Gasikara o!

Ny maha-kristianina tsy hoenti-miondrika…..

 


 

Eo anatrehan’ny fisavorovoròna mianjady amin’ny Firenentsika, ny alehan’ny saina matetika dia ny hitsara izay meloka sy ny tsy manana ny rariny…

Iza no homelohinao? Ny Fanjakana izay lazaina ho “rangory fototry ny afo” ka ampangaina ho Mpivarotra tanindrazana, mampanantena ariary zato am-pandriana ka hanao fahagagana mba hiadanan’ny vahoaka ve?

Iza no omenao tsiny? Ny vahoaka trotraky ny adim-piainana ka maniry fiainana tsaratsara kokoa tahaka ny arantirantin’ny hainoamanjery sy ny sarimihetsika ka manonofinofy ihany saingy miha-mahatsapa falasibatry ny fanatontoloana noho ny hantsana miha-lalina manasaraka ny mpanana sy ny mahantra ve?

Asa!

Iza no omenao rariny? Ny mpanao politika milaza fa miteny amin’ny anaran’ny vahoaka rehefa avy nanagona ny tsiliantsofina tetsy sy teroa ka mahatsapa fa tsy zaka intsony ny toe-java-misy eto amin’ny Firenena ve!

Ny ambadiky ny adilahy politika tsy hampahafantarina ny vahoaka tsy mandadiharona na oviana na oviana! Tsy isika no hitsara! Asa… ny tantara angamba.

Tsy fotoana hanomezan-tsiny ny andaniny na ny ankilany izao… fa fotoana tokony hivavahana bebe kokoa…

Tsy fotoana hisentosentoana fa fotoana hitolomana… haintsika tsara fa tolona ny vavaka fa tsy sento…

Saingy izao no tsarovy :

Tsy hanana ny rariny ianao raha sanatria ka ny andraikitra nankinina aminao ho fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana tsy notanterahinao akory, afa-tsy izay mety hahazoanao tombontsoa ho anao ihany…

Tsy afaka hanamarin-tena ianao raha ny soa mety ho vitanao hampanana ny hafa tsy nataonao satria matahotra ianao sao hanana noho ianao izy…

Dia isika tsirairay no madinika izay efa mba nataony, tsy ho an’ny tenany sy ny voninahiny manokana… fa ho an’ny Tanindrazany!

Fotoana handinihantsika ny andraikitra nankinina amintsika tsirairay avy izao : tsy mana milatsaka avy any an-danitra manko ny fampandrosoana, fa safidy hifanohanantsika rehetra, ka tsy ny fandrobana na ny fanimbana ny fananana iombonana no atao vaha-olana, ka hanome tsiny ny Fanjakana ho Mpandany volam-bahoaka, nefa koa manampy trotraka ny mety ho fandaniam-bola amin’ny fanamboarana izay sinimban’ny lazaina ho fitolomana!

Mivavaha isika! Mitoloma!

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102