Herinandro tsotra faha-32 Taona A

Alahady faha-32 taona A Mandavan-taona

Ity tany ity fandalovam-bahiny

Basilika Lateranense

Amin’ireto alahady telo mifanaraka ireto no hamakiana ny toko faha-25 amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Matio (Mt 25). Mampitodika ny saintsika amin’izay hiafarana ny Litorjian’ny Fiangonana. Raha jerena ireo ohatra telo asongadin’io toko faha-25 io (Virjiny/talenta/fitsarana) dia mampianatra antsika ireo dingana telo tokony hihainantsika ny fitiavana : ny fiomanantsika amin’ny solika hoenti-mitsena ny mpampakatra, izany hoe miankina amintsika ny hoenti-manana, mitaky ny ezaka sy ny finiavana avy amintsika. Mety hiseho amin’ny faniriana lalina izany tahaka nylazain’ny Bokin’ny Fahendrena hoe “Mitsena izay mitady azy ny fahendrena” (Fah 6, 12-16).

Tsy misy hirehareha na anefa izany na hifanavahana ho virjiny hendry sy ho virjiny adala satria miankina amin’ny talenta omena antsika ny fetry ny solika takiana amintsika. Ankoatry ny ezaka hiezahantsika dia ekena fa fanomezan’Andriamanitra ny Finoana, talenta omena antsika mba ampamokarintsika (alahady 33A). Tsy ampy hahavonjy noho izany ny mitahiry tsy misy nanimbihana ny talenta : tsy ampy ny miezaka tsy hanao ny ratsy fa ny “asa vita no hitsarana”.

Tsy asa natao hisehosehoana koa anefa ka hizahozahoana ho nahavita be fa asa vita am-pitiavana, nentina nanasoavana ny madinika, ny mahantra, ny voagejan’ny tsindrihazolena, satria “endrik’Andriamanitra ny olombelona” ka iezahantsika ny mitia na dia ny farahidiny indrindra aza satria notiavin’i Kristy izy ireny ary ao amin’izy ireny no hitiavantsika an’i Kristy.

Dia ho fitiavan-tena ve sa fahamalinana no hilazana ny nataon’ireo virjiny hendry izay nahalala ny fetran’ny solika ho ampy? Mety hilaza isika hoe fahadisoan’ny Mpampakatra ny tsy tonga ara-potoana! Saingy tsy ampy hahavonjy antsika izany. Mamporisika antsika izany tsy hanao ezaka mandra-paha…[1] fa hiambina sy hivavaka lalandava (I Tes 5, 17). Izay no hahafahantsika mamakivaky ny alin’ny fiandra sana, ka hametsovetsoina tahaka ny mpanao salamo hoe “ “Izaho mahatsiaro anao eo am-pandriana, tontolo alina aho mihevitra anao”… satria mahatsiaro fa “notsenainao ny vonjinao aho ka mibitaka alofan’ny elatrao” (Sal 62).

Ny fahatsiarovana ireo talenta sy soa noraisintsika avy amin’Andriamanitra araka izany dia loharanom-pisaorana amam-pivavahana tsy tapaka, izay havaozintsika amin’ny Fisaorana lavorarin’ny eokaristia.

Basilika Lateranense

Ny Fetin’ny Fitokanana ny Bazilikan’i Latran, izay Katedralin’ny Papa amin’ny maha-Evekan’i Roma Azy dia hanampy antsika hahatsiaro ny maha-Tempolin’ny Trinite Masina antsika, ary hanentana antsika hivavaka manokana ho an'ny Papa Ray Masina.

Ny Evanjely (Jn 2, 13-22)[2] dia mampahatsiaro antsika ny fanajana nentin’i Kristy hiarovana ny hasin’ny Tempoly. Tsy hataontsika lalam-barotra sy foto-pivelomana na ho fitadiavam-pahafinaretana fotsiny ary sanatria ny zava-masina sy ny fivavahana, fa hampiasaintsika kosa hamatsiana solika ny jirontsika amin’ny sakramenta amam-pahasoavana azontsika tovozina ao ka hanampy antsika hanome hasina ilay Tempoly honenan’ny Fanahin’Andriamanitra (I Kor 3, 9-17) sy hitia an'i Kristy ao amin'ny olon-drehetra.



[1] Hiezaka aho mba…; matetika mitranga izany amin’ny karemy sy ny fihaviana (izay efa ho avy)

[2] Ny ao amin’ny Sorona Masina Alahady sy andro fety. Ny ao amin’ny sorona masina andavanandro dia ny Jn 4, 19-24 no ao.


Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105