Ny Fiainana mandrakizay
dia ny mahalala an'Andriamanitra.
Ao anatin'ny hasivianandro hivavahana manokana hangatahana ny Fanahy Masina isika izao, araka ny ohatra navelan'ireo Apostoly niaraka amin'i Masina Maria sy ny Vehivavy sasany (Vakiteny I), araka ny nanafaran'i Jesoa azy ireo (Asa 1,4). Zava-dehibe tokoa izany Vavaka izany satria ny Fanahy Masina no mampitsiry sy mamelona ny Fiangonana, manafana ny fontsika ho tonga Vavolombelon'ny Fitsanganan'i Jesoa ho velona.
Tsy azo adinoina anefa fa ny fototr'izany rehetra izany dia ny faniriana ny lanitra. Mbola amafisin'ny salamo setriny ihany koa moa izany : "fangatahana tsy mahasasatra ahy, ka ataoko aminao ry tompo : ny honina ao an-tranonao, amin'ny andro rehetra hiainako" (Sal 26). Ambaran'i Jesoa amintsika amin'ilay Vavaka nataony ho an'ny Firaisan'izay rehetra mino Azy (Jn 17) anefa fa "ny Fiainana mandrakizay, dia ny mahalala ny Ray, hany Andriamanitra marina, sy i Jesoa Kristy ilay nirahiny" (and.3).
Ny lalana mankany an-danitra araka izany dia ny fiezahana hahafantatra marina tokoa izay inoantsika! Izany no ilana fitandremana rehefa miteny isika hoe : "Andriamanitra iray ihany no hivavahana!" [1] Tsy fanivahivana ny finoan'ny hafa tsy akory ny fandalinana mety azo hifampifanatrehana, ary tsy fanaovana tsinotsinona ny "fahamarinana" ny fanindrahindrana ny "fahafahana". Ny tsirairay dia mahatsapa fa isan'andro no hanavaozantsika ny finoana an'Andriamanitra, ny zava-mitranga no manampy antsika handalina ny tena endrik'ilay Andriamanitra inoantsika, mba tsy hijanonana amin'ny mety ho fanompoan-tsampy vokatry ny fitiavan-tena.
Izay no mahatonga an'i Md Piera milaza fa raha noho ny amin'ny maha-kristianina no hijaliana dia tsy tokony hisy hahamenatra (vak II), fa raha noho ny fahotana kosa, dia hanampy antsika hibebaka. Ny Tenin'Andriamanitra, hazavain'ny Lovam-panahy (traditio) dia manampy antsika hanadio ny foto-pisainana ateraky ny fireha-kevitry ny tontolo manodidina sy ny fitiavan-tena vokatry ny fahotana. Tsy tokony hihanona amin'ny tsianjerin'ny Katesizy araka izany ny fahalalantsika an'Andriamanitra, raha tsy izany dia tsy hino azy intsony isika, rehefa tojo ny manahirana ka hilaza hoe: "Fitiavana ve Izy dia hamela ahy hijaly, hamela ny tsy manantsiny hampijaliana!", fanontaniana izay tsy napetratsika fony isika naheno voalohany izany fampianarana izany, ary naheno koa aza fa tsy isika ihany, na ny havantsika no avelany hijaly, fa ny Zanany lahitokana "mba ho solo heloka ho antsika [2]". Mila mametraka fanontaniana lalandava isika araka izany hoe : "Iza moa Andriamanitra ho ahy!"
Dia izany no mahatonga antsika hitalaho mandrakariva ny fitiavany, hangataka ny fanilovan'ny Fanahiny, satria io fanahy io ihany no hahafahantsika miantso azy hoe "Raintsika". Raha tsy ny Fanahy Masina, tsy ho tsapantsika ny maha-zanak'Andriamanitra antsika (Ga 4, 6/Rm 8, 15). Tsy manamaivana ny tolona hosedraintsika eto amin'izao tontolo izao anefa izany saingy mampahatsiaro antsika kosa fa "eo anivontsika mandrakariva i Kristy" araka ny fampanantenany (Mt 28, 20)
[1] relativisme manoloana ny pluralisme religieux, azo jerena ny fanambarana nataon'ny Congrégation
pour la Doctrine de la Foi, tamin'ny 3 desambra 2007 momba izany : jereo eto,
amin'ny §. 10
[2] Ho an'i Kristy, ny Fanomezam-boninahitra
ny Ray dia ny fanekena ho faty eo ambony hazon'ny fahafahambaraka! Ny
"Kabod" (ara-bakiteny midika ho vesatra na lanja izay adikan'ny grika
ho doksa =voninahitra) dia ny fahafahana manao zavatra iray, eny fa na
hiaretana ny mafy indrindra aza. Tsy misy manam-pitiavana lehibe (kabod) kokoa
noho izay mahafoy ny ainy ho an'ireo lazainy fa tiany. Tia antsika Andriamanitra
ka nahafoy ny ainy ho antsika, saingy isika indaindray mitady Andriamanitra
hanao ny sitra-pontsika fotsiny ihany, izany hoe te hanao "andriamanitra
kely" ny tenantsika.