I KRISTY FIDINA, I KRISTY TOMPOINA
Ity no alahady hamaranana ilay fampianarana mikasika ny Eokaristia ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Joany (toko 6) fa hanohizan’ny Fiangonana kosa ny fandalinana ny misterin’i Kristy, izay tsy azon’ny olona fantarina amin’ny herin’ny sainy irery ihany. Nantsoin’ny Fahendrena isika hiaiky ny havotsan’ny saina ka hihinana ny mofo nalahatra sy hisotro ny divay voafangaro (Ohab 9, 1-6), mba hanovo fahalalana ho amin’ny fiainana mandrakizay (Alahady 20B).
Izany fikatsahana ny fiainana mandrakizay izany anefa dia midika ho fanapahan-kevitra matotra mba hanompo ny Tompo, ka handà ireo andriamanin-kafa (Jos 24, 1-18). Fanapahan-kevitra tsy hoe asesiky ny tahotry ny tsy mahita haleha sanatria. Mety ho azontsika amin’izany lafiny izany manko ny tenin’i Md Piera hoe ”Hankany amin’iza ary izahay Tompo o!” Tsy ahiahin’ny tapi-dalan-kaleha sanatria fa hafenoan’ny Fitiavan’izay efa babo tanteraka fa i Kristy no manana ny Teny Fiainana mandrakizay ka mino fa Izy no ilay Masin’Andriamanitra (Jn 6,61-70).
Izany fitiavana izany no nanosika ny vahoakan’Israely hamaly an’i Josoe hoe : Lavitra anay izay handao ny Tompo ka hanompo andiamanin-kafa, satria nahatsiaro ny fitiavana nasehon’Izy Tompo izy ireo, tamin’ny nampankarany ny fireneny avy tany Ejipta (trano fanandevozana). Ny fahatsapana izany fitiavana izany ihany no hahafahana mamaly fitia, araka ny lazain’i Jesoa amin’ny Evanjeliny hoe : tsy misy mahay manatona Azy raha tsy nomen’ny Ray azy izany. Ilay fitiavan’ny Ray, nasehon’i Jesoa amin’ny hafenoany tamin’ny namoizany ny ainy ho antsika no hanantonantsika ny Ray, ary i Jesoa rahateo no nilaza fa rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany Izy dia hanantona ny olon-drehetra hanantona azy (Jn 12, 32). Ny fanaporofoana ny fitiavana lehibe indrindra (Jn 15, 13) no nentiny nitarika ny olona ho eny aminy, ka iznay koa no manambara ny misterin’ny Eokaristia.
Raha fisaorana manko ny Eokaristia, dia mazàva loatra fa isika tsirairay avy, mandeha mamonjy lamesa dia handeha hanolotra saotra amin’izy Tompo. Izany antom-pisaorana izany, izay atambatsika amin’ny fisaorana iombonana (prefasy : ny antony hisaorana an’Andriamanitra) dia vokatry ny fahatsapantsika ilay fitiavana niantefa tamintsika ka tiantsika koa hovaliana fitia. Izay mahatsiaro ho notiavina ihany manko no afaka mitia.
Tsy fitiavana arakka ny andraisan’ny sasany azy anefa iznay, ka hisehosehoana sy hanaovana havana raha misy patsa. Maro ohatra ny lehilahy milaza fa lohan’ny vavy ka mampiasa ny Soratra Masina (Efez 5, 21-32) mba hahafahana mandidindidy sy ho tompon’ny teny farany ao an-tokantrano, ka manadino fa tsy manana izany zo iznay izy raha tsy mitia ny vadiny tahaka ny hitiavan’i Kristy ny Fiangonana, izany hoe : loha amin’ny fitiavana sy ny fahafoizana ny aina ho an’ny olon-tiana… loha hanome ohatra hotahafina (Jn 13, 34) mba ho modelim-pitiavana ho an’ny Mpianakavy.
Izany no fahambonian’ny sakramentan’ny Fananmbadiana Kristianina, manambara ny zava-miafina lehiba mankamin’i Kristy sy ny Eglizy, miorina eo anivon’ny Eokaristia, ka mahatonga ny fiangonana hilaza fa mifanohitra amin’ny Komonio (fiombonana) izay mety ho faharavan-tokatrano, satria ny mandrakizay sy tsy miova ny fitiavan’i Kristy ny Fiangonany.
Hoezahantsika isan’andro ary, ny hiaina sy hivelona ny Eokaristia, ka ny fiomanam-panahy lazain’ny fiangonana (fifadian-kanina adiny iray mialoha ny komonio cann. 919) dia manampy antsika handalina sy hametsovetso ny fitiavana tiantsika hifaninana mba ho tena mpianatr’i Kristy marina tokoa, dia izay no hahafahantsika mifidy an’i Kristy sy ny fanjakany ka hanompo azy marina tokoa.