Ray Aman-dreny tsy mahafoy Zanaka Andriamanitra.
Antsoantso
ataontsika matetika ny hoe: "Nafoin'ny
Tompo aho; hadinon'ny Tompo aho" (Vakiteny I). Nahoana
ilay Andriamanitra Fitiavana no mamela antsika hijaly? Toa sarotra ny hino ny
fampanantenana nataon'YHWH tamin'i Siona hoe : "Na hanadino aza ny reny, Izaho (YHWH) tsy mba hanadino anao".
Ny
traikefam-piainantsika no hahafahantsika mandalina sy manamafy izany
fiainam-pinoana izany. Ny hahazoana izay dera tandrify ny tsirairay manko, hoy
i Md Paoly dia ny hevitry ny fo, izay hisehoantsika eo anatrehan'Andriamanitra
(Vakiteny II).
Ny
Indraindray
manko (na mazàna mihitsy aza) dia lazaintsika ho tsy mandeha ny zavatra iray,
rehefa miteraka fatiantoka ara-toekarena na miteraka fahhaverezana tombotsoa
ara-nofo ihany. Dia adino ny hafatr'i Jesoa mba "hikatsaka ny
Fanjakan'Andriamanitra alohan'ny zava-drehetra" (Evanjely Mt 6, 33). Tsy izay
hahamasina sy hanatsarana ny fifandraisana amin'ny Tompo no lasa
laharam-pahamehana fa izay hanangonana harena, voninahitra sy hafinaretana no
mahamaika.
Rahefa
teren'ny adim-piainana sy ny fikatsahana ny hohanina, ny fitsinjovana ny
vodiandroho merika sy ny fanatsarana ny ho avy anefa dia tsy moramora ny
mampifanaraka izany amin'ny fikatsahana ny Fanjakan'Andriamanitra. Tsy afaka ny
hihaina ara-panahy ihany anefa ny olona, mampitebiteby lalandava ny ho avy sy
ny fahasarotan'ny fiainana.
Ny hanonona
ny salamo faha-61, hiandry "mana milatsaka avy any an-danitra",
hiandry famonjena avy amin'ilay Fiarovana avo sy Vatolampy (Salamo setriny),
tsy mandeha ho azy. Sarotra ny hanantena ny valala any an-danitra. Ezaka tsy
maintsy imasoana amin'ny maha-kristianina anefa ny "miondrika mampiasa ny
zavatra mandalo ety an-tany saingy hiraiki-po amin'izay maharitra
mandrakizay"[1].
Izay no
hahafahantsika miaina ny Evanjely ka hizaka ny
fahoriana mianjady isan'andro raha izay no hahafahana manompo an'Andriamanitra.
Ny fanompoana ny vola, ny fikatsahana voninahitra sy fahafinaretana dia
manesotra ny toerana ho an'Andriamanitra ao am-pontsika. Mazàna miezaka
mandamina ny feon'ny fieritreretana isika ka hiezaka hitsara tena sy hitsara ny
hafa, hahitana fialantsiny sy fanazavana amin'izay mety ho
fitondran-tenantsika.
Andriamanitra
izay mahita ny fo (Vakiteny
II) no tokony hatahorantsika, ka handinihantsika marina tena tokoa
amin'izay hironan'ny fontsika, ka hanompanantsika ny hery ananantsika, hanompoana
an'Andriamanitra irery ihany, izay no hahatsapantsika fa ny fitondrana ny
Hazofijaliana mba hanarahan-dia an'i Kristy no lalana mitondra antsika ho
amin'ny fahamasinana.
Raha tsy
tsapantsika fa mamy ny miaraka amin'Andriamanitra, raha tsy efa nandramantsika
ny hafalian'ny miara-monina aminy dia tsy haniry ny lanitra velively ny
fontsika. Ray aman-dreny tsy mahafoy zanaka izy, ka ny fahatsapana izany
maha-zanaka izany dia dingam-piainana atombotsika ka izorantsika tsikelikely eo
am-pitanisana ireo soa notovozintsika avy aminy.
[1] Prefasy KaremyII