Ny hahavelona antsika no irin’Andriamanitra
Fankalazana an'i Md Piera sy Paoly apostoly
jereo 29 jona
Ny Vakiteny I mitantara ny fahendrena[1] dia azo fintinina amin’ny teny fohy hoe : tadiavo ny Tompo ary andosiro ny fahotana. Noharian’Andriamanitra ho amin’ny tsy fahalovana[2] ny olombelona. Nahoana anefa no zary fangorohoròna sy tahotra mandrakariva ny fahafatesana satria “fohy sy be fahoriana ny andro iainantsika ka rahefa tonga ny fara andron'ny olombelona, tsy misy fanafodiny, sady tsy misy fantatra izay olona mahafaka amin'ny fonenan'ny maty” (Fah 2,1). Dia miroroha ny saina ka raha samy ho faty ihany, aleo maty rahampitso… ary raha ho faty ihany, araraoty ny andro hiainana hilibàna sy nanaovana izay danin’ny kibo (Fah. 2,6-9).
Tsy nanao ny fahafatesana Andriamanitra fa ny demony no nidiran’ny fahafatesana amin’izao tontolo izao dia hanandrana izany, ry zareo izay azy (Vakiteny I Fah. 1,13-15; 2,23-25). Adihevitra tsy voavahan’ny taona maro ny loharano ipoiran’ny ratsy sy ny vokany : ny fahoriana amam-pahafatesana. Maheno izany tenin’Andriamanitra izany isika dia mahatsiaro an’i Kristy, maty ho famonjena antsika, ilay marina ifanakanana satria manahirana antsika, manohitra ny fanaontsika (Fah 2,12-17). Nahoana no niharan’ny fahafatesana ilay Zanak’Andriamanitra? Satria sitrak’Andriamanitra ny hanome antsika ny Fiainana mandrakizay amin’ny alalany, ka Izy no nihatra ny fahafatesana izany tambin’ny ota (Rm 6,23), ho faty ho antsika, fony mbola mpanota isika (Rm 5,8-9) ka handresy ny fahavalo farany dia ny fahafatesana (I Kor 15, 26).
Tamin’ny alahady heriny isika (Alahady 12 B) naheno ny fitarainan’ny Apostoly : “Tsy mampaninona anao va raha maty izahay?” (Mk 4,35-40) saingy ambaran’i Jesoa mazava, mialoha ny fitsanganany ho velona, fa ho an’izay mino, tsy tokony hatahotra ny fahafatesana[3] (jereo eto).
Indraindray anefa (na matetika mihitsy aza), tsy ny salamo setriny no ventesintsika an-kira : “Midera anao aho ry Tompo fa tsy navelanao hifalian’ny fahavaloko ah, hariva aho mitomany, nony maraina velon-kira… Navadikao ho dihy ny hira fitarainako” (Sal 29). Firy amintsika no sosotra amin’ny tsy mpivavaka sy mialona mahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy! (Sal 72) Ary firifiry koa anefa no mandany ny harena manontolo hitady fanasitranana sy fahombiazana… saingy toa miha-ratsy indray aza ny fiainana! (Mk 5,26) satria mifanerasera amin’i Jesoa saingy tsy mbola tapa-kevitra ny hikasika Azy: tsy gaga isika raha lazain’i Md Marka fa tsy afaka nanao fahagaga akory i Jesoa teo an-tany nahabe Azy (Evanjely amin’ny heriny Mk 6,5) satria tsy ny fahagagana no hahazoana ny finoana fa ny finoana no hahazoana fahagagana (azo jerena eto).
Dia manontany tena momba ny finoako aho! Firy taona aho no nifanerasera tamin’i Jesoa… saingy impiry aho no niezaka hikasika Azy, hihaona aminy marina toko, hiantso Azy hanasitrana ny zanako vavy izay tsy antenaina ho velona intsony… satria notsilovin’ny Fanahy Masina ny saiko![4]
“Ho an’izay mino, miofo ny aina fa tsy levona” (prefasy nodimandry I) ka ny fahafatesana izay mampatahotra antsika, torimaso ihany ka hisinda vetivety. Hariva aho mitomany, fa nony maraina velon-kira (Sal 29 setriny)! Satria i Kristy efa nandresy ny fahafatesana ho antsika. Izy izay mpanan-karena nefa nanaiky hampanan-karena antsika ka nifidy ny fahantrana (2 Kor 8, 7-15). Hitandremantsika ny ho mpanana manontany ny ory, ka hiezahantsika hanampy ny hafa amin’izay harena hananantsika, na amin’ny finoana na amin’ny teny na amin’ny fahalalana, eny fa na dia amin’ny ambim-bava aza mba hanentsika ny tsy ampy amin’ireo tra-pahoriana.
Manampy antsika ny Litorjia handinika ny lahatr’Andriamanitra ho antsika manoloana ny fahoriana amam-pahafatesana, ny hahavelona antsika no iriny... ka hampahatoky antsika, fa na olona efa trotraky ny adim-piainana isika ka tsy nahita fahasitranana tamin’izay naleha, na lehiben’ny Sinagoga tojo ny patsa iray tsy omby vava! Eo i Kristy, miandry antsika hikasika Azy, miandry antsika hampiantrano Azy… ary indraindray koa, miantso antsika hampiantrano Azy (Lk 19, 5) ka tsy ho azon-tahotry ny fahafatesana satria ny maty aza mbola afaka handre ny feony ka ho velona! Talità Komì!
[1] Toko 1-6 : ny Fahendrena sy ny hiafaran’ny olombelona
[3] Ireo vavolombelona Telo (jereo ny Sorona Masina Alahady sy Andro fety valva fa tsy ampy ary Joany rahalahin’i Jakoba amin’ireo nasain’i Jesoa hanaraka Azy, ho vavolombelon’ny fitsanganan-ko velona.
[4] Jaira ryaiy": notsilovin’Andriamanitra.