Mampandini-tena
ihany ny Alahady anio, antsoina hoe Gaudete, izany hoe “Mifalia”, noho
ny tononkira fidirana manentana hifaly, satria akaiky ny Tompo. Isaky ny
Fankalazana ny Sorona Masina dia vakiana amintsika ny Evanjely : Vaovao
Mahafaly. Fa miteraka hafaliana ho antsika tokoa ve?
Ambaran’ny
Vakiteny I (Iz
61, 1-11) fa ny “teny soa mahafaly” (Evanjely) dia ho an’ny mahantra, ny
torotoro fo, ny babo, ny ao an-tranomaizina… Angamba aho tsy mba anisan’ireo,
hany ka tsy mahita ny famonjena sy ny fanafahana avy amin’Andriamanitra. Raha tahaka
ampitsimohan’ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy ary no ampanirian’ny Tompo
Andriamanitra ny fahamarinana sy ny Fiderana, eo anatrehan’ny firenena rehetra,
dia mazàva loatra fa ny olon’afaka ihany no afaka migòka ny fahamarinana sy
afa-manadratra fiderana.
Tsy
fahafahana araka ny heverin’ny sasany anefa izany,
ka hihevitra ny hanao izay mahafinaritra ny fo sy hironan’ny saina…
Andevon’izay mamatotra antsika isika, tsy voatery ho ny lalàna apetraky ny hafa
ihany no hamatotra, fa ao ny fahazarana, na ny ratsy na ny tsy heverina ho
ratsy intsony satria mahazatra kanefa manakana antsika tsy hivelatra sy
hahavita izay tokony hatao.
Ireny
fahababoaba ireny, raha jerentsika amin’ny masom-pinoana dia mahatorotoro fo,
ka tsy ho fahazarana no hamerimberenantsika hoe : “Tompo o, tsy mendrika ny
hidiranao ato amiko aho, fa manonòna teny iray, dia ho afaka aho” fa ho
vokatry ny fo tokoa, ka hanjary Vaovao Mahafaly ny Fiombonan’aina amin’i Kristy
amin’ny Komonio Masina.
Izay
no hahafahantsika, hatramin’ny hariva (Vêpres), hanandratra ny antsam-piderana
(Magnificat) niloatra avy ao am-pon’i Masina Maria, izay noventesintsika ho
setrin’ny vakiteny teo (Lk
1, 46-54) satria nanao zava-dehibe ho antsika ilay Mahefa, ilay antsoina
hoe : Masina.
Ny
Fifaliana lavorary anefa dia tsy afa-misaraka amin’ny fisaorana sy ny vavaka
(Vak II 1Tes 5, 16-24) satria hafaliana tsy vokatry ny ezaky ny samirery na
sanatria hafaliana miserana noh ny fahombiazana azo hieboeboana. Noho izy
hafaliana vokatry ny fahafahana, azo avy amin’ny Famonjen’ilay Mahefa sy Masina
dia mapisaotra lalandava. Ary satria mahatsapa isika fa raha tsy Izy (YHWH) dia
tsy mahefa na inona na inona (Jn 15, 5) ka izay no
hampipololotra ny vavaka mba tsy hialan’ny Tanany Mahery hiaro antsika.
Ny
Fitokisana ilay niantso antsika, ilay tsy mivadika (Vak II) dia
manampy antsika hifady na dia izay mitarehin-javatra ratsy fotsiny aza.
Akaiky antsika mandrakariva Izy, na dia mazàna aza isika no manalavitra Azy!
Izay no hahatsiarovantsika ny adidy miandry antsika, hialoha lalana ny Mesia,
hiandry ny Fiaviany, hanomana ny Noely, ka hahatsiarovantsika mandrakariva fa
“tsy isika no Kristy”, miasa ho Azy isika ka hosanatriavina ny fietsika
amam-pitondrantenantsika hanakana ny hafa handray ny Hazavana avy aminy! Tokony
ho “Feo miantso mafy any an’efitra” ny fiainantsika (Evanjely Jn 1, 6-28) ho fambara
hanitikitika ny feon’ny fieritreretana mba hanitsy ny lalan’ny Tompo.
Tsy
ho ela dia ho tonga ny Noely, koa hiezahantsika mba tsy ho hafaliana mandalo sy
manodoka no hiomanantsika fa hafaliana maharitra marina tokoa… Mampandinika ity
tenin’ny Pretra iray ity hoe : “Raha tsy fointsika homena ny mahantra ny vola
mety ho lanintsika amin’ny fanamboarana ny tranon’omby sy ny fanaingoana ny
trano fiangonana, Noely inona no tiantsika hankalazaina? Hanampy antsika hahita
an’i Kristy ao amin’ilay zaza teraka anatin’ny hatsiakan’ny lavabato ve izany?”
Asa re! Asa raha mba ho fantatsika ilay anankiray eo afovoantsika!