Alahady faha-9 Mandavantaona Taona A

Ny Fitiavana entanin'ny Finoana no maha-mpianatr'i Kristy

voromailala.jpg

 

Vita ny Fankalazana ny Paka sy ireo fety nifanarakaraka mifamatotra amin'izany dia miverina amin'ny andavanandron'ny Paka isan-kerinandro isika. Mitohy ihany koa ny famakiana ny Evanjely nosoratan'i Matio[1]. "Katsaho aloha ny Fanjakan'ny Lanitra sy ny Fahamarinany, dia homena anareo ho fanampiny ny sisa rehetra" (Mt 6, 24-34). Izay fikatsahana ny Fanjakan'Andriamanitra izay no maha-Mpianatr'i Kristy. Tokony hampametra-panontaniana ihany anefa ny filazan'i Jesoa ho tsy mahafantatra akory ireo ho nilaza nanao soa, nandroaka demony, naminany tamin'ny Anarany! (Evanjely)

Mety ho lasa fitaovana hikatsahana tombotsoa manokana tokoa manko ny Anaran'i Kristy. Ny Mpianany dia mila mandini-tena mandrakariva ny antony maha-Kristianina azy. Nahoana isika no mandray anjara amin'ny fiainam-piangonana? Sao dia noho ny tombon-tsoa manokana, na sanatria noho ny tahotra na ny henatr'olona fotsiny, na sanatria koa noho ny filan-dera amam-boninahitra?

Tokony ho am-pinoana ary no hanaovantsika izay rehetra ataontsika, ho fikatsahana marina tokoa ny sitrapon'ilay Ray any an-danitra. Izay no mahatonga an'i Md Paoly hilaza fa "tsy ny asa andidian'ny Lalàna no hanamarinana ny olona, fa ny Finoana an'i Jesoa Kristy" (Vakiteny II). Ny Lalàna hoy i Paoly manameloka ka mitarika fahatezerana (Rm 4, 15) fa ny finoana no hahazoana ny Fampanantenana.

Tsy midika izany fa zavatra mandeha ho azy ny Finoana. Ny Vakiteny I dia manambara amintsika izany finoana izany : Fanomezana apetrak'Andriamanitra eo anoloantsika, tso-drano arotsany ao am-pontsika saingy hiandrasany kosa ny fankatoavana avy amintsika. Izany fanohàvana izany dia manambara ny safidy izay ataontsika mba tsy hanompoantsika andriamanitra tsy fantatra.

Nahoana ary, manoloana izany safidy apetrak'Andriamanitra izany no safidiantsika ho setriny ny Salamo 30 izay salamo fangataham-bonjy? Satria mahatsapa isika fa tsinontsinona ary raha ny herintsika irery dia tsy hahatàna ny teny nomena akory aza. Izy Tompo ihany no manampy antsika ho mari-pototra amin'ny Finoana. "Raha tsy Izy, tsy mahefa na inona na inona isika" (Jn 15, 5).

I Kristy izay maty ho sorom-pifonana ho antsika no namela ohatra ho antsika amin'ny fanatanterahana ny sitrapon'ny Ray. Alao hery ary, hianatra Azy, satria ny fitiavana entanin'ny Finoana no maha-Mpianatr'i Kristy. Zomà[2] lasa teo dia nankalaza ny Fetin'ny Fo Masin'i Jesoa isika. Tsy hohadinointsika io Loharanom-pahasoavana sy famelan-keloka io, izay maneho ny Fitiavan'Andriamanitra antsika mpanota, izay voaantso koa halemy fanahy sy hanetry tena ao am-po tahaka Azy.



[1] Ny alahady faha-8 dia azo jerena eto satria manampy antsika hiaina bebe kokoa izay nankalazaintsika androany.

[2] Vakio indrindra indrindra ilay amin'ny tohiny : ricordare avy amin'ny fo (cardis)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112