I Jesoa Kristy Niakatra any an-danitra!

Misy ve ny lanitra?

I Jesoa niakatra any an-danitra ankalazaintsika androany dia tokony hanitikitika ny saina amin'ny hoe : "aiza ny lanitra?" na ny hoe "sao mba tsy misy akory izao lanitra izao!"

Tokony ho fety hanampy antsika haniry ny haren'ny lanitra ny fankalazana atontsika anio. Izany lanitra izany no fahasambarana ho antsika Kristianina. Misy ve ny lanitra? Ary raha misy, ahoana no hahatongavana any?

Raha tsotsorina ny fahazoantsika amin'ny ankapobeny ny atao hoe lanitra (adika tsotra koa hoe Paradisa) dia "toeram-pahasambarana". Mahatsiaro sambatra ny olona iray rehefa afa-po sy afa-tebiteby amin'izay manahirana, tsy mihevitra ny ho ampitso intsony fa afaka mivelona am-pitoniana ny anio. Tsy ny habetsahan'ny harena anefa, na ny filibana amin'ny sitra-po no fahasambarana, manampy antsika hahatsapa izany ny tantaran'ilay Zaza Mpandany : ny fahatsapana fa tia ka afaka mamaly fitia no fototry ny fahasambarana.

Niakatra any an-danitra i Jesoa, ka nitoetra eo an-kavanan'ny Ray (Ef 1, 17-23), tonga tanan-kavanan'ny Ray. Izay no hery ho antsika satria mahatsapa isika fa toa sarotra ny mifaly amin'ny fiainana ny maha-kristianina, tsy moramora ny miezaka ho lavorary tahaka ny Ray any an-danitra.

Tonga tanan-kavanan'ny Ray i Jesoa ka naniraka antsika hampianatra ny olona rehetra hitandrina izay nandidiany (Mt 28, 16-20). Manomboka ety an-tany ny Lanitra raha toa ka ekentsika fa eo anivontsika mandrakariva ny Tompo ka andrin'ny fifankatiavantsika.

Indraindray (na matetika aza) dia milaza isika fa te hiavana amin'ny hafa saingy izy ireo no mitana an-dolom-po! izany tokoa ve? Mazàna manko omena ny hafa hatrany ny tsiny tsy hahafahantsika miaina ny maha-isika antsika. Na inona na inona anefa ezaka tiantsika hotratrarina, na inona na inona fanamasinan-tena ilofosana, dia ho zary tsinontsinona raha tsy mahatsapa fa Fitiavana Andriamanitra, ary ny lanitra dia amin'izay misy an'Andriamanitra, amin'izay misy ny Fitiavana.

... Tsaroantsika lalandava izany rehefa miantso ny Ray any an-danitra isika... saingy mahatsapa fa zaza mpiliba te hody an-tranon-dRay

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8859