ALAHADY FAHATELO MANDAVANTAONA TAONA A


NY TAREHY RATSY NO TSY AZO OVANA
FA NY TOETRA RATSY AZO OVANA

Fibebahan'i Paoly

Eto am-pamaranana ny Herinandro hivavahana manokana ho an’ny firaisan’ny Mpino isika[1] dia mahatsapa ny hasarobidin’ny oha-piainana asehotsika mpino mba ho Apostolin’ny Fampihavanana. Ny 25 janoary[2]moa amin’ity Taonan’i Md Paoly ity, dia azo ankalazaina na dia alahady aza (jereo eto en français ny lalana hitsivolana), ary manampy antsika be dia be ihany koa handalina ny fanarahantsika dia an’i Kristy.

Ambaran’ny Valiteny I amintsika ny Fibebahan’ny tany Niniva, satria nino ny toritenin’i Jonasa izy ireo (Jonasy 3, 1-5.10). Mampametra-panontaniana ihany izany zava-nitranga izany satria mazàna heverintsika ho olana tsy hampibebaka ny olona ny fitondrantenan’ny mpitory… saingy fantatsika fa tsy te handeha ho any Niniva avy i Jonasa (jereo toko 2). Mamambara amintsika ny hasarobidin’ny vavaka izany, ka izay te hiteny momba an’Andriamanitra sy amin’ny anaran’Andriamanitra (hitondra ny hafany) dia mila miresaka aminy… eny fa na dia ny hakamoana sy ny fahalainana aza no anton-dresaka…

Ny Evanjely kosa indray mitantara ny niantsoan’i Jesoa ny Mpianany : ”Andeha hanaraka ahy fa ataoko mpanarato olona ianareo” (Mk 1, 14-20) taorian’ny nandehanany nivavaka efapolo andro sy efapolo alina tany an’efitra (and. 12-13). Fiantsoana tandindon’ny fiantsoana antsika tsirairay avy izany, satria lalana hamaliantsika ny Tompo amin’ny lalam-pahamasinana, amin’ny fibebahana sy ny finoana ny evanjely.

Izany famaliana ny antson’i Kristy izany anefa dia tsy ho matotra na oviana na oviana raha tsy mifanena amin’i Kristy sy mifanehatra aminy isika. Tsy izay ataontsika no inona, na izay mety ho fahadisoankevitra manosika antsika hanao mafifo velona hanohitra ny marina fa ny hitsi-po hikatsaka ny marina, ka eny amin’ny andavanandrom-piainantsika no hifanenantsika aminy, mety ho eo am-panjonoana tahaka ny Apostoly sasany, mety ho eo am-pamoriana hetra… fa mety ho eny an-dalana mankany Damasy koa tahaka an’i Paoly, (Asa 9) izany hoe : eny an-dalana haka am-patorana ho any Jerosalema ny Mpino an’i Kristy.

Tsy ho afaka ny hihaino ny bitsik’i Kristy ao anatin’ny tabataban’ny tontolo anefa isika raha toa ka ny zava-mandalo no iraiketan’ny fontsika. Izany no nanafaran’i Paoly ny Korintianina, ary ampitainy amintsika anio, mba hahatsiaro mandrakariva fa mandalo ny endrik’izao tontolo izao ka tsy ny fanambadiana (hafaliana) na ny halahelo na ny fananana no ho antom-pifaliana ho antsika (I Kor 7, 29-31) sy ho tadiavin’ny fontsika fa kosa ny lalan’ny Tompo izay atorony ny Mpanota, ny hatsarampony mandrakizay izay manome rariny ny osa ary ny famindram-pony izay iangaviantsika hanadino ny otan’ny fahatanorana (Sal 24).

Dia izay no fiandohan'ny fibebahana...



[2]Andro hahatsiarovana amin’ny ady atao amin’ny habokana ihany koa. Lazain’ny antotan’isa fa maherin’ny 700 isan’andro no tratran’ny habokana ary tahaka izay koa no ifindrany saingy tsy fantatra. Azo vakiana eto ny momba izany.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0917