1 janoary 2010

FANKALAZANA AN’I MASINA MARIA RENIN’ANDRIAMANITRA

  

Nony afaka havaloana dia noforàna ny zaza, ary nomena ny anarana hoe Mpamonjy araka ny nolazain’ny anjely (Lk 2, 16-21). Mpamonjy no hevitry ny teny hoe  Jesoa, ary izany no tokony ho masaka ao an-tsaintsika isaky ny miantso azy isika.Mamarana ny havaloan’andro ankalazana ny Noely anio, ary natokan’ny Fiangonana indrindra hankalazana amin’ny fomba manokana an’i Masina Maria Theotokos, Renin’Andriamanitra.

 

Tsy fankalazana fe fankalazana ihany anefa fa mifono fampianarana sy foto-pinoana, satria nanozongozona ny finoan’ny mpino sasany ny momba ny misterin’ny fahatongavana ho nofo (incarnation) ka noheverina fa kitapo nifonosan’ny maha-olona an’i Jesoa ihany i Maria. Tsy mifanaraka amin’ny misterin’ny fahatongavana ho nofo anefa ny fanasarahana ny maha-Andriamanitra sy maha-olombelona an’i Jesoa, satria mety hanindrahindrana ny maha-Andriamanitra naka sarintsarin’olona na sanatria ny maha-olona nahazo fahasoavana manokana ihany. Ny fiekena fa Renin’Andriamanitra i Masina Maria, izay nambaran’ny Konsily tany Efezy tamin’ny fomba manetriketrika ny taona 431, dia fanamafisana fa tena Andriamanitra ary tena olombelona i Jesoa. Izay no misterin’ny fahatongavana ho nofo, tian’ny fiangonana hankalazaina manoka amin’ny Noely. Mistery izay tsy afa-misaraka ary efa fanombohana sahady ny misterin’ny Paka.

 

Fa taom-baovao ho an’ny fanisan-taona sivily ny andro.Vaovao saingy ny omaly tsy miova. Vaovao amin’ny fanisana fa fitohizan’ny tranainy tian-kavaozina sy hohatsaraina. Dia mifampirary soa isika. Izaho kosa tsy sasatra ny mamerina nyfirariantsoa fataoko isan-taona :

 

 Arahabaina nahatratra ny taona. Ny firarian-tsoa ataoko anao dia ny tso-drano izay nasain’ny Tompo ataon’i Mosé (Nb 6, 23-27) tamin’i Aarona sy ny zanany manao hoe : “Hitahy anao sy hiaro anao anie ny Tompo… Hampamirapiratra ny tavany amino sy hiaro anao anie Izy…. Hanopy ny masony amino anie ny Tompo ka hanome anao ny fiadanana”.

 

Raha natokana ho andro iraisam-pirenena ho an’ny fiadanana manko ny Taombaovao (1 janoary) dia mahatsiaro ny tenin’i François d’Assise tamin’ny rahalahiny, notantarain’ny pretra iray izay aho hoe : “Andriamanitra dia manome antsika ny fiadanana, fa tsy mamela antsika hiadana”. Toa mifanohitra nefa izany tokoa : amin’ny teny frantsay dia hoe: “Dieu nous donne la Paix mais ne nous lasse jamais en paix”.

 

Manamafy izany ny Hafatry ny Papa ho an’ny andron’ny Fiadanana : « Fanomezan’Andriamanitra  ny Fiadanana no sady ezaky ny mpiara-belona »[1] . izany hoe fanomezana mampiasa... tsy mamela hipetrapetraka...

 

Dia hoy aho aminao :

 

Enga anie…
Enga anie mba tsy hisy tanteraka izay irinao mandritra ity taona ity…
…. Afa-tsy izay mahasoa anao.
Ka izay tanteraka dia hahatsapanao ny fitiavan’ny Tompo nitsinjo anao… 
Izay tsy tanteraka kosa hahatsapanao ny adidy tsy vita sy ny halemen’ny olombelona miara-monina aminao… izay mila ny fahasoavanana avy amin’ny Tompo…
Raha lazainao ho fahalemen-tsaina, fa finoanoam-poana na hagegena ny ahy dia lazaiko anao fa tsy mahery saina noho iza isika ka hahatanteraka izay irina rehetra… izay mazàna hafa noho izay lazaina amin’ny olona.

 

 

Tsy maro manko ny olona tena sahy mamboraka ny faniriany lalina amin’ny hafa, fa aleo ny faniriana mety ho tanteraka na izay faniriana tsy holazaina ho “revin-gadra” no lazaina… ary vitsy no tena mahalala ny faniriany marina tokoa... ary asa firy no tena mahalala ny mahasoa azy... saiky ny mahafinaritra mandrakariva no ironan'ny safidy... (soa fa saika...)

Samia hotahian’ny Tompo mandritra ny Taona…

 



[1] 2007. Ny amin’ity Taaona ity dia tiako ny manisy tsindrim-peo ny amin’ny andininy faha-13 ho an’ireo izay mety ho tia ny zava-boahary kanefa hankahala na hanao tsinontsinona ny olombelona… manamafy indrindra ny hasina maha-olona izay ilaina tandrovana ambonin’ny zava-boaary hafa rehetra.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01