Alahady faharoa aorian'ny Noely

I Kristy no nanambara an’Andriamanitra Ray

 

 

Madagasikara : Epifania

Mbola ao anatin’ny vanimpotoanan’ny Noely isika izao ary somebisebin’ny fety sy ny haravoana isan-karazany. Indraindray toa satry hanao fety mba hanadinoana ny vesatry ny fiainana andavan’andro. Saingy ny tena fety dia tsy fanadinoana ny halahelo fa vokatry ny hafaliana. Tsy adinontsika ny hafatry ny Papa tamin’ny fiarahabana ny noely hoe : “afaka manomana fety isika, saingy ny hafaliana tena marina tsy avy amin’ny fety fa fanomezan’ny Fanahy”.

Ny Vakiteny atolotra ho fiainantsika dia manohy ny fandalinana ny misterin’ilay Teny tonga nofo ka miara-monina amintsika. Ilay Fahendrena toa midoka tena ambaran’ny Zanak’i Siraka (Ekl 24, 1-12) dia nanaiky honina ny tanin’ny Vahoaka manaiky an’Andriamanitra ho Tompony. Asehony amintsika fa ny voninahitra (Kavhod) dia asa fa tsy kabary. Izy no manao tsara hidy ny vavahady, mba hiarovany ny vahoakany sy hanomezany ny olon-drehetra ny fiadanana, satria mahefa ny zava-drehetra ny Teniny (Sal 147).

Io Teny io no nahariana ny zavatra rehetra, hoy i Md Joany (Jn 1, 1-18). Ary izany fahariana izany no hazavana zary fiainana ho antsika. Traikefa ananatsika rehetra fa ny hazavana no mandresy ny haizina. Ny jiro no enti-manilo ny alina. Saingy indraindray adino fa amin’ny ara-panahy, dia i Kristy no hazavana manilo antsika. Tsy voatery handray ny hazavana ny haizina hoy i Md Joany, saingy izay mandray kosa dia mandova ny fiainana, satria nahazo alalana (fahazoana) ho tonga zanak’Andriamanitra.

Ny fandraisantsika amin’i Kristy iombonantsika aina aminy araka izany no maha-zanak’Andriamanitra antsika, izany no ankalazaintsika amin’ny Batemy[1] sakramenta mampiditra antsika ho isan’ny ratsam-batan’ny Fiangonana manana an’i Kristy ho Filoha. Raha fetin’ilay Emanoela, Andriamanitra miara-monina amintsika, ny Noely, dia ho tsapantsika fa ilay Andriamanitra tsy hita maso no eo anivontsika, tsy sanatria araka ny mety ho fahadisoam-piheverana fa kosa araka izay nambaran’ilay Zanaka, ilay nizaka ny rofintsika, ka tsy hahafahantsika miala tsiny intsony amin’ny mety tsy ho fahafahana hanamasin-tena satria mafy loatra ny adim-piainana...

Voaantso mba ho masina sy tsy hanantsiny eo anatrehany manko isika (Efes 1, 3-18) kanefa na dia heniky ny tso-drano rehetra ara-panahy aza, sy nahazo ny fanavotana tamin’ny rany dia mahatsapa fa tsy mora ny mandray ny hazavana, tsy mora ny manaiky hahita izay miafina!!! Mahafinaritra antsika ny mandredona ny hira : Miantso anao izahay ry Tompo... fa matahotra izahay sao... Izay tebiteby izany no iainantsika, ka indraindray zary vatomisakana ny fanapahankevitra tanteraka hanamasin-tena.

Angataho ary ny Fanahiny , hampiharihary tsara ny masom-panahintsika mba hahalala ny fanantenana niantsoana antsika sy ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olomasina (Efez 1, 18), ka ny fahasahiranan’ny fivelomana sy ny hamafin’ny asa amana-draikitra ho zary hazavana, satria zakaintsika am-pitiavana mba hananan’izao tontolo izao ny Fiainana, dia i Kristy.



[1]Halalinina amin’ny fotoana hamaranana ny vanim-potoanan’ny Noely : Batemin’ny Tompo (Alahady heriny)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0909