Alahady faha-efatra fankalazana ny Paka Taona A

I Jesoa no Varavaran'ny Fiainana
Alahadin'ny Mpiandry Ondry tsara
Mpiandry ondry tsara

 

Nandritra ny herinandro fahatelo fankalazana ny Paka no namakiana ny toko faha-6 manontolon'i Joany nampianaran'i Jesoa antsika ilay Mofo avy any an-danitra, antoky ny fiainana mandrakizay ho an'izay mihinana azy.

Amin'ity alahady ity kosa no ankalazantsika ny Alahadin'ny Mpiandry ondry tsara[1]. I Jesoa no varavaran'ny fiainana, "tonga mba hananan'ny ondry ny Fiainana, sady hananany azy amin'ny hafenoany" (Evanjely).

Hatramin'ny taona 1964 dia natokan'ny Papa Paoly VI hivavahana manokana momba ny fiantsoan'Andriamanitra ny andro anio. Amin'izany fivavahana izany anefa dia mazàna voafetra ihany ho an'ny Fivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra ho Pretra sy Relijiozy. Tsy omena tsiny loatra izany famerana izany satria araka ny nolazaintsika tamin'ny alahady faharoa dia natao handinihana ny sakramentan'ny Filaharana ity alahady ity.

Amin'ilay vavaka ataontsika ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra anefa [2] dia fangatahana "mpiasa" ho an'ny Fiangonana no ataontsika : pretra masina, relijiozy mahafoy tena, apostoly lahika vonton'ny fitiava-namana, adidintsika ny "mangataka ny tompom-bokatra haniraka mpiasa ho an'ny sahany.

Ankoatra ny hafatra manokana ho an'ny andro androany[3] dia mbola averimberin'ny Papa fa ny Fiantsoan'Andriamanitra (Vocation) dia ny fikarohana sy ny fanamafisana ny sitrapon'Andriamanitra (Projet de Dieu) eo amin'ny fiainan'ny tsirairay. Ny tsirairay izany no mamaly izay mety ho vitany hanitarana ny Fanjakan'Andriamanitra, handavorary ny Iraka nahatongavan'i Kristy, ka nankininy amin'ny Mpianany : "mba hananan'ny ondry ny fiainana mandrakizay".

Izany indray no alalinintsika amin'ity herinandro faha-efatra ity, amin'ny famakiana ny toko 10-13 n'ny evanjely nosoratan'i Md Joany : ny fihainoana ny tenin'i Kristy sy fitandremana azy. Tsy mora ny hiaino ny teniny ao anatin'ny tabataban'ny tontolo manodidina antsika. Mba vakio moa ilay vavaka (antsa) alohan'ny hatory mahalasa saina ny maro sy heverina ho rediredy ihany!

Ny Tenin'Andriamanitra dia tokony hanako ao am-pontsika ka hahatonga antsika koa hametraka fanontaniana hoe "Inona ary no tokony hataonay?" (vakiteny I)

Tsotra ny valin-tenin'i Piera : "Mba ho faty isika raha ny amin'ny ota, ka ho velona kosa amin'ny fahamarinana" (vakiteny II). Tsy herintsika irery ihany anefa izany, fa noho i Kristy nitondra ny fahotantsika tamin'ny tenany teo ambony hazofijaliana.

Ny fahatsapana izany fitiavana izany, ny fitokisana fa ilay Mpiandry mahatoky, eny fa na dia mamakivaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana azy! (Salamo setriny) dia manafaka ny tahotra noho ny tsora-kazo aman-tehina.[4] Izany no nolazaintsika tamin'ny heriny hoe : entin'Andriamanitra hahasoa izay tia azy ny zavatra rehetra (Rom 8, 28).

Ndeha ary samy hametraka ka hamaly ny fanontaniana naha-lasa olomasin-dehibe an'i Terezy kely : "Eo anivon'ny Fiangonana Reniko : inona mo mety ho anjara toerako? Amin'ny inona no iantsoan'Andriamanitra ahy?"



[1] Jereo eto ny hafatra ho an'ny ondry sy ho an'ny Mpiandry ondry

[2] Sergio Sorgon, Karma. Vavaka ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra

[3] Jereo eto

[4] Shebet (tsorakazo) sy mish'enah (tehina) dia mazava loatra, ny iray hivelesana ny ondry, ny iray hivelesana ny fahavalo mitady handroba ny ondry (amboadia hoy ny evanjely). Izay tian'ny Tompo manko no faiziny! Maharary ihany ny kapoky ny tsora-kazo izay e!


Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0742