Misy antony ambony ny fijaliana :
Tsarovy am-bavaka ny raharaham-pirenena!
Eo anatrehan’ny toe-java-mitranga mampahonena sy mampandinika lalina, mianjady amin’ny firenentsika hanentanana antsika hiombom-bavaka sy hifady hanina, dia mampahatsiaro antsika ny Tenin’Andriamanitra fa “mandrapahazavan’ny andro, dia ho feno tebiteby isika, mandry andriranantsy” (Job 7, 1-7). Rehefa ho lava ny fijaliana dia lasa ihany ny saina hoe mba aiza ihany izao Andriamanitra lehibe sy Mahery, manandratra ny ory sy manadaboka amin’ny tany ny olon-dratsy izao? (Sal 146)…
I Kristy, ilay Zanaka lahitokan’ny Ray, te hampiseho amintsika ny endrik’ilay
Andriamanitra tsy hita maso no nampisy heviny lalina sy mahasoa ny fijaliantsika olombelona : mijaly satria tia ary tia ka mamonjy izay mijaly. Araka izany, tsy fijaliana tadiavina tsy akory fa sedraina rehefa tsy azo hodivirana eo amin'ny lalan'ny fitiavana. Ny olombelona mijaly kosa indray, manjary fambara ho antsika, handrefesantsika ny fetran'ny fitiavana entintsika manara-dia ilay nahafoy ny ainy ho antsika. Izy izay
nanao soa tamin’izay rehetra nandehanany, nampiseho amintsika ny hasarobidin’ny
fitolomana, izany hoe ny fiatrehana ny olana sy ny fahoriana mianjady amin’ny
vahoaka, ambaran’i Marka aza ((Mk 1, 29-39) fa nentiny ho any amin’ny tanàna
hafa ny Mpianatra mba hanaovany soa any koa.
Eo anatrehan’izany anefa, tsy
nataony latsa-danja koa ny vavaka, ka na tratta hariva maty masoandro
hikarakara ny marary aza izy, dia nifoha maraina alina koa, nivoaka nankany
amin’ny tany mangingina mba hivavaka (Evanjely).
Efa mitsidika any sahady ny
Karemy, ny hafatry ny Papa manentana antsika hiaina ireo toe-panahy telo ivon’ny
Karemy dia manisy tsindrim-peo manokana momba ny fifadian-kanina amin’ity taona
ity,[1]
raha momba ny asa fanasoavana tamin’ny taon-dasa. Tsy hoe fitiavana ny
fijaliana manko no hanaovana fifadian-kanina. Angamba amin’ny fitsinjovana ny
fahasalamana, na ny bika aman’endrika dia mahavita mifady isika… saingy ny
hasarobidin’ny fifadiana dia amin’ny fizarana hamola-tena mba hivoaka ho
mpandresy amin’ny ady atao amin’ny ratsy sy ny fahazaran-dratsy.
Dia izay no fifadian-kanina voalohany atolotsika ny firenentsika: hijerena manokana ireo an-tsirambina mety ho vitantsika ka mampiombon’antoka amin’izao toe-draharaham-pirenena izao. Indraindray manko mora ny manome tsiny ny hafa ho mpiantsy ady , na ho tsy mpiraharaha ny tombontsoam-bahoaka; rariny ny mahatsapa ny fahantrana sy ny fijaliana mampitaraina ny maro an’isa, ka mahatonga azy ireo handry tsy lavoloha ny alina (tahaka an’i Joba, tsy mahita andro mangirana)... saingy ady isan’andro ny mba hahafoy ny ambiampy sy ny haingitraingitra ho fanasoavana azy ireny...
Vanim-potoana natokantsika manokana ho amin’izany izao, hanomezana lanja manokana ny fahanginana izay mampilolòtra ny vavaka. Ny antsika rehefa vizaky ny fanompoana sy ny asa aman’andraikitra dia toa alavirina ny fahanginana, aleo miala vonkona amin’ny sarimihetsika sy ny mozika, amin’ny resaka sy ny korana... dia adino fa ilay arahintsika dia nankany amin’ny tany mangingina ka nivavaka tany. Vanimpotoana ihany koa izao hanaovantsika jery todika ny fandaniana sy ny harin-karentsika, sao sanatria ny hafa tsy manana ny harapaka akory, isika anefa mandany ny ambim-bava amin’ny haingitraingitra!
Angamba mety hanamarin-tena hoe : ka izaho angaha nangalatra ny azy? Na hoe ka izaho nahay nihary sy nitsitsy ka nahangona! Aoka hotsaroana mandrakariva ny fampitandreman’i Kristy : “ho an’iza ireo nohariantsika ireo rehefa hesorina amintsika ny aina!” Ny Fitiavana no hitsarana antsika, ary ny fitsinjovana ny mahantra noho isika no mampisy heviny ny fifadiana izay ataontsika! Tsy voatery ho hanin’ny vatana ihany iznay, fa izay mety hahafoizantsika izay “antsika” mba hanasoavana ny hafa! Hanasoavana ny Firenena.