, raha tsy mahazo izy iriny, dia mamono izay tia... io fitiavana io ary no manosika antsika higòka ny hafaliana eo am-panarahana ny Tompo, araka ny lazain'i Md Augustin hoe : "Naharìnao ho anao izahay ka tsy hisy fitoniana ao am-ponay raha tsy eo anilanao" (Confessions 1, 1.5).
Tsy tokony hanahy na inona na inona isika, fa hanambara amin'Andriamanitra izay ilaintsika satria ekentsika fa famonjena Izy (Sal Izaia 12, 2-6) Fitiavana Izy ka tsy mba hanadino antsika. Miankina amin'izay Finoana Azy monina eo anivontsika izay ny halalin'ny hafaliana maneno ny fontsika eo am-piandrasana ny fiaviany. Tamin'ny 8 desambra isika dia nankalaza an'i Masina Maria notorotoronina tsy azon-keloka. Ny faneken'i Masina Maria (Fiat) ny fiarahaban'ny Anjely azy sy ny mety ho fiainany vokatr'izany, dia mampahatsiaro antsika ny tena hevitry ny hafaliana (Lk 1, 26). Io Masina Maria, sambatra raha samy sambatra io ihany no nitrotro an-janany maty teo am-pototry ny hazofijaliana! Izy ilay nentanin'ny Anjely "hifaly" satria "ao aminy ny Tompo". Ny tena hafaliana ary, araka izany, tsy dia famaliana "eny" (jereo ny ohatra nomen'i Kristy Mt 21, 28-31) fa ny fiainana an-kafaliana ny vokatr'izany eo amin'ny andavanandrom-piainana.
Izay no ampahatsiahivin'ny Evanjely amintsika : izay mikatsaka marina tokoa ny ho voavonjy (mety ho noho ny tahotra ihany, saingy efa zava-dehibe izany) dia hanontany tena hoe : inona no tokony hatao. Averin'i Joany indray fa "Fiadanam-pahamarinana, famirapiratam-pitiavam-bavaka"[2], no anarana hiantsoana antsika. Ny fiainana ny fahamarinana sy ny fitiavana no lalana hizorantsika ho any amin'ny fiainana (Lk 3, 10-18). Izany no hahafahantsika manadino ny tena mba ho voninahitry ny Evanjely, tahaka ny niainan'ny Apostoly Paoly ka nilazany hoe : "sambatra kokoa izany manome noho izay mandray" (Jereo ary vakio manontolo ny Asa 20). Ampahatsiahivin'ny papa antsika amin'ny taratasy ansiklika nosoratany izany, caritas in veritate, fa tsy afaka ny hanome izay antsika ho an'ny hafa isika, raha tsy efa nanome aloha izay tokony ho azy, ara-drariny (n. 6)
Voaantso koa ary isika, amin'ity alahady ity, handinika izay tena hafaliana ho antsika, na ny fiainana araka ny Evanjely na sanatria amin-javatra hafa mety hanakana an'i Kristy tsy hahita toerana hahaterahana ao am-pontsika.
[1] Office des lectures jeudi 2° semaine de l'Avent
[2] Vakiteny I alahady faharoa fiaviana