Noely

Mirary krismasy sambatra

 

 

Fanazavana ny sary amin'ny teny Malagasy, frantsay na italiana

Zaza teraka ao anaty alim-be
no fahazavana ho an’izao tontolo izao

Ho fety loharanon-kafaliana hiboiboika ho antsika anie ny fankalazana ny nahaterahan’ilay Mpamonjy antsika.

Satriko ny hizara aminao ny nolazain’ny Papa momba ny hafaliana tokony hoentintsika miaina ity Noely ity, tamin’ny fifampiharabana nifanakalozany amin’ireo Tompon’andraikitra misahana ny Dikastera ao Vatikana ny 22 desambra lasa teo[1] : Afaka manomana sy mikarakara fety isika, saingy tsy voatery ho loharanon-kafaliana izany… tsy afa-misaraka amin’ny tena fety anefa ny hafaliana, na dia mijanona ho fanomezana mandrakariva aza izy, saingy fanomezana efa nomena antsika tamin’ny hafenoany, ary sitrak’Andriamanitra hiboiboika lalan-dava ao am-pontsika (Iz 9, 1-6). I Md Paoly milaza amintsika fa vokatry ny Fanahy ny tena hafaliana, ary tsy afa-misaraka amin’ny tena hasambarana, noho ny fihavanantsika amin’Andriamanitra, amin’ny hafa ary amin’ny tenantsika. Toetra manokana mampiavaka ny hafaliana dia izy tsy mba azo tazonina ho an’ny tena samirery. Ny Fiangonana, araka izany, amin’ny maha-misionera azy dia voairaka hampiely ny hafaliana noraisiny…

Amin’izao ankatroky ny Noely izao ary, dinihontsika ny hafatr’i Paoly milazalaza amintsika ny toe-piainana tokony hankalazantsika ny fety : “mba hananana toetr’olona hahalala onony, marina, tia vavaka, velomin’ny fanantenana.. sady fatra-pitia ny soa rehetra” (Tit 2, 11-14).

Ny hafaliana ambaran’ny Evanjely (Lk 2, 1-14) dia mampandinika antsika ny amin’ny anjara toerana omentsika ilay “zaza teraka ho antsika”, famataram-pamonjena ho antsika… Meteza eo amin’ny toeran’ny Mpiandry ondry, handao ny ondry amin’ny andro alina, handeha hitsaoka zazakely mifono lamban-jaza, mahantra sy farahidiny ao an-tranon’omby : finoana izany!

Noely ny andro rehefa tsapantsika fa miara-monina amintsika Andriamanitra. Tsy hataontsika an-tsirambina ary ny fivoriantsika amin’ny anarany satria izay no sakramenta manambara ny fisiany eo anivontsika. Ka na dia ao anatin’ny fahoriana sy ny fangirifiriana aza (tsy fisiana, aretina…) no ankalazan’ny sasany ny Noely, dia tsy hanesotra ny hafaliana fonosiny izany, satria mino isika fa ho fiombonana amin’ny fahoriantsika no naneken’ilay Mpamonjy vao teraka hisafidy ny tranon’omby.

Izy ilay nanaiky hiampy amin’ny vilona ho sakafon’ny omby sy ny ampondra anie hanampy antsika hahatsapa ny hasin’ny Eokaristia entiny hamelomana antsika ho amin’ny hafaliana mendrika ny maha-kristianina antsika.

Mirary Krismasy sambatra

 

Fivoasana ny vakiteny jereo eto

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099