Andriamanitra no vonjintsika sy arontsika
Miverina tanteraka amin’ny vanim-potoana andavanandro ny Litorjian’ny Fiangonana izao. Taorian’ireo Fety mirakitra ny foto-pinoan’ny Fiangonana, manakatona tanteraka ny vanim-potoanan’ny Paka (Trinite Masina, Sakramenta Masina) dia mitohy ny famakiana ny Evanjely nosoratan’i Md Marka (taona B) nijanona hatramin’ny alahady faha-7 talohan’ny karemy : Manam-pahefana hanafaka ny fahotana ny Zanak’olona ety an-tany (Mk 2,1-12). Aorian’ny fanoharana momba ny Fanjakan’ny Lanitra (Alahady faha-11 B) ilay voatsinapy noraisintsika ka mila hampamokarina ho zary fialofan’ny voromanidina.
Tsy mandeha ho azy anefa ny fitomboan’izany voatsinapy izany. Ankoatra ny fikarakarana ny tany hamafazana (Mk 4, 1-9) sy ny mety ho fikolokoloana ny voly anefa dia ny Tompo ihany no mampamokatra ny voly, fa ny mpamboly matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro fa tsy mahafantatra ny fitomboany (and. 27-28). Misy toe-panahy roa mety hahazo antsika manoloana ny zava-mitranga anefa: na matoky tena be loatra ka manadino ilay hany manome voa afafy ny mpamafy (Iz 55) na manadino ny andraikitra nankinina amin’ny mpamboly (Mk 12).
Tantarain’ny Evanjely anio ireo Mpianatra niara-niondrana an-tsambokely tamin’ny Tompo (Mk 4, 35-41). Ry Mpampianatra o! Tsy mampaninona anao ve raha maty izahay? Iza i Kristy ho antsika? Sa fahalalana an’i Kristy araka ny nofo ihany no ananantsika? (Vakiteny II 2 Kor 5, 14-17) Izany hoe ny famonjena eo noho eo, tombontsoa azo tsapain-tanana ihany! Ka adino fa Tompon’ny velona sy ny maty ny Tompontsika. Manery ny fitiavana an’i Kristy, araka ny lazain’i Md Paoly, satria Izy no nitia antsika mialoha (1 Jn 4, 19) ka valim-pitia no asetrintsika Azy.
Ny valin-tenin’ny Tompo tamin’i Joba milaza ny fetran’ny olombelona (Jb 38, 1-11) dia manampy antsika hametraka an’Andriamanitra amin’ny maha-Mpahary sy mpandahatra ny zavatra rehetra. Tsy ho amin’ny finoanoam-poana miandry izay hitongilanan’ny vintana anefa fa amin’ny toe-panahy votom-pinoana ka hikaroka mandrakariva ny sitrapon’Andriamanitra ary hahay handanjalanja ny zava-mitranga noho ny fitiavana an’Andriamanitra satria entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy ny zavatra rehetra (Rm 8, 28).
Miara-miondrana amintsika amin’ity sambonkelim-piainana ity koa i Kristy. Mazàna eny ambody sambo no ametrahantsika Azy, ary avelantsika hatory, rehefa milamina tsara ny ranomasina. Impirifiry moa isika no mamoha an’i Kristy, rehefa ambivitra ny aina, ka mila vonjy! Mahatsiaro an’Andriamanitra rehefa afa-nenina amin’ny fahaizan’olombelona… Tahotra maneho ny tsy fahampiam-pinoana anefa izany, hoy i Jesoa tamin’ny Apostoly. Asehon’ny Evanjely amin’ny heriny fa hatramin’ny maty aza, azon’i Kristy atsangana. Saingy famantarana ihany ireny, tahaka ny famantarana rehetra azontsika banjinina amin’ny zava-boahary, mba hanontaniantsika tena hoe : Iza marina moa i Kristy izay harahiko?
Isika tsirairay koa, matoky fa tsy afoin’Andriamanitra na oviana izay nataony mafy orina amin’ny fitiavany (vavaka fangatahana) dia voaantso hihavao ao amin’i Kristy. Tsy fihavaozana hisehosehoana ho nohasoavin’Andriamanitra noho ny hafa anefa sanatria, fa fihavaozana manaiky hotarihin’ny Fanahy, ka hikely aina mba hankasitrahan’ny Tompo, satria mahatsapa fa tsy maintsy hiseho amin’ny fitsaran’i Kristy isika, handray ny tandrifin’ny asantsika na soa na ratsy. (VAkiteny II alahady 11 B 2 Kor 5, 6-11)