Alahady faha-dimy fankalazana ny Paka Taona A

I Kristy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana

Ny fivavahana manokana ho an'ny fiantsoan'Andriamanitra ataontsika dia mba hahatsapan'ireo voaantso ny maha-zava-dehibe ny fampielezana ny Tenin'Andriamanitra. Tsapan'ireo Mpianatra hatrany am-piandohana manko fa "tsy mety raha ilaozana mitandrina ny sakafo ny fampianarana ny Tenin'Andriamanitra" (Asa, 6, 1-7). Tsy sanatria anefa hanadinoana ny fitsinjovana ny mahantra izany fa kosa mba hisian'ny fifampizarana amin'ny andraikitra sahanina, ary tsy azontsika hadinoina fa i Etiena, iray tamin'ny Fito lahy voatokana dia maty mariry noho ny fitorian-teny (Asa 7)

Ao anatin'ny vanimpotoana Mystagogique dia manisy tsindrim-peo manokana amin'izay fitsinjovana ny osa izay ny fampianarana sy ny Tenin'Andriamanitra. Momba ny sakramentan'ny Marary manokana izay tsy dia hita loatra ao amin'ny Vakiteny Masina dia nohezahana nazavaina tsotsotra eto.

Ao amin'ny vakiteny anio kosa, dia ny maha-Mpisorona, Mpanjaka ary Mpaminany antsika no avohitr'i Md Piera ao amin'ny taratasy nosoratany (1Pi 2, 4-9). Tsy hoe fahamboniana hiainana samirery anefa fa amin'ny maha-vahoaka voafidy (taranaka), firenena masina, hanamafisana indrindra ny firaisam-po tokony hanana'izay mino, araka ny hafatr'i Kristy hoe : "Ny hahalalan'ny olona fa mpianatro ianareo dia ianareo mifankatia" (Jn 13, 35).

Izany finoana izany anefa dia tsy mametraka antsika hipetra-petraka fotsiny : voaantso hitory ny hatsaran'ilay niantso antsika hiala tamin'ny haizina ho amin'nny fahazavany mahagaga isika, hoy i Md Piera, ary izay mino marina dia hanao ny asa ataon'i Kristy (Jn 14, 1-12).

Inona moa izany asa izany? Tsy maintsy ho tonga Lalana sy fahamarinana ary fiainana koa isika araka izany : ho zary lalana satria Mpisorona isika, ka hialoha lalana izay rehetra atontsika amin'ny vavaka, hanomana ny fon'ny olona handray an'i Kristy amin'ny fitalahoana ny fahasoavany;

Ho Fahamarinana isika satria Mpaminany, voaantso hitory ny Tenin'Andriamanitra, eny fa na dia eo anatrehan'ny sarotra tahaka an-dry Etiena aza, ary hanambara ny marina na dia mety hahasingo-tena aza;

ho fiainana isika, satria Mpanjaka hitandro ny fiadanana sy ny fifankatiavana, ka hahatsapan'ny olona fa ny ny tena Fiainana dia ny mahalala sy mitia an'Andriamanitra (Evanjely alahady VII, Jn 17).

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102