Zoma Masina

Fankalazana ny Fijalian'ny Tompo

Anio sy rahampitso ny Fiangonana dia tsy mankalaza Sakramenta mihitsy, araka ny fomba hatry ny ela, ary ny otely tsy asiana na inona na inona: Zary andro fisaonana.

Ny Lalan'ny Hazofijaliana izay vavaka fandinihana ny niaretan'ny Tompo hanaporofoany ny Fitiavany antsika, dia famintinana ny Zoma masina.

Ireo Vakiteny ankalazaina anio dia manampy antsika hahatsapa izany fitiavana izany. Noratraina Izy noho ny fahotantsika (Iz 52, 13 - 53,12) ary tonga fototry ny famonjena ho an'izay manaiky Azy (Heb 4 -5), izany hoe ho an'izay vonona ny hiaritra ny fijaliana ho famonjena ny tontolo.

Mitohy ary tsy azo sarahina ny fankalazana ny hateloanandron'ny Paka. Ilay nankalazaintsika omaly dia tanterahin'i Kristy androany. Isika koa no voaantso hitondra ny anjara fanompoana tandrify antsika, satria mahatsiaro fa notiavina ka te hitory izany Fitiavana izany amin'ny olombelona rehetra. Izany no maha-mpaminany antsika.

Anio no hanaovana ilay Ranombaky ny mpino manetriketrika izay hitondrana am-bavaka ny olombelona rehetra, manambara ny maha-Mpisorona antsika. Izany manko ny adidin'ny Mpisorona dia ny mivavaka tsy ho an'ny tenany ihany fa ho an'ny hafa ihany koa, misolo vava ny hafa hangataka fahasoavana sy famindram-po ho an'ny olombelona rehetra.

Ny Fankalazana ny Hazofijaliana kosa indray, mampahatsiaro antsika fa ny Lakroà no nanehoan'i Kristy ny maha-Mpanjaka Azy. Isika koa voaantso hiara-manjaka aminy rehefa vonona ny hanitatra ny Fanjakany.
Dia izay mahma-Mpaminany, maha-Mpisorona ary maha-Mpanjaka antsika noho ny Batemy izay, no avondrona amin'ny Fandraisana ny Komonio Masina, izay hanaporofoantsika ny Fiombonantsika tanteraka amin'i Kristy.

Raha tianao dia vakio ity fandinihana ity (eto )

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099