I Kristy no Fiainana sy Fananganana ho velona.
"Ampio izahay, ry Tompo, hizotra faingana ho any amin'i Kristy Zanakao!". Izany vavaka anombohana ny Sorona Masina izany, raha vokatry ny fo, dia mamintina ny fampianarana ampitain'ny vakiteny anio : "Mpivahiny isika no ety an-tany, tany fandalovana no ety."
Ambaran'i Ezekiela Mpaminany (Vakiteny I) fa "ny Fanahin'Andriamanitra ataony ao anatintsika no loharanon-kavelomana", ka hamoaka antsika hiala amin'ny fasana. Io ilay Fanahy nanangana an'i Kristy ho velona (Vakiteny II) sady manadio ny fahotantsika [1]. Ny fanavotana andrasan'ny olombelona manko dia nodradradradraintsika tamin'ny salamo 129 : "Ny famelàn-kelona angatahina amin'ny Tompo" [2].
Ny Evanjely (Jn 11, 1-45) izay mitantara ny nanaganan'i Jesoa tamin'ny maty an'i Lazara sakaizany, dia mametraka antsika ao anatin'ny Lovam-panahin'ny Karemy, amin'ireo Alahady dimy izay nanomanana ireo Katekomena [3] amin'ny sakramenta Firosoana ho Kristiana. Tsara ny fampatsiahivana fohy ireo dingam-piofanana ireo, satria hahafahantsika manavao koa ny maha-Mpino antsika izany.
[Raha tianao halalinina dia jereo eto]
Ny fahotana sy ny heloka vitantsika anefa dia tsy hahafahantsika mitraka, indraindray aza, hitsaran'ny fiaraha-monina antsika tsy ho mendrika ny velona intsony [4]. Tsy fahataperam-piainana anefa ny fahafatesana. Manova ny fomba fiainana manontolo ny fanantenana ny Fiainan-ko avy. Ny fahafatesan'i Lazara ve no tena nampitomany an'i Jesoa sa ny tsy finoan'ny mpianany sy ny tahotra nameno ny fon'izy ireo. Henontsika teo ny vava'i Tomà : " Andeha koa isika mba hiara-maty aminy" (and. 16). Ny fanetren-tena hitalaho mandrakariva ny famindrampon'Andriamanitra dia anisan'ny maha-kristianina ny kristianina[5]. Ambaran'ireo fanompoam-pivavahanana amin'ny firosoana ho kristianina izany, fa ambaran'ny Litorjian'ny Lamesa ihany koa, indrindra moa manoloana ny tsiambaratelon'ny fahafatesana[6] izay mampivaraontsana mandrakariva ny fon'ny olombelona (GS 18)
Alao hery ary ny fiomanantsika amin'izao Paka izao satria fiainantsika isan'andro no tian'i Jesoa hazavaina amin'ny misterin'ny Fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona. Dia samia manokana fotoana handinihana izay fiezahana natao nandritra izay karemy izay, indrindra amin'ny lafin'ny fivavahana, ny famolahan-tena ary ny asa fiantrana.
[1] Ny alahadin'ny Paka dia io Fanahy io no nomen'i Jesoa ny Apostoly hahafahan'izy ireo mamela heloka (Jn 20, 22-23)
[2] Maimaim-poana ny famelan-keloka saingy tsy ny rehetra no mahatsapa ny hasarobidiny sy ny lanjany. Izany no mahatonga ny Mpanao salamo milaza hoe . sambatra ny olona voavela heloka (Sal 32).
[3] Ny Katekomena dia nanavahana ireo kristiana tsy mbola vita batemy nefa efa voaray am-pahibemaso teo anivon'ny fiangonana; ireo efa vita batemy dia nantsoina ho "fidèle", Mpino. Raha atao dikanteny malalaka moa ny katekomena (sy katesizy) dia manambara ny fianarana izay mitaky fampiharana eo amin'ny fiainana (Kata= avy any ambony/tenin'Andriamanitra sy echo = misy akony/eo amin'ny fiainana).
[4] Jn 8, 1-11 : ilay vehivavy tratra nijangajanga. (Alahady 5 taona D)