I Jesoa natao Batemy, tandindon’ny Batemintsika
Mbola ao
anatin’ny Fankalazana ny Epifania, Fisehoan’ny Tompo, ny fankalazana ny
Batemin’ny Tompo. Ireo fanomezana nomen’ireo Mpanjaka tatsinanana[1]
araka ny nolazaintsika : volamena, emboka
manitra sy mira, ankoatra ny maha-famantarana manambara ny Misterin’i
Kristy, dia manambara ihany koa ny fiainantsika te-hanara-dia Azy, ka manolotra
aminy ny volamena, amin’ny
fampanjakantsika ny fitiavana sy ny fiadanana, hanolorantsika ny tena ho sorona
velona, masina sy ankasitrahany (Rm 12, 1), ka
hitozoantsika am-paharetana amin’ny vavaka asandratra ho toy ny emboka manitra (Sal 141, 2) ka ho mani-pofona hitory ny hatsaran’ilay
niantso antsika hiala tamin’ny haizina ho amin’ny fahazavana mahagaga (1 Pi 2,9), ary ny
vokatr’izany hazavana izany dia ny soa, ny rariny sy ny hitsiny ary ny
marina rehetra (Ef
5, 9).
Amin’ity
taona B ity, handinihana manokana ny Evanjely nosoratan’i Md Marka, dia
mahalasa saina ihany ny amin’ilay kintana nitarika an’ireo Majy ho eo amin’i
Kristy. Ao anatin’ny haizina no manjopika ny hazavana, rehefa tsy eo (na
takona) ilay masoandro be manazava ny andro. Indraindray anefa adino ny
fisian’io masoandro io, ary tsapa bebe kokoa ny fisiany rehefa tsy eo izy...
Moa ve tsy izany koa no hoentin’i Marka mampita amintsika ny misterin’i Jesoa,
ilay Kristy Zanak’Andriamanitra (Mk 1, 1) ka i Piera,
manoloana ny fandaozan’ny olon-drehetra an’i Jesoa no nanambara : “Hankany
amin’iza moa izahay ry Tompo?... Ianao no ilay Masin’Andriamanitra” (Jn 6, 69-70) Hianao
no Kristy (Mk 8,29)!
Ary ilay Tomponjato (Kapiteny), tao anatin’ny haizina nandrakotra ny tany (Lk 23, 45), manoloana
ny lakroa, niaiky hoe “Zanak’Andriamanitra
tokoa io lehilahy io” (Mk 15, 39).
Raha
tandindon’ny Batemintsika ary ny Batemin’i Jesoa, amin’ity alahady
hanombohantsika ny andavanandrom-piainana amin’ny taona litorjika ity, dia
manasa antsika Izaia hanongilan-tsofina, hihaino ka ho velona (vakiteny I Iz 55, 1-11).
Antso ho amin’ny fibebahana marina izany, hihevitra tsy araka ny nofo, fa araka
ny Fanahy izay nanaovana batemy antsika (Evanjely Mk 1, 6-11).
Ny sarintenin’ny ranon’orana aman’oram-panala mampahazo hanina ho
an’ny mpihinana sy voa famafy ho an’ny mpamafy ampiasain’Izaia (and. 10) dia mampianatra
antsika fa ny Tenin’Andriamanitra dia tokony ho zary fiainantsika, ho
Tsy misy
tokony hatahorantsika anefa, ilay Teny tonga nofo, efa zary Mofo, mamelona
antsika, nanonitra ny fahotantsika ka hanaovantsika antso avo fa efa
tapitra ny andron’ny fanompoana ... ary
efa niseho ny herin’ny Tompo (Salamo setriny Iz 40,
1-11). Izany no ankalazaintsika amin’ny Misterin’ny Eokaristia : ny
misterin’ny fijaliany sy ny nandreseny ny fahafatesana. Izany fandresena izany dia ny finoantsika, hoy
i Md Joany (Vakiteny
II 1 Jo 5, 1-9) ary ireo famantarana telo (ety an-tany)[3],
izany hoe ny Fanahy, ny rano sy ny ra,
dia maneho amintsika fa asan’ny Fanahy ny Finoana, saingy sitrak’Andriamanitra
ny hampiasa ny famantarana hanomezana antsika ny fahasoavana (sakramenta), ka
ny rano sy ra, manadio sy manome aina, no tandindona sy loharano hanovozantsika
izany fahasoavana izany, eo amin’ny fon’i Kristy nolefonina (Jn 19, 34).
Ny
Fitiavantsika an’Andriamanitra dia porofointsika amin’ny fitandremana ny didiny
(Vak II), koa
hiezahantsika ary ny hifankatia, satria izany no Didy vaovao nomen’i Kristy
antsika (Jn 13, 34),
ka handinihantsika tsirairay hoe : nanao ahoana no nandraisantsika ny
Tenin’Andriamanitra nafafy tamintsika! nampahazo hanina ho antsika ve ny
fihainoana ny Tenin’Andriamanitra? Ary
inona no mba masomboly hatolotrika
ho an’ny mpamafy? (Vak
I).
[1] Araka ny mahazatra dia hoe telo, satria telo ny fanomezana, saingy ny tantara sy ny lovantsofina sasany dia milaza fa nisy Majy hafa koa ankoatra ireo namoronana anarana!