ALAHADY FAHAROA FIAVIANA TAONA B

 

AMBOARY NY LALAN’NY TOMPO

Toy ny afo ny finoana, labozia tsy mirehitra tsy afa-mampirehitra ny hafa

 

Fiandohan’ny Evanjelin’i Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra.[1] (Mk 1, 1-8) Izay novakiana amintsika androany no nanombohan’i Marka ny fitantarana ny Vaovao Mahafaly. Raha isika, amin’ny faritra misy antsika sy ho an’ny olona manodidina antsika no hanomboka hanoratra Evanjely, inona no hanombohantsika azy?

Eto amin’ny Paroasy iangonanay dia manampy tokoa ireo famantarana nampiiasaina mba hiainana ny misterin’ny fihaviana. Anisan’izany ny Couronne de l’Avent, ireo labozia efatra ampirehetina tsirairay isaky ny alahadin’ny fihaviana. Samihafa ny lokon’ireo labozia : volomparasy, mena, raozy ary fotsy… Loko tsy nofidiana hampahafinaritra ny mamso anefa fa manambara ny fizotry ny fiainana eo am-piandrasana ilay efa eo anivontsika, Emanoela.

Ny volomparasy, lokon’ny fanamian’ny mpisorona mandritra ny Fiaviana dia manambara ny fibebahana, izay ambaran’ny Salamo 84[2] fa vokatry ny fahamarinana mitrebona an-tany sy ny rariny mitranga eny an-danitra, fihaonan’ny fitiavana sy fahamarinana, fitambaran’ny rariny sy ny fiadanana… Mamokatra tokoa manko ny tanintsika rehefa manome orana izy Tompo, satria miaina am-pahamarinana eo anatrehany isika. Fibebahana vokatry ny fiekena heloka izany, hoy i Marka, ka ambaran’ny Batemin’i Joany (Evanjely), ilay feo miantso  antsika hanamboatra lalana ho azy Tompo. Tsy mitsahatra mirehitra io labozia volomparasy io, ary avy aminy no angalana ny afo handrehetana ny labozia manaraka : ilay batemy amin’ny Fanahy Masina.

Ny loko mena araka izany dia manambara ny Fanahy, ilay Finoana miorina amin’ny fibebahana marina. Tsy mionona amin’ny fandavana an’i satana ny foto-pinoana kristiana nanaovana Batemy antsika fa miorina amin’ny finoana an’ilay Andriamanitra tokana Olona telo, dia ny Misterin’Andriamanitra Fitiavana, ny Trinite Masina. Izany finoana izany no manome hery antsika hanamasina ny fitondran-tena sy hanamafy ny fitiavam-bavaka, ka hanao izay tratry ny aina mba tsy hanan-tsiny amam-pondro ary hiavana tsara (Vak II 2 Pi 3, 8-14).

Avy amin’ny Finoana no hipoiran’ny hafaliana (alahady Gaudete : loko raozy) ka hanehoana amin’ny fiainana ny hamamin’ny miombona amin’ny Tompo, amin’ny oha-pitondrantena tsara… (loko fotsy).

Ny vavaka aorian’ny Komonio dia mampahatsiaro antsika fa na eo aza ny fahasahiranana ateraky ny tsy fahampiana sy ny fiatrehana ny fiainana dia tsy tokony hohadinointsika ny hikaroka ny haren’ny lanitra sy hiraiki-po amin’izay maharitra mandrakizay.

Tsy hohadinointsika ary fa mizotra ho any Betlehema ny diantsika, hitsena ilay Kristy  nanaiky hitovy amin’ny zava-boahary, Izy ilay teny nahariana ny tontolo. Aza adinoina fa ny fahamatoran’ny finoana an’i Jesoa ho Kristy dia izay nolazain’i Piera manoloana ny fahatafintohinan’ny Jody amin’ny Misterin’ilay Teny tonga nofo zary mofo ho sakafo mahavelona, (Mk 8, 29//Jn 6, 68-69)ary ny fiekena ny maha-Andriamanitra Azy dia izay nolazain’ilay tomponjato eo anatrehan’ny hazofijaliana (Mk 15, 39).



[1] Efa  noresahantsika teto tamin’ny alahady 1 Fiaviana. Jereo ny tohiny [2] Ny hoe bWv (shoub) izay entina ilazana ny babo miverina an-tanindrazana (Sal 84, 2), dia manambara ny ezaky ny olona hanatona an’Andriamanitra fa indrindra ny halehibeazan’ny famindram-po manarona ny heloka (and. 2 sns).

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01