Alakamisy Masina

Fahazavana
Amin'ity hariva ity no ankalazana ny namoronan'ny Tompo ny Eokaristia. Ny Vakiteny voalohany dia manambara ny Lalàna momba ny sakafo fankalazana ny Paka (Eks 12, 1-8.11-14 ) izay natao indrindra hahatsiarovana ny "zava-dehibe nataon'ny Tompo tamintsika". Izany no tohizantsika ao amin'ny Fombam-pivavahana isaky ny mankalaza ny Sorona Masina, tahaka ny nitantaran'i Paoly azy tamintsika : "Isaky ny mihinana ity mofo ity sy misotro amin'ity Kalisy ity ianareo, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo mandra-piaviny" (Vakiteny II).
Izany no lazaina amin'ny teny Frantsay hoe Memoriale, fahatsiarovana tsy fe fahatsiarovana ihany satria sady ho mandrakizay (tsy very tadidy) no tsy latsa-danja amin'ny zavatra izay tsaroana (mitovy lanja). Raha izany ary, dia tsy kisendrasendra ny nampitovian'i Joany ny Fitantarana ny namoronana ny Eokaristia sy ny Fanasana Tongotra.
Fanasana farany, tsy fanasana amin'ny sakafo fa fanasana tongotra izay manambara ny toe-po amam-panahy tokony hananan'izay manolotra ny Eokaristia (Evanjely ).
Ny Fitiavana no ambaran'ny Mofo zaraina zary aina. Izany no ankalazaintsika anio. Ny mampisy heviny ny fiaraha-mivavaka ataontsika dia ny fahatsiarovana ny Tompo, araka ny hafatra navelany : "Efa nomeko fianarana ianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo".
Ny Fiainantsika ary no antsoina ho Fiainana Eokaristika, izany hoe hiha-Jesoa isan'andro. Ny Menaka masina nohamasinina tamin'ny Lamesa Crismale nanosorana antsika (Mesia = Voaosotry ny Tompo = Kristy) ho kristianina. Olomboahosotra ary isika ka ndeha hifanohantohana, hifanasa tongotra (asan'ny mpanompo) mba tsy handraraka ilo mby an-doha.
Memoriale : jereo Eksaody 12, 14 ZZikkaron

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117