Alahady Sampakazo


Fankalazana ny fidiran'ny Tompo tao Jerosalema sy

Fandinihana ny Fijalian'ny Tompo
Sampakazo

Manomboka ny Herinandro Masina isika rehefa mankalaza ity Fidiran'i kristy ao Jerosalema ity, fa indrindra amin'ny Fandinihana ny Fijalian'ny Tompo.

 

Ny Tenin'Andriamanitra ankalazaintsika amin'ity Fanompoam-pivavahana ity dia manambara ny sakafo farany hatramin'ny nahafatesan'i Kristy (Mt 26, 14 –27, 66). Araka izany dia azo lazaina ho famintinana ny herinandro masina manontolo. Tian'ny Litorjia avoitra amin'izany fa izay nambaran'i Kristy tamin'ny Fiaraha-misakafo farany, nanomezany antsika ny Sakramentan'ny Eokaristia dia notanterahiny teo ambony Hazofijaliana. Ny Fijaliana nanaporofoan'i Kristy ny Fitiavany antsika no ambaran'ny Eokaristia Masina ankalazaintsika. Ambaran'Izaia fa ny hery avy amin'Iahveh no Vimiaina ho an'ilay Mpanompony, ka hahafahany mankahery ny reraka na dia ao anatin'ny fahoriana ihany koa aza ny tenany (Iz 50, 4-7).

 

Sitrapo tanteraka anefa ary safidy no nanekeny hietry (ho lasa tsinotsinona). Izany no nahamendrika azy hiditra ny voninahitr'Andriamanitra (Fil 2, 6-11). Araka ny Lovam-panahy ao amin'ny Fiangonana dia ny Fandinihana ny Fijalian'i Jesoa no loharanon'ny fanamasinan-tena maro. Haintsika tsianjery ohatra ny Vavaka fanaon'i Md Alfonso Maria de Liguori eo anatrehan'ny hazofijalian'i Kristy : "Ry Jesoa tsara fo sy mamiko indrindra…

 

Tsy ataontsika ambanin-javatra ary ny fandinihana ny fijalian'i Kristy, satria izay no lalana hahatsapantsika ny fitiavany antsika. Anio koa, andro voatokana ho an'ny tanora. Tsaroantsika ny hafatry ny Papa izay mampahatsiaro antsika ny asan'ny Fanahy izay manome hery antsika ho tonga vavolombelona hanambara ani Kristy (jereo eto).

 

Mirary Herinandro Masina ho anao. Tsy ho sanatria anie ho herinandron'ny fivadihana, tahaka ireo tany Jerosalema fahiny fa Herinandro handalinana lalina tokoa ny fototry ny finoantsika.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0816