Alahady faha-16 mandavantaona Taona B

 Miandry sy miahy ny vahoakany Andriamanitra

 

 

vaovao:
Taratasy Ansiklika CARITAS IN VERITATE 

 

Ireo apostoly nirahina hitory ny Vaovao Mahafaly (Alahady 15 B) no asain’i Jesoa ho any amin’ny tany mangingìna mba hiala sasatra (Mk 6, 30-34), saingy na izany aza, hafa ny zava-nitranga. Vantany vao nidina ny sammbokely izy ireo, dia vahoaka mampangoraka tahaka ny ondry tsy misy mpiandry no niandry… Rava teo araka izany ny vinavina hiala sasatra fa dia fampianarana sy fanompoana no nimasohana : “Homenareo hanina izy ireo” (Mk 6, 37). Mampahatsiaro antsika ilay mpiandry ondry tsara izany, ilay mitana ny tsora-kazo aman-tehina (jereo Alahady mpiandry ondry tsara, naoty 4) ka mahazo matory ivohon’ny vato izay matoky manana Azy.

Ny Vakiteny anio, dia mampahatsiaro antsika ny hasin’ny Bateny noraisintsika, nanosorana antsika ho mpaminany, mpanjaka sy ho mpisorona. Alahady telo nifanesy izay dia nandinika manokana ny amin’ny fiantsoana ny Mpaminany ny vakiteny voalohany. Ny Mpaminany dia tsy maintsy mitondra ny tenin’ny Tompo eo anivon’ny vahoaka na misy mpihaino na tsy misy mpihaino (jereo Alahady 14B, Ez 2,2-5)  eny fa na dia mihatra aman’aina aza izany (Alahady 15 B Amos 7, 12-15). Ambaran’i Jeremia anio kosa ny votoatin’ny hafatra ambaran’ny Mpaminany : tsy ho mpanakìna fotsiny ihany ny zava-misy sy ny fitondran-tena tsy mety, fa mpitory fanantenana vaovao, mampitsiry fanantenana vaovao ao am-pon’ny olona trotraky ny adim-piainana (Jer 23, 1-6).

Ny vakiteny faharoa kosa indray (Efez 2,13-18), mampahatsiaro ny fiantsoana ho mpanjaka, tsy amin’ny fampiharana ny Lalàna be didy amam-pitsipika, fa handrava ny efitry ny fisarahana amam-pifandrafesana kosa, ary hitory fihavanana amin’ny olon-drehetra. Indraindray anefa (na mazàna mihitsy aza), zary fanafintohinana ho antsika ny fandikan-dalàna, ka adinontsika ny andraikitra maha-mpanorina fihavanana sy fandriam-pahalemana antsika! Firifry ary impirifiry isika no tezitra noho ny zava-mitranga tsy araka ny lalàna sy ny tokony ho izy, dia midradradradra fa tsy rariny izany. Saingy adinontsika fa tsy ny sazy na famaizana no manova ny fo fa ny fitiavana. Angamba efa nampiasa ny safo-drano tahaka an’Andriamanitra isika (Jen 7) saingy amafisin’i Md Paoly fa ny hazo fijaliana izay nandevonany ny fifandrafesana (Efez 2, 16), izany hoe : i Kristy naneho amintsika ny fitiavany, fony isika mpanota! I Kristy maty ho antsika! Iza ny mpanabe manaiky hijaly, satria naditra ny olona nobeazina ka manaiky hisolo vaika azy ireo?

Ny Evanjely (Mk 6, 30-34) kosa indray mampahatsiaro ny anjara toeran’ny vavaka eo amin’ny fiainantsika. Ny vavaka izay anisan'ny maha-Mpisorona. Ny Mpisorona manko dia voatokana hanamasina ny tenany sy ny hafa.  Ny Apostoly, ankoatra izay nolazaintsika teny am-piandnohana, dia niverina teo amin’i  Jesoa ka nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny. Dia movà tsy izany no tokony ho votoatin’ny vavaka atontsika, indrindra rehefa mahatsiaro ho sasatry ny adim-piainana iny isika : mitantara amin’ny Tompo izay nandaniantsika ny andro… Tsy hoe manampy amin’ny lafiny ara-panahy ihany anefa izany fa koa manampy amin’ny fivoaran’ny maha-olona mihitsy ary mampisy heviny ny fiainantsika mihitsy… Inona tokoa moa no nataoko mba nanamasinako ity androko anio ity? Izay no hahitako ny tsara hotoizako, sy hahatsapako ireo mety ho nataoko ihany, tsy noho ny fitiavana an’i Kristy fa noho ny fitiavako ny tenako ihany mba hahazoako dera sa mba hanomezako voninahitra ilay mamaly soa mangina satria mahita ny miafina? (Mt 6)

Alaontsika tahaka i Kristy, ilay mpiandry ondry tsara, amin’ny fahavononany hanompo, na dia efa sasatry ny asa nandritra ny andro aza. Tsy izy velively no hamela ny ondriny mihahaka! Ka isika, hahay hitondra tena tahaka ny ondry (jereo) manoloana ilay Mpiandry tokana, ary hahay hamahana ny ondriny nankininy amintsika kosa (jereo ho an’ny Mpiandry), ka hamondrona ny olon-drehetra ao amin’Andriamanitra Ray amin’ny alalan’ny Fanahiny, amin’ny alalan’ny hazofijalian’i Kristy.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106