Alahady faha-6 Mandavantaona Taona A

Sitrana ny boka!

Na inona na inona ataonareo dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany” (1 Kor 10, 31ss). Nambaran’i Jesoa tamintsika (Alahady faha-5B) fa ny asa fiantrana nataony dia mba hitoriany ny Fanjakan’Andriamanitra, na eo aza ny fitadiavan’ny olona rehetra Azy (Mk 1, 37) dia naleony handeha an-toeran-kafa mba hitoriany any koa. Tsy hoe familafilana hanamafisana ny filan’ny olona tsy akory fa mba hanehoany amintsika fa mila havaozina mandrakariva ny antony hitadiavantsika an’Andriamanitra, sao noho ny antony ara-nofo sy ny tombontsoa manokana ihany ka hanadino ny “fikatsahana ny fanjakan’Andriamanitra” (Mt 6, 33//Lk 12, 31).

Nambaran’ny Evanjely tamintsika ny oha-piainana nomen’i Jesoa antsika amin’ny fandravonantsika ny asa amam-bavaka : nivoaka ny sinagoga, nandeha namangy ny rafozan’i Piera nalamaky ny tazo, nandany ny andro hanompoana ny marary mandapaha-alina ny andro saingy nifoha vao alim-be mba hanohy ny fivavahana amin’ilay Ray (Alahady faha-5B).

Androany kosa, ambaran’ny Evanjely (Mk 1, 40-45) fa tsy vitan’ny nanasitrana ilay boka ihany i Jesoa, fa nanadio azy koa. Ny habokana, izay mampitoka-monina dia noheverin’ny jody ihany koa fa sazim-pahotana, ka ankoatry ny tahotra ny hifindran’ny aretina, dia teo koa ny fahalotoana (Lv 13, 14-15) izay heverina ho sazim-pahotana, hany ka ny fahasitranana dia handidiana hanatitra sorona noho ny ota (Lv 14, 13).

Marina fa noheverina ho toy ny dokotera ny Mpisorona tamin’izany, ka izy ireo no manamarina ny fahasitranana na ny fahalotoana (Lev 13-14), saingy tsy azo hamaivanina kosa ny fandehanana miseho eo anatrehan’izy ireo (Evanjely Mk 1, 44). Mova tsy santatra sahady hilazan’i Kristy ny hisehoantsika eo anatrehan’ny pretra, hanolotra ny fisaorana sy handray ny famotsoran-keloka amin’ny sakramentan’ny Fibebahana sy Fampihavanana (Konfesin’ny faharatsian’ny fahotana sy ny halehibeazan’ny famindram-pon’Andriamanitra)!

Isika tsirairay avy dia manana ny aretin-koditra mahazo antsika, izany hoe ankoatra ireo fahazaran-dratsy sy fahalemena iezahana tsy ho fantatry ny hafa, dia misy ihany ireo mivoaka ety ivelany izay tsy hay afenina ka tokony mampibaboka amin’i Jesoa hoe : “Raha mety ianao, dia mahay manadio ahy” (Mk 1, 40), habokàna izay mazàna mampahavesatra ny fiaraha-monina, na mampisara-bazana ny mpianakavy aza indraindray, saingy ny hiaiky ho boka ka hangataka fahasitranana no manahirana… Ny fiandoham-pahasitranana anefa dia ny fahatsapana ny aretina!

I Kristy no tokony halaintsika tahaka, hoy i Md Paoly (I Kor 11, 1). Ahoana anefa no maka tahaka an’i Kristy? Manome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, hoy isika teny am-piandohana, ary hanao izay tsy hanafintohina ny olona, na iza na iza, tsy hitady izay ho an’ny tena fa ho an’ny be sy ny maro, mba hahavonjy ny olona rehetra.

Izany no anehoan’i Kristy amintsika fa ambony noho ny lalàna ny fitiavana. Hany ka na voararan’ny lalàna aza ny fifaneraseran’ny boka amin’ny fiaraha-monina, dia sahin’i Jesoa ny nanendry (nikasi-tanana) ilay bokalahy mba handio azy. Impiry anefa isika no sakanan’ny tahotra sy ny fitiavan-tena tsy hiraharaha akory ireo mila vonjy amintsika, ka ny lalàna no ataontsika fitaovana hanamarinan-tena (Jereo ny vakiteny tamin’ny talata 5A Mk 7, 6-13).

Alao hery ary ny ho marina sy hahitsy fo, araka ny vavaka fangatahana nataontsika, ka hahatsiarovantsika mandrakariva fa Tempoly onenan’Andriamanitra isika (jereo Alahady 2A) ka na indraindray (na matetika) aza, sedrain’ny halemen’ny maha-olona, dia mahatsapa ny hasambaran’ny voavela heloka, ka vonona hiaiky heloka satria tsy mitana hadisoana ny Tompo (Salamo setriny 31).

Izany no fototra iorenan’ny Fifanakalozan-kevitra izany irintsika hanjaka amin’ny firenentsika (jereo eto).

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0182