Alahady I Karemy Taona A

Andriamanitra tsy tia ratsy fa ny olombelona no be siasia

evanjely.jpg

Manomboka ity fotoana fiomanana amin'ny Paka ity isika. Efa nosantarina tamin'ny fanosorana lavenona moa izany, izay mariky ny fo mivalo sy vonona hibebaka araka ny Litorjian'ny Fiangonana.

Amin'ity Alahady I ity dia ambaran'i Matio amintsika ny lalana efa nosantaran'i Jesoa, nentin'ny Fanahy tany an'efitra mba halain'ny demony fanahy (Evanjely : Mt 4, 1-11). Nahoana i Jesoa no nanaiky halaina fanahy? [1]

Araka ny fankalazana ny Tenin'Andriamanitra anio dia nalain'ny demony fanahy koa ireo razam-bentsika, ireo raiamandrenibe voalohany noharian'Andriamanitra, ka nanota (Jen 2, 7-9; 3, 1-7). Amin'ny tenin'ny bibilava dia azontsika havoitra sahady ireo fakam-panahy telo nosedrain'ilay Adama vaovao ka nivoahany ho mpandresy : "aza mihinana amin'izany (hanina), ary aza mikasika azy akory (fifandraisana), fandrao maty ianareo (fahefana)." Moa ve tsy tandindon'ny vato hovana ho mofo, ny fitokisana amin'ny maha-zanak'Andriamanitra ary ny fanapara-pahefana!

 

Ireo zavatra telo ireo no amondronan'ny Tenin'Andriamanitra ny fakam-panahy sedraintsika eo amin'ny fiainana : ny sakafo sy ny fivelomana, ny fifandraisana amin'ny hafa ary ny maha-izy azy ny tena [2].

Samy revon'ny fitadiavana isika rehetra, na ho an'ny anio, na ho amin'ny fitsinjovana ny vodiandro ho merika sy ny ho avin'ny taranaka : ambaran'i Jesoa ary tiany ho tsaroantsika hatrany anefa fa "tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona fa ny Teny rehetra aloakan'ny vavan'Andriamanitra". Inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao izy nefa very ny fanahiny (Mk 8, 36)? Tsy azo adinoina ary fa ny fanahy no olona, ny fanahy no maha-olona.

Samy te-hikolokolo ny fifandraisana sy ny tombontsoan'ny tena eo amin'ny fiaraha-monina avy isika rehetra. Samy manana ny olon-tiany sy lalainy, ka te-higoka ny hasambaran'izany fifankatiavana izany. Dia tsy sasatra i jesoa mamerina amintsika ny fampianaran'YHWH : "Saro-piaro ny Tompo Andriamanitrao ka aza maka fanahy Azy" (Dt 6, 16). Sao-piaro amin'ny maha-zanany antsika Andriamanitra, ka tsy tokony hatao am-baninjavatra ny maha-mpiray tam-po antsika ao amin'i Kristy, sy ny fitondrantsika tena amin'izany maha-zanak'Andriamanitra antsika izany.

Tsy zoviana amintsika ny adilahy politika handrombahana fahefana (na an-drariny na tsia) sy hanamparana fahefana! Na isika koa aza mba te-hampanjaka ny hevitsika, te-haneho ny maha-isika antsika, saingy miafara amin'ny ady sy fifandirana mandrakariva izany raha tsy misy ny marimaritra hiraisana. Ambaran'i Jesoa amintsika anefa ny mba "hahatsiarovantsika mandrakariva fa raha tsy Izy tsy mahefa na inona na inona isika" (Jn 15, 5), "tandremo sao manadino azy izay namoaka anao tamin'ny tanin'ny fanandevozana, ny Tompo Andriamanitrao irery ihany no ivavahanao, izy no tompoinao" (Dt 6,12-13). [3]

Dia izany no hanafatrafaran'i Paoly antsika mba hahatsapa ny fahasoavana tovozin-tsy ritra ao amin'ilay Adama Vaovao, dia i Kristy izay handraisan'ny olona rehetra bebe kokoa ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fanomezana (Rm 5, 12-19).

Ndeha ary hiezaka mandritra ity herinandro voalohan'ny Karemy ity, handinika ireo soa sesehena noraisintsika avy amin'Andriamanitra, ka hitomboan'ny fahalalana ny harena miafina ao amin'i Kristy ka hampiasantsika ny vokatr'izany amin'ny toe-piainana mendrika.



[1] Azonao jerena eto ny resaka fakam-panahy amin'ny taona D (Lk 4)

[2] Araka ny fandinihan'ireo mpandalina manokana momba ny fivoarana sy ny fahamatoran'ny maha-olona (jereo ohatra ny an'i Abraham Maslow) dia ireo sehatra telo ireo no hifotoran'ny fahamatorana : ny filàna fototra ara-pivelomana (sakafo sy fahasalamana), ny fifandraisana amin'ny hafa (relation et socialisation) ary ny fandavorariana ny tena (ny maha-izy azy ny tena). Araka ny fikarohana dia tsy afaka mandalo amin'ny dingana manaraka raha tsy matotra amin'ny dingana lalovana…

[3] Azo jerena koa ny momba ny fakam-panahy sy ny fiainan'ireo miezaka hiaina ny toro-hevitry ny vaovao Mahafaly : ny voady telo (jereo ity raha tianao halalinina, en français)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0959