Fianakaviana Masina

Fianakaviana mifankatia, lanitra ety an-tany.

 


 

Ny fankalazana ny Fianakaviana Masina amin’izao vanim-potoanan’ny Noely izao dia manambara ny hasina omen’ny Fiangonana ny fahamasinam-pitondrantenan’ilay ray nitaiza sy ilay reny nitondra am-bohoka ny Zanak’Andriamanitra. Ny Fahatongavan’ny zanak’Andriamanitra ho nofo araka izany dia nanamasina ny fianakaviantsika olombelona. Hery ho an’ireo toa niangaran’ny vintana sy tojo fahasahiranana lava araka izany ny zava-nisy niainan’ity fianakaviana niantranoan’ny Zanak’Andriamanitra, na ny fahaterahana tany an-tranon’omby na ny fandosirana tany Ejipta, ny fitadiavana tany an-tempoly, fa indrindra ny fahatanterahan’ny faminanian’i Simeona (Lk 2, 22-40), ho an’ilay Reny nibanjina ny Zanany novonoina toy ny jiolahy.

Tsy miankina amin’ny harena na ny fari-pananana araka izany no haha-masina ny fianakaviana, fa ny fiombonam-po manaiky hampiantrano ny zanak’Andriamanitra ao amin’ny vavaka. Raha Emanoela ny noely, dia mazava loatra fa sakramenta manambara ny fisiany ny fiaraha-mivavaka. Firifiry tokoa moa ny fianakaviana sy ny tokan-trano no miady kitrana sy tsy mifandevi-maty noho ny vola aman-karena. Toa adino ny fahendren-dRazana milaza fa ”Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana”

Safidim-piainana ho amin’ny fanamasinan-tena tokoa manko ny fanorenana tokan-trano, ary tsy azo ambaniana ny hasarobidin’izany Fiantsoan’Andriamanitra izany satria na ireo misafidy hisantatra sahady ny fiainan’ny lanitra, amin’ny fanarahana ny torohevitry ny Evanjely aza dia nipoitra avy amin’ny Fianakaviana. Ary isika rehetra mahalala fa misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny olona iray manontolo ny fanabeazana noraisiny teo anivon’ny fianakaviana.

Ohatra iray hafa atolotry ny Fiangonana antsika anio ny ankohonan’i Abrahama. Azo lazaina fa tsy ny fahasahiranana ara-bola no nianjady taminy fa ny ho faty taranaka… saingy ny tonga rain’ny mpino (Jen 15 // He 11, 8-19). Tsy fianakaviana voafetra amin’ity fiainana ity ihany araka izany no hiantsoana antsika fa koa ny taranaka amam-para ampifandraisin’ny finoana. Izany no maha-fiangonana fianakaviana antsika, avondron’i Kristy ho iray ao aminy, ary entanin’ny fifankatiavana dia voaantso hisantatra sahady ny hasambaran’ny lanitra.

Ny Mpaminany vavy Ana, izay nanokana ny fiainany tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana, taorian’ny nampananon-tena azy dia mampifandray ny hasin’ny fanambadiana sy ny hasoavana tovozintsika amin’ny vavak’ireo “manokan-tena” ho amin’ny asan’Izy Tompo amin’ny fo tsy voazarazara, araka ny filazan’i Md Paoly (I Kor 7, 32), ary tohanantsika am-bavaka mba ho izany tokoa.

Isika tsirairay avy ary, hanisy hasina ny fianakaviantsika, na ny ankohonana izany na ny ankohonam-piainana ka hametrahantsika rehetra an’i Kristy eo anivontsika, ka ny hafalian’ny Noely no entintsika misantatra sy mamakivaky ny taona vaovao andrasantsika.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0296