Alahady faha-6 fankalazana ny Paka Taona A

Ny Fanahy Masina no manohy ny asan'i Kristy.
Avia midina ry Fanahy Masina o

Nanentanan'ny Papa manokana ny tanora amin'ity taona ity ny handinika manokana ny Sakramentan'ny Fankaherezana[1]. Ny Fanahy izay nampanantenain'Andriamanitra ho an'izay mino azy no antoka mandavorary ny iraka nankinina amin'ny Fiangonana : «ho Vavolombelon'i Kristy hatrany amin'ny faravazan-tany», hamaly amin-kamoram-po sy fanajana izay manontany ny anton'ny fanantenana izay iainantsika (Vakiteny II 1 Pi, 3, 15-18).

Ny mety hahalasa ny saina anefa dia ny lazain'i Lioka amin'ny vakiteny I hoe : vita batemy saingy mbola tsy nandray ny Fanahy! Fa angaha tsy mahatonga antsika ho zanak'Andriamanitra ny Fanahy? Ka nahoana no mbola mila fametrahan-tanana avy amin'ny Eveka (Piera sy Joany) mba handray ny Fanahy Masina indray?

Hahafahantsika mahazo izany ny fampianaran'i Paoly momba ny Fanomezam-pahasoavana (I Kor 12). Maro samihafa ny fanomezana fa ny Fanahy iray ihany! Ny Sakramenta tsirairay araka izany dia fanomezana ny Fanahy, mba handraisana fanomezana maneho ny Fanahy hahasoa ny besinimaro ( v. 7). Izany no ventesintsika manakoako amin'ny salamo setriny : "Ataovy manakoako ny hoby, derao Andriamanitra sy Tany tontolo" (Sal 65)!

Ny antony? Satria novany ho tanety ny ranomasina! Jereo ity nataony tamiko! Inona no nataon'Andriamanitra tamintsika tsirairay avy? Lazain'ny Mpanao salamo fa mihaino ny Vavaka ataontsika hatrany Izy! Marina izany, sady mamaly vavaka izy, tsy araka ny ventsoventsontsika anefa fa araka izay mahasoa antsika.

Ny fahatsapana izany fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy izany dia miaro amin'ny mety ho fialonana, satria raha mialona ny hafa amin'ny mety ho fahaiza-manao dia mialona ny Fanahy izay loharanom-pahasoavana. Ny fahatsapana ny fetran'ny tena sy ny halemena kosa indray dia manosika antsika hitandrina ny didin'i Kristy, porofom-pitiavana Azy, mba hahazoantsika ny Fanahy nampanantenainy (Evanjely).

Samy efa nandray ny Fanahy isika, tamin'ny sakramenta noraisintsika avy. Ny tsirairay ary araka izany, dia sady nandray fahasoavana manokana no voairaka hitory ny hatsaran'Izy Tompo. Tsara hotadidiana mandrakariva anefa fa ny Fitiavana Azy Tompo no fototry ny rehetra, satria ho an'izay tia azy no tonga mahasoa ny zavatra rehetra, tahaka ny lazaintsika mandrakariva.

Ndeha ary samy hangataka ny Fanahy mba hanampy antsika hizaka ny fahalementsika sy ny an'ny hafa, ka hahafahantsika mampiasa ny fanomezam-pahasoavana noraisintsika ho fanasoavana ny besinimaro, eny fa na dia mazàna aza hiaran'ny fanenjehana na voatery miaritra ny mafy sy ny manahirana. "Aleo amin'ny fanaovan-tsoa no hiaritra fahoriana, raha izany no sitrak'Andriamanitra, toy izay amin'ny fanaovan-dratsy", araka ny hafatr'i Md Piera ho antsika.



[1] Azonao jerena ny hafatry ny Papa 20072008 (Asa 1,8)


Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2442