1 Novambra

FANKALAZANA MANETRIKETRIKA NY OLOMASINA REHETRA


Azo jerena koa eto 

Fety sy faty… ankalazantsika velona ny misterin’ny Fiombonan’ny olomasina, izay foto-pinoana havaozintsika isaky ny fiangonana alahady: isika mankalaza an’ireo efa nialoha lalana antsika any amin’ny voninahitry ny lanitra dia miaraka amin’izy ireo mitalaho ny famindram-pon’ny Tompo ho antsika sy ho an’ireo havantsika nodimandry, tsy afaka akory ny hivavaka ho an’ny tenany.

Amin’ireo vakiteny aroson’ny fiangonana hiainantsika amin’ny fankalazana izany fety izany dia manoro antsika ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Ambaran’i Md Bernard[1] fa ny tokony hameno ny fon’ny mpino mankalaza izany fety izany dia ny fananana ireo olomasina ireo ho namana hitokizana, hivavaka ho antsika sy halaintsika tahaka. Ny famelombelomana sy fanamafisana ny faniriana ny lanitra, araka izany, no fototra hifaharan’ny fankalazana ireo olomasina. Izany rahateo no amafisintsika amin’ny Prefasy hoe ”Jerosalema any an-danitra ilay tanàna renivohitray ka hiezahanay aleha entanin’ny finoana”.

Ambaran’ny Salamo setriny 23 ary fa “izay mahitsy fo sy madio tanana, tsy mba mianiana hahavoa ny hafa” no hiakatra ao am-bohitry ny Tompo. Zavatra telo amafisin’ny vakiteny hafa ireo : ny fo mahitsy, ny tanana madio, ny vava tsy roa lela… Midika izany ny tokony hampifanarahantsika ny teny  aloaky ny vava amin’ny ao am-po, ary hisikim-ponitra hanatanteraka izany marina tokoa. Tsy ampy araka izany ny manana fikasana tsara (mahitsy fo), na ny lasan-ko vavany fotsiny hieboheboana amin’ny hafa, fa mila mandio tanana amin’ny ran’ny zanak’ondry isika (Apok 7, 9-14), izany hoe tsy hatahotra ny hihoson-dra, satria izany no hahafahantsika mahita an’Andriamanitra araka ny tena toetrany (I Jo 3, 1-3), Izy izay hitsara antsika amin’izay natao na tsy nataontsika amin’ireo zanany osa sy toa niangaran’ny vintana (Mt 25).

 

Tsy fihezahana ny hahazo laza eo anivon’ny fiaraha-monina tsy akory… Ambaran’i Joany mazava fa mila manadio ny tenantsika isika, satria ho an’izay mahalala an’Andriamanitra, dia hahatsapa mandrakariva ny tsy fahamendrehany, kanefa velom-panantenana mandrakariva miandry ny hifanatrehan-tava amin’Andriamanitra.

Ny lalam-pahasambarana valo atoron’ny Evanjely (Mt 5, 1-12) koa manamafy fa tsy araka ny fiheveran’izao tontolo izao tsy akory no hizorana mankany. Mbola averin’i Jesoa ao koa fa ny hadiovam-po no lalam-pahasambarana hahitana an’Andriamanitra.

Hiezahantsika ary ny hanangona ny herintsika rehetra hanomezana ny voninahitra sy ny hery rehetra ho an’Andriamanitra sady hahatsiaro fa ireo havanntsika nialoha lalana antsika dia mila ny fivavahana avy amintsika hanohizany ny lalam-pidiovana hifanatrehana amin’Andriamanitra.



[1] Jereo ny office des lectures 1 novembre, 2ème lecture

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0334