Alahady fahefatra Fiavian'ny Tompo Taona B

Ny hevitr’Andriamanitra
tsy hevitsika.

 

 

”Mifalia ianao, ry Maria,ry ilay heniky ny hasoavana, ao aminao ny Tompo”. Ny fiarahaban’ny anjely an’i Masina Maria izay manjary fivavahana fanaontsika matetika no vakiana amin’ny evanjely anio (Lk 1, 26-38). Hafaliana hafa noho izay nolazaintsika tamin’ny alahady Gaudete anefa, satria tsy fifaliana miantefa amin’ny sarambabem-bahoaka fa miantefa amin’ny isam-batan’olona. Ankoatra izay, ilay Tompo efa akaiky dia indro fa ao anaty, monina ao amintsika, Emanoela![1]

Ny Labozia fahefatry ny Fiaviana, tandindona manambara ny hafenoam-pahazavana dia milaza fa akaiky ny fetin’ilay Fahazavana,[2] antomotra ny fankalazantsika ny Noely. I Davida, nahatsapa ilay Andriamanitra monina eo anivon’ny vahoakany, na dia tao afovoan’ny tranolay aza, dia naniry ny hanorina trano mendrika ny Fiaran’ny Fanekena, (2 Sam 7, 1-16) na dia tandindona ihany aza io. Hafa kosa anefa ny hevitr’Andriamanitra. Ny taranaka amam-parany no sitrak’Andriamanitra ho Tempoly hijoro mandrakizay eo anoloany, ka hanome voninahitra Azy mandrakizay (Vak II Rom 16, 25-27).

Ny hafenoan’ilay “Emanoela”, izany hoe ilay Andriamanitra nanaiky hiara-monina amin’ny vahoakany, dia tanteraka tamin’ny ENY navalin’i Masina Maria an’ilay “Herin’Andriamanitra” (Gabriely) niarahaba azy. Tonga iray ra sy iray aina amin’ny Virjiny ilay Teny nahariana izao tontolo izao. Tsy herin’olombelona hireharehana anefa izany fa fahasoavana sy sitraka avy amin’Andriamanitra, ho an’izay manaiky hiasan’ny Fanahiny.

Tanteraka ao amin’i Kristy ny fampanantenana nataony tamin’i Davida, dia ny hahamafy orina ny fanjakany mandrakizay, tsy araka ny fijerin’olombelona anefa fa araka ny hevitr’Andriamanitra. Ny finoana fa mahefa ny zava-drehetra Andriamanitra, na dia averimberintsika isan’alahady amin'ny Fiekem-pinoana aza, dia mazàna tsy maninteraka ny fiainantsika. Midika izany fa tsy zavatra azo hitompoan-teny ho fantatra ny finoana fa dingam-piainana mila hamafisina isan’andro isan’andro.

Moa ve tsy ny tahotra sy ny tebiteby no tena manesotra ny hafaliana sy ny fiadanam-po ao amintsika? Koa raha matoky isika fa mahefa ny zava-drehetra Andriamanitra, ary tia antsika Izy, tsapantsika ny Fitiavany! Nahoana no mbola matahotra sy mitaintaina amin’ny hoavy isika? Tsy ho sanatria anefa ho fanaovana antsirambina ny adidy aman’andraikitra ny finoana fa hain’Andriamanitra atao ny zava-drehetra… Izay te-honenan’Andriamanitra dia manaiky hovolavolain’ny fitiavany, ka hanitsy ny fomba fijery sy ny fomba fiaina araka izany.

Ny Komonio Masina no sitrak’i Kristy hanavaozantsika ny fitoerany ao am-pontsika. Ho hery vaovao hatrany ho antsika anie ny fandraisana azy ao am-pontsika, hahatonga nofo Azy ao amintsika , hahafahantsika milaza toa an’i Md Paoly hoe : “Tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko” (Ga 2, 20).

Tsy hohadinointsika ary fa mila mibebaka isika (labozia 1 volomparasy) mba handray ny finoana (labosia 2 mena), izany finoana izany dia zary loharanon-kafaliana (labozia 3 raozy) satria mamelona ny fanantenana fa ho avy ny Tompo, efa akaiky Izy. Ny hafaliana entintsika mandray Azy kosa (Labozia 4 fotsy) dia manova ny fiainantsika ho zary fahazavana, ho vavolombelona hanambara ny fitiavany amin’izany mifanerasera amintsika. Ho “Noely” tokoa no ankalazaintsika raha tsy noho ny haingo na ny revaka na ny hanim-pitoloha no hifaliantsika sy hiravoravoantsika amin’izao fety izao, fa noho ny antony iray ihany : “miara-monina amintsika Andriamanitra ary tsapantsika eo amin’ny fiainantsika izany”!



[1] Ny loharanon-kafaliako. Jereo eto

[2] Hiara-monina amintsika Andriamanitra (Taona A), ilay hazavana natao hanilo ny firenena (Noely 2007)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105