Mivavaha mandrakariva! (1 Tes 5-17) 18-25 Janoary 2008

Ekomenisma : firaisam-pinoana!

capa-ecumenismo.jpg

Herinandro hivavahana sy handalinana manokana ny firaisan'ny Mpino ny 18-25 janoary ary tsy azo hamaivanina ny ezaka fifanantonana ataon'ny tsirairay nandritra izay zato taona izay, (satria ny 18-25 Janoary no nanombohan'i Wattson ity vavaka ity) indrindra amin'ny vavaka asandrantsika miaraka amin'i Kristy Filoha mba ho iray ihany ireo rehetra mino Azy (Jn 17), araka ny Soratra masina nofidiana ho fiainana amin'ity taona ity : "Mivavaha mandrakariva" (1Tes 5, 17).

Araraotina ary izany mba hamakiana ireo SORIDALANA hanampy antsika amin'izany ezaka fifanantonana izany, mba tsy ho fitadiavana ny marimaritra iraisana fotsiny ihany, fa kosa fikatsahana ny tena maha-kristianina, ny maha-mpianatr'i Kristy, izany hoe ny Fifankatiavana. "Ny hahalalan'ny olona fa mpianatro ianareo dia ny hifankatiavanareo"(Jn 13, 35). Ny Firaisam-pinoana araka izany dia fizorana amin'ny fitiavana marina.

Andininy vitsivitsy amin'ny Soridalana no andeha hifampizarantsika :

"1- Ny hanarenana indray ny firaisan'ny Kristianina rehetra no anisan'ny vaindohan-draharaha nokendren'ny Konsily masin'ny Vatikana II. Anankiray ary tikana monja ny Fiangonana naorin'i Kristy Tompo, kanefa maro ny Firaisana kristianina samy midrikina eo imason'izao tontolo izao, ho tena mpandova an'i Jesoa Kristy. Samy mihambo ho mpianatry ny Tompo izy rehetra, nefa samy manana ny làlany avy... sady miteraka fanafintohinana ho an'izao tontolo izao... [sady] misakana ilay raharaha masina indrindra dia ny fitoriana ny Vaovao mahafaly amin'ny voaary rehetra.

[...] 7- Tsy misy ekomenisma raha tsy ny fo ao anaty no mivoatra. ... tsy maintsy mitalaho ny Fanahin'Andriamanitra isika mba homeny ny fahasoavana hanana fandavan-tena marina sy fanetren-tena ary halemem-panahy eo am-panaovan-draharaha ary fahalalaham-po toy ny iray tampo eo amin'ny namana...

...3- Efa hatramin'ny voalohany no nisy fitsitokotokoana tao amin'io Fiangonan'Andria­manitra anankiray sy tokana io, ka nomelohin'ny Apostoly mafy dia mafy ho mahadiso (I Kor 1, 11ss). Taty aoriana, nipoitra ny tsy fifanarahan-kevitra lehibe kokoa ary fiangonam-bahoaka maro no indray niendaka tamin'ny Fiangonana katolika, ka indraindray samy nanam-pahadisoana na ny andaniny nan ny ankilany. Tsy azo anilihana ny heloky ny fisarahana ireo izay teraka tanatin'ireny fiangonana ireny, ka velona ao amin'ny finoana an'i Kristy, fa hajain'ny Fiangonana katolika sy tiaviny toy ny rahalahy iray tampo. Satria izay mino an'i Kristy sy nandray marina ny batemy dia manam-piombonana (na dia tsy lavorary loatra aza) amin'ny Fiangonana katolika...

[...]24- ... hafatrafaran'ny Konsily mba tsy ho maivan-doha foana na hafana fo tsy amin'ny antony, sao manimba ny firosoan'ny firaisana

 

...4- [...] tsy azo hadinoina koa fa izay rehetra tanteraka tamin'ny alàlan'ny fahasoavan'ny Fanahy Masina eo amin'ny rahalahintsika tafasaraka tamintsika dia mety hitera-bokatsoa ho antsika koa. Na inona na inona tena kristianina marina dia tsy mifanohitra na oviana na oviana amin'ny tena finoana, fa mety hanampy koa hampahafantatra bebe kokoa ny zava-mihafin'i Kristy sy ny Fiangonana...

[...] 15- ...amporisihina ny Katolika mba handala bebe kokoa ireny harena ara-panahin'ny Tatsinanana ireny, (fiainan-drelijozy mitoka-monina...) izay mampisandratra ny tenan'ny olona manontolo hibanjina ny misterin'Andriamanitra.

[...] 23- .."na inona na inona ataonareo, na amin'ny teny na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy am-pisaorana an'Andriamanitra Ray amin'ny alàlany" (Kol 3, 17). Izany no azo lazaina ho fototry ny resaka ekiomenisma momba ny fampihàrana ara-pitondran-tena ny Vaovao Mahafaly."

Dia hoy aho hoe: aiza ho aiza no maha-katolika ahy izao???

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1198