Batemin'ny Tompo. Alahady Mandavan-taona

Batemin'i Jesoa

batemy.jpg

Fisehoana telo no ankalazaintsika amin'ny Epifania : ny Fitsaohan'ny Majy, ny Batemin'i Jesoa ary ny Fahagagana tany KanĂ [1]. Mankalaza ny Batemin'i Jesoa isika androany. Nahoana no izany fety izany no hanakatonana ny fankalazana ny Noely? Raha tandindon'ny batemintsika ny Batemy nataon'i Jesoa, raha fanamasinana ny ranon'i Jordany no nanekeny hahatanteraka ny fahamarinana rehetra (Evanjely Mt 3, 13-17), dia rariny raha izany fety izany no hanombohana ny andavanandrom-piainantsika.

Ny Noely dia Emanoela, izany hoe fetin'ilay Andriamanitra miara-monina amintsika. Amafisin'ny prefasy amintsika androany fa ilay feo avy any an-danitra no manamafy an'ilay Teny Tonga nofo miara-monina amintsika, voairaka hitory amintsika ny Vaovao Mahafaly[2]. Ny Batemy noraisintsika izany, dia fanamafisantsika ny finoantsika fa indrindra fanomezan-toky "hihaino Azy".

Epifania ny Batemin'ny Tompo, izany hoe fanehoan'ny Ray amintsika ilay zanany malalany ankasitrahany indrindra ka tokony henointsika. Izy no ilay mpanompo sitraky Ray (Vakiteny I Iz 42, 1-4.6-7) vonona hanorina ny rariny amin'ny tany. Izy ilay Voahosotry ny Ray tamin'ny Fanahy Masina, maneho amintsika fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra (Vakiteny II Asa 10, 34-38) ka mendri-dera ambony indrindra (Salamo 28 setriny).

Nanaiky hatao Batemy ilay Mpamela heloka, nanaiky handray ny batemim-pibebahana, hanambara amintsika fa ny Batemy noraisintsika dia Fiainana, satria IRAKA: fanombohana fa tsy famaranana. Taorian'ny Batemy noraisiny no nanombohan'i Jesoa ny asany an-karihary, tokony ho telopolo taona izy tamin'izay hoy i Lioka (Lk 3,23). Voairaka koa isika hihaina ny maha-kristianina antsika, izany hoe haneho ny maha-zanak'Andriamanitra antsika.

Miara-monina amintsika Andriamanitra. Tsapantsika ve izany? Inoako fa ny andro anio, ankalazana ny batemin'i Jesoa, fa koa hanavaozantsika ny batemy noraisintsika, dia hameno hafaliantsika ny fontsika satria voatsangana ho Zanak'Andriamanitra isika.

Mifarana ny fankalazana ny Noely, saingy tsy mandao antsika ilay Emanoela. Ny tena fibebahana araka izany dia ny fiainantsika araka ny maha-zanak'Andriamanitra antsika. Voninahitra an-tsobika izany ka aoka tsy ataontsika am-patam-bary.

Inona tokoa moa no mety ho fahasambarana lehibe kokoa noho ny mahatsapa fa zanaka tian'Andriamanitra?



[1] Amin'ny taona D dia io evanjely io no vakiana manaraka ny batemin'i Jesoa (Jn 2). Ireo fisehoana ireo moa no ilazana ihany koa ny asa sy ny Fisehoan'ny Trinite Masina eo amin'ny Tantara, indrindra amin'ny Batemy...

[2] Azo jerena ny prefasy androany.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102