Alahady faha-fito mandavantaona Taona B


Tokony hatao ny sitrak’Andriamanitra.

Taorian’ny fanasitranana ilay boka (alahady faha-6) dia ny fanasitranana ilay lehilahy malemy indray kosa no tantarain’ny Evanjely amintsika (Mk 2, 1-12). Samy anasitranana ireo saingy hitantsika mazava ny fahasamihafan’ny fomba nentina nanatona an’i Jesoa. Ilay boka dia nanatona antsitra-po Azy ka nangataka fa “raha sitrany dia hainy ny manasitrana azy”. Ilay malemy lazain’ny Evanjely amintsika anio kosa dia nolanjain’ny olona efa-dahy. Nahita ny finoan’izy ireo i Jesoa ka “namela heloka” ilay malemy (and. 5).

Akory ny halalin’izany fampianarana izany, hanome hery antsika amin’ny vavaka hifanolorantsika, ao anatin’ny Fiombonan’ny olomasina ventesintsika lalandava amin’ny fiekem-pinoana, ka ny fitalahoana atao am-pinoana hitondrana eo anatrehan’i Jesoa ny halemen’ny hafa, dia hahazoana famelan-keloka. Moa tsy izany ve no ho vimiaina hitondrantsika ny fiainam-pirenentsika, izay oharina ho toy ny lehilahy malemy, eo anatrehan’i Jesoa, amin’ny vavaka mipololoitra avy amin’ny fontsika?

Zary hery ho antsika mpanara-dia Azy izany, satria mahatonga antsika ho mpiarahalahy mianala, hifampatoky amin’ny vavaka hifanolorana, ary samy mahatsapa ny hasarobidin’ny adidy hiantsorohana : ny filanjàna ho eo anatrehan’i Jesoa ny rahalahy malemy… na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, eny fa na dia hanesorana tafotrano aza.

Izay voavela heloka kosa, tsy ho menatra ny haneho ny finoany, ka haiky an’i Kristy; tsy ho menatra ny hibata ny fandriana ka hody any an-trano (and. 11). Manambara ny hevitry ny fibebahana marina sy ny famelan-keloka tanteraka izany : izay voavela heloka tsy akory afaka ny hanadino ny lasana, saingy kosa matoky ilay herim-panafahana hahafahana miverina any an-trano. Ny fahatsiarovana ny fahalemena (fandriana natoriana) araka izany dia zary vavolombelona hanehoana ilay Herim-panafahana sy ny halehibeazan’ny famindram-po noraisina.

Ahoana tokoa moa no fanadino ny lasa sy tsy hihevitra ny zavatra taloha? (Vakiteny I Iz 43, 18-25) Mazava loatra, amin’ny fiantohana amin’ny zavatra vaovao hataon’ny Tompo ka hitory fiderana azy. Manambara amintsika izany fa ny tena fibebahana dia tsy hoe famafana ny lasa ihany tsy akory fa fifantohana amin’ny ho avy : hibeda ny fandriana ka handeha hody. Izany no anentanan’i Md Paoly hoe : “Aza mety ho resin'ny ratsy, fa reseo amin'ny soa ny ratsy” (Rm 12, 21).

Isika tsirairay koa no antsoina hizaka ny halemen’ny hafa, hanao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra hitondra ny halemena eo anatrehan’i Jesoa. Ampahatsiahivin’ny salamo amintsika ny fahasambaran’ny mpihay ny mahantra sy ny ory (Sal 40, 2-14). Mampandini-tena ihany izany amin’izao ankatroky ny fanombohana ny Karemy izao, manoloana ny toe-java-misy eo amin’ny Firenena sy ny fiaraha-monina, satria toa zary enta-mavesatra ankeihtriny ny marary sy ny mahantra mbamin’ny osa. Toa adinontsika fa nanaiky ho tonga toa azy ireny i Kristy, mba hitiavantsika Azy ao amin’izy ireny.

Izy rahateo no naneho amintsika ny tena fitiavana, amin’ny nanaovany “eny” mandrakariva mba ho voninahitr’Andriamanitra (2 Kor 1, 18-22) ka mampisy heviny ny fiainantsika, na anatin’ny fijaliana aza, satria efa nohazavain’ilay Finoana an’i Kristy ilay manam-pahefana hamela heloka ka maniraka antsika koa hizotra an-kafaliana ho any an-tranon’ilay Ray iombonana.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0959