Alahady Voalohany Fiaviana TAONA B

TONGAVA RY TOMPO TSARA FO

 

Miambena

miambena! tahirizo hirehitra ny jironareo!

Ny Fiaviana, na avent[1] dia fotoana hanombohan’ny Taona litorjika valva, sady entina ihany koa hanomanana ny fetin’ny Noely. Amin’ity taona B[2] ity dia mamaky ny Evanjely nosoratan’i Marka isika, mandinika manokana ny fiombonantsika amin’ny Misterin’ny Paka, izany hoe amin’ny Fijaliana, Fahafatesana ary Fitsanganan’i Kristy ho velona.

Ireo vakiteny aroson’ny Litorjia hodinihintsika dia mamintina ireo vanim-potoana fiandrasana nisy teo amin’ny Tantaran’Israely sy ny Fiangonana : ny vakiteny voalohany dia saika ny Bokin’Izaia Mpaminany izay nanambara mivantana ny fahaterahan’ilay Emanoela, hatramin’ny alarobian’ny herinandro faharoa dia vakìna miaraka amin’ny Evanjely nosoratan’i Matio, dia manambara ny Fiandrasan’Israely ilay Messia, hitondra fanafahana, miantso fibebahana, ary mamelona indray ny fanantenana, satria ilay Mpamonjy no miantso : “Mankanesa aty amiko ianareo izay mijaly sy vasara-pahoriana” (Mt 11, 28-30 Alarobia II). Ny alakamisy II kosa manokatra ny fanomanana akaiky : “Mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho i Joany Batista” (Mt 11, 11-15), ilay mpialoha lalana an’i Kristy. Ary ny famakiana ny tetiaran’i Kristy (Mt 1, 1-17 : razan’i Jesoa Kristy Zanak’i Davida, ny andro 17 Desambra, hanombohan’ny havaloan’andro fiomanana mivantana amin’ny noely) dia manokatra ny fandinihana manokana ny anjara toeran’i Maria eo amin’ny tantaram-pamonjena.

Amin’izao Fiaviana izao koa dia miha-mahazo vahana amin’ny Litorjia ataontsika ny Couronne de l’Avent. Tsy ny hahafinaritra ny maso anefa no tokony hotadiavina fa ny hanampian’ireny famantarana ireny antsika mba hihaina marina tokoa ny fiandrasana ny Tompo izay ho avy. Ireo labozia efatra arehitra isaky ny alahadin’ny fiaviana, dia manambara ireo vanim-potoana fiandrasana teo amin’ny Tantaram-pamonjena. Ny voalohany (loko volom-parasy) dia manambara ny famelana azon’ny taranak’olombelona taorian’ny fahotan’i Adama sy Eva, maneho ny FO MIBEBAKA; ny Faharoa (loko mena) dia manambara ny finoana nentin’i Abrahama nihazo ny tany nampanantenaina, maneho ny FINOANA; ny faxatelo (loko mavokely) dia manambara ny hafaliana nanentana ny fon’i Davida manantena fa hanjaka manndrakizay ny taranany, alahadin’ny Gaudete izay mampahatsiaro antsika ny HAFALIANA izay tokony hiaintsika ao amin’ny Tompo; ny fahefatra (loko fotsy) dia manambara ny fahatanterahan’ny Faminanian’ny Mpaminany, mitory Fiadanana sy Fandriampahalemana, izay tanteraka amin’ny fahaterahan’i Kristy ao am-pontsika tsirairay avy.

Amin’ity alahady I Fiaviana ity, miaraka amin’Izaia isika mitoloko, mitalaho amin’izy Tompo mba ho avy hamonjy antsika Izy, isika izay tanimanga sy tsinontsinona, manaiky ny hovolavolainy hitovy endrika aminy (Iz 63), Izy izay tsy manary ny asan-tanany (Sal 79), ka mendrika hitokiana (I Kor 1, 3-9). Tsy zavatra mandeha ho azy anefa izany fa mitaky finiavana sy faharetana avy amintsika. Izay nafaran’i Jesoa ho an’ny Mpianany dia nataony ho antsika koa : “fitandremana, fiambenana ao anatin’ny vavaka[3]”.

Izany no tokintsika, ary aza adino fa ireo ezaka ataontsika rehetra mandritra ny Fiaviana, na tranon’omby na couronne d’avent… dia hiezahana tsy ho fisehoana ivelany ihany fa ho fanampiana ny rehetra sy ny tsirairay hiandry ny Tompo sy hanomana ny fo handray Azy maniry ho teraka ao am-pontsika.



[1] Adventus amin’ny teny latinina , izany hoe adventiste avokoa isika. Jereo eto. Ny alahady voalohany amin’ny fiaviana dia izay alahady manaraka ny 26 novambra.

[2] Jereo ny tohiny

[3] Amin’ny dikantenintsika dia nadika hoe miambena ary mivavaha ny matoanteny proseuchomai, midika ho fiambenana ao anatin’ny vavaka…

Taona B:

Ny taona faharoa amin’ny fankalazana litorjika dia ny Evanjely nosoratan’i Md Marka no ankalazaina sy halalinina. Araka ireo mpandinika manokana momba ny Soratra Masina dia io no Evanjely voasoratra voalohany, io no fohy indrindra ary natokana indrindra ho an’ireo katekomena miomana amin’ny sakramentan’ny firosoana ho Kristiana.

Ny fehezanteny nanombohan’i Marka ny “Vaovao Mahafaliny” dia famintinana ny Evanjely manontolo. Evanjelin’i Jesoa Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra. Na dia toy ny tantara tsotra sy mifintina nangonina tetsy sy teroa aza no nosoratan’i Marka ho antsika dia hita misongadina ny fizarana roa lehibe manentana azy hanoratra ny vanjely manontolo : haneho ny maha-Kristy an’i Kristy (hatramin’ny Mk 8,26), hany ka ny fiekem-pinoan’i Piera, Ianao no Kristy dia famintinana ny tapany voalohany sady fanombohana ny fizarana faharoa, miompana indrindra amin’ny misterin’ny Fijaliana sy ny Lakroa, anehoan’i Kristy ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy.

Ny Famakiana ny Evanjely nosoratan’i Marka ary araka iznay dia natao hanampy antsika handalina bebe kokoa izay firaisam-po amin’ny Misterin’ny Paka, fa indrindra handalinana manokana ny maha-mpanara-dia an’i Kristy antsika amin’ny fitondrana ny hazofijaliana sy ny fiombonana amin’i Kristy nijaly sy maty ho antsika, ary nitsangan-ko velona ho fanantenana ho antsika.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096