Epifania - Fisehoan'ny Tompo

Izao tontolo izao no irian'Andriamanitra
ho Eglizy Fianakaviany

 

06_luce-battesimo.jpg

Epifania
Ny nisehoan'ny Tompo

Mankalaza ny Fisehoan'ny Tompo [1] tamin'ireo Majy araka ny henontsika tao amin'ny Evanjely androany isika. Mazava loatra fa mbola ao anatin'ny fankalazana ny Noely izany, fankalazana ilay Emanoela : Famantarana manambara ilay Andriamanitra eo anivontsika. Izany no hahafahantsika milaza fa ity fety ity dia famintinana ny hetahetam-pihaonana misy ao am-pon'ny olombelona sy ny hatsaram-pon'Andriamanitra manaiky hiseho amin'ny tsotra sy ny olombelona rehetra.

Matetika no entina hanamarinan-tena ny tenin'Andriamanitra. Matetika no alaintsika an-tendrony ny tenin'i Kristy, manaiky haneho ny tsiambaratelony amin'ny tso-po fa nanafina izany tamin'ny be saina (Mt 11, 25-27). Ny fahatsoram-po anefa tsy midika ho hakamoana hikaroka, fa vao mainka aza manosika handalina bebe kokoa ny zava-misy, handinika ny zava-boaary toy ireo Majy notarihin'ny kintana hahita an'i Kristy Mpanjaka, Mpisorona sy Mpaminany.

Ambaran'i Izaia Mpaminany fa "hiposaka ho antsika ny voninahitry ny Tompo" (Vak I Is 60, 1-6) rehefa ho tafahaona indray ny Mpianakavy, rehefa tsy misy mahaory intsony... dia ahoana izany satria mbola ao anatin'ny manahirana isika izao, ary ho an'ny ankamaroany toa miha-midi-kizo satria miha-mafy ny fahantrana!!!

Araka ny lazain'i Paoly ho an'ny Efeziana dia toa resaka ara-panahy ihany izany, ireo Jentily tonga iray lova sy iray tena ary mpiombona ny fanantenana amin'ny Jody ao amin'i Kristy (Vak II Ef 3, 2-6) ary ambarany mazava fa ambony lavitra noho ny fampanantenan'Izaia i Kristy. Tsy mahagaga araka izany raha izay mahalala an'i Kristy dia manao ho fakofako ny zavatra rehetra (Fil 3, 7-10) ary mahafoy izay rehetra ananana mba hatolotra Azy.

Raha fihaonana aminy tokoa manko ny vavaka dia anjarantsika tsirairay ny mandinika ny mety ho fanomezana atolotsika Azy isaky ny andeha hihaona aminy isika. Tsy ho voatery ho ny famirapiratry ny volamena ihany, fa mety ho ny hanitry ny emboka koa na ny halefaky ny mira. Tsy misy fanavahana saranga izany na fijerena volon-koditra fa ny fo manolotra no zava-dehibe.

Dia izany no mahatonga ny vavaka ho zary fiainana ka hahafahantsika mivavaka mandrakariva, satria na ny asa ataontsika am-pitiavana, ny fiantràna ataontsika, ny vavaka vesaran'ny halemena sy ny tebiteby atao am-pitokiana sy am-paharetana, ary na ny tahotry ny fahafatesana aza dia hanjary fiombonana amin'i Jesoa satria hahafahantsika mampiseho mandrakariva fa tia antsika Andriamanitra.

Asa angamba mety koa ho toa an'ilay Majy faha-efatra ianao ka tsy hanan-katolotra intsony!!! [2]



[1] Fisehoana in-telo miantoana araka ny efa nohazavaiko : Fisehoana tamin'ny Majy, ny Batemy ary ny Fampakaram-bady tao Kanà (jereo eto)

[2] Tsy ho adinointsika koa anefa fa nisy Majy iray (araka ny lovan-tsofina dia Baltasara), variana nizara ireo fanomezana nentiny ho an'ny mahantra hitany teny an-dalana, ary tafahaona tamin'i Jesoa Zazakely nitrotro ireo fanomezana nomeny ny mahantra... Izay manome ny mahantra, hoy ny Ohabolana, mampisambotra an'Andriamanitra (Ohab, 19, 17).

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1317