NOFIDIN’ANDRIAMANITRA ISIKA
MBA HIRAHINY
vaovao:
Taratasy Ansiklika CARITAS IN VERITATE
Avy nandinika ny andraikitra sahanin’ny Mpaminany isika, ny hitoriany ny tenin’Andriamanitra na misy mpihaino na tsy misy! (Ez 2,2-5 jereo Alahady faha-14B) dia ambaran’ny vakiteny I amintsika anio ny tantaran’i Amosy (7, 12-15), Mpaminany avy amin’ny tapany atsimo (Tekoe, tananan’i Jodà) voairaka ho any amin’Israely, tapany avaratra (Am 1,1) saingy, toa zary fanelingelenana ho an’ny vahoaka tavaratra… Mafy raha mafy ny teny nafitsok’i Amasiasa tamin’i Amosy : “mandehana mandositra any amin'ny tanin'i Jodà, ka any hianao no mihinàna hanina”, izany hoe : mandehana miverina any an-tanindrazanao, fa any ianao no afaka maminany tsara ka ho voky. Heverin’i Amasiasa fa maminany ho filan-kanina manko Amosy. Ny zavatra tena ratsy, ary mitory fiatsaram-belatsihy, dia i Amasiasa mamporisika azy handositra, saingy izy ihany no nanasohaso ny Mpanjaka, hitadi-bolana mba hankahala an’i Amosa!
Tsy tokony ho sakana ho an’izay hiasa ho an’ny fahamarinana anefa izany. Mazàva ny hafatr’i Kristy ho an’izay te ho mpianany : mihevi-tena ho mpivahiny mandrakariva ka mivonona hanainga amin’ny fotoana rehetra. “Aza mitondra na inona na inona afa-tsy tehina ihany fa ny tongotra no asiana kapa”, movà tsy ny Jody nihinana ny sakafon’ny Paka mialoha ny hialana tany Ejipta! (Mk 6, 8 // Eks 12,11, momba ny fanamihan’izay handeha hivahiny).
Tsy ho fitadiavan-kanina anefa no hiasana ho an’ny Tompo, saingy mendrika homen-kanina ny mpikarama (Mt 10,10) kanefa tsy tokony hifidy izay trano tsara fandray kokoa, fa hihanona ao amin’izay trano nandray voalohany mandra-piala eo an-tanàna. I Matio moa, mamaritra ny iraka hampanaovina ny Apostoly : “Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony: nahazo maimaim-poana hianareo, koa manomeza maimaim-poana” (Mt 10, 8). Dia mety hanontany tena isika hoe : fa aiza izany fahefana izany? Sa sanatria tsy nifindra tamin’ireo dimbiny ny fahefana nomena ny Apostoly? Angamba hoy aho, ny Evanjely tamin’ny heriny (Alahady faha-14B) no handinihantsika tena : “Afaka manao fahagagana eo anivontsika ve i Jesoa?” (Mk 6,5)
Ny salamo 84 (jereo ny alahady II Fiaviana) ihany koa dia mampahatsiaro antsika ny adidy aman’andraikitra manandrify antsika, na eo aza ny Tompo milaza fiadanana ho an’ny olona mivavaka aminy raha tahiny tsy miverina amin'ny fahadalany indray izy ireo. (Sal 84) Ny fahamarinana mitrebona avy amin’ny tany, fahamarinana, izay lazain’ny Papa amin’ny taratasy ansiklika farany nosoratany (Caritas in veritate) fa fanilo manome heviny sy lanjany ny fitiavana mba tsy hijanona ho sentosento fotsiny ihany. (n. 3). Dia izany fiezahana hampamokatra ny fahamarinana izany no hampitranga ny rariny eny an-danitra. Rariny izay nofaritan’ny Taratasin’i Md Paoly ho an’ny Efesiana ny amin’ny nifidianan’Andriamanitra antsika talohan’ny nahariana izao tontolo izao mba ho masina sy tsy hanantsiny eo anatrehany (Efez 1,3-14). Amin’ny fandavorariana izany fiantsoan’Andriamanitra (vocation) izany ihany, no handavorariantsika koa ny maha-olona antsika, ka tsy ho fireharehana amin’ny ezaka vita sanatria, fa fankasitrahana sy fitoriana ny hatsaran’ilay “nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izay nanasoavanya ntsika tao amin’ilay Mamalany, izay nahazoantsika ny Fanavotana tamin’ny Rany, sy ny famelana ny fahotana araka ny haben’ny fahasoavany” (Efez 1,6).
Isika tsirairay ary, hahatsiaro ho voafidy, ka tsy hanadino ny iraka hanendrena antsika, ho vavolombelon’ny Tenin’Andriamanitra, ho fitaovana hampiposaka ny hazavan’ny fahamarinany mba hampody lalana ny maniasia ka hitsipaka izay mifanohitra amin’ny anarana entintsika ka hifikitra amin’izay tena maha-kristiana marina (Vavaka fangatahana).