Alahady faha-14 tsotra mandavantaona Taona B

Na osa aza isika,
eo i Kristy ho herintsika.

 

Na eo aza ny tahotra ny fahafatesana (alahady 12B) sy ny tebiteby amam-pahoriana mety hosedraina hoenti-miatrika azy (Alahady 13B) dia ambaran’i Jesoa mazava fa ny finoana no hahafahantsika mandray ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny hafenoany. Mahatonga saina ihany ny fitantaran’i Marka fa tsy nahazo nanao fahagagana akory i Jesoa teo amin’ny tany nahabe Azy. (Evanjely Mk 6, 1-6).

Misy Fanontaniana roa mahalasalasa ny saina ihany :
Amin'ny andro hiverenan'ny zanak'olona, mbola hisy finoana ve ety an-tany? (Lk 18,8) Ary raha eo anivontsika i Jesoa, mbola afaka manao fahagagana ve izy? (Mk,6,5) Anjarantsika no mikolokolo ny Finoana noraisintsika tamin'ny Batemy maha-mpaminany sy mpisorona hampanjaka ny fitiavana
sy nanomezantsika toky hihaino ny Feon'Izy Tompo. (jereo Batemin'ny Tompo )

 

Dia miverina amin'ny fandinihana ny zava-mitranga tantarain'ny Evanjely isika : impiry tokoa moa isika no mametra-panontaniana ka velom-pialonana ny amin’izay mety ho loharanon-karena na loharano nipoiran’ny fahaizana amam-pahalalana ananan’ny olona sasany hitantsika nitombo… ka na gaga sy talanjona noho ny fampianarana sy ny zava-bitany aza (tahaka ny lazain’ny Evanjely) dia tsy hiaiky na oviana na oviana fa tsy fahendren’olombelona izany fa fahasoavana manokana nomen’Andriamanitra… dia mahagaga ihany ny mahita izany tsy finoana izany.

Firifiry amintsika koa no mahita na manana mpiara-monina nomen’Andriamanitra talenta mampitolagaga, zary fitaovana sy fahasoavana entin’Andriamanitra manao fahagagàna eo amin’ny fiara-monina misy antsika, saingy tsy afaka manao na inona na inona satria tsy inoantsika ny fanomezam-pahasoavana, ka aleo mifamingana toy izay hidera an’Andriamanitra noho ny fanomezany talenta ny mpiara-monina amintsika.

Eo amin’ny tany nahabe azy ihany no tsy voahaja ny Mpaminany! Noho izany antony izany, fa indrindra koa, noho ny iraka nankinina amin’izy ireo manokana. Ny Vakiteny I (Ez 2,2-5)[1] dia mampahatsiaro ny iraka maha-mpaminany ny mpaminany, na hisy mpihaino na tsisy mpihaino: hitory ny Tenin’ny Tompo amin’ny vahoakany (Ez 2,7) toy ny mpitily hananatra amin’ny anaran’ny Tompo ka mampitandrina amin’ny loza vokatry ny fahotana (Ez 3,17). Mamy eo am-bava anefa izany teny izany (Ez 3, 3) fa fahoriana amam-pijaliana kosa ny fitoriana sy fiainana azy (Apok 10, 9).

Ireo nirahin’Andriamanitra hitory ny Teniny araka izany dia tsy afaka ny hitoky amin’ny herin’ny tenany, fa hiandrandra mandrakariva ilay mitoetra any ambony miandry fiantrana avy amin’Izy Tompo mba hanafaka amin’ny eson-tenin’ny maty eritreritra (Salamo setriny 122). Isika no voaantso hitory ny hatsaran’ilay niantso antsika hiala tamin’ny haizina ho amin’ny Fahazavana mahagaga, hoy i Md Piera (1Pi 2,9) ka hirehareha amin’ny fahalemena, izay iamparan’ny herin’i Kristy (2Kor 12, 7-10). Ny fahalementsika ny fahosantsika ihany amanko no hitoeran’ny finoana ao anatintsika, ka hilantsika vonjy avy amin’Andriamanitra. Izay ihany no hahafahan’i Kristy manao fahagagana (evanjely), ka hitoeran’ny heriny ao amintsika (Vak II)

Tsy voatery ho amin’ny toeran’ny Mpaminany anefa isika fa mety ho anisan’ireo vahoaka tsy nahafahan’i Jesoa nanao fahagagana ihany koa. Manampy antsika handini-tena araka izany ny Tenin’Andriamanitra raha mino ny herin’Andriamanitra isika! Tokony ho lalana hampivoarana ny finoana ny fahitana ny asan’Andriamanitra, na ireo omeny ny hafa ka tsy miantefa amintsika mivantana aza. Tsy tokony ho fanafintohinana ho antsika ny hahita ilay zanaka mpandrafitra manana fahalalana sy fahendrena mampitolagaga, satria mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra ka tokony ho fisaorana mandrakariva no asetry ny soa arotsany ho an’izay mino ny Teniny.



[1] Mbola mitohy amin’ny alahady heriny Amosy 7 12-15

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116