Alahady faha-4 Karemy Taona A

Ny Finoana an'i Kristy no fahazavana vaovao.

 Jesoa manasitrana ilay teraka jamba

"Miravoravoa, ry Jerosalema, mivoria ianareo rehetra manam-pitiavana azy"[1] Ny hafaliana amam-piravoravoana dia tsy azo sarahina amin'ny fiainan'ny kristiana. Iainantsika ny Karemy dia natao indrindra hahafeno fatra izany hafaliana izany. Ny vavaka sy ny fifadian-kanina manko dia natao hanokatra ny fo "hanolotra an-kafaliana" mba ho sitrak'Andriamanitra (Rm 12, 8).

Tsy zavatra mandeha ho azy anefa izany rehetra izany, ary tsapantsika ny vesatry ny fiainana izay mazàna manesotra ao am-pontsika izany hafaliana izany. Fotoana natao handalinana indrindra izay fototry ny hafaliantsika ny Karemy, ary amin'izany fandalinana izany no hahafahantsika miomana amin'ny hafalian'ny Paka izay hiomanantsika.

Fotoana hanaovana jeritodika ny ezaka efa natao koa anefa izao. Na indraindray aza mahamenatra ny fahatsapana fa mbola matory ny tena, dia manome hery antsika i Paoly, hifoha amin'ny torimaso ka hatoky ny fahazavan'i Kristy (Vak II Efes 5, 8-14). Mila fanapahan-kevitra hiala amin'ny asan'ny maizina anefa izany, mila risi-po handà ny aferafera sy ny risoriso izay matetika toa "tandra vadin-koditry ny fiaraha-monina", satria mafy ny fiainana. Toa adalana ny fandavana ny kolikoly izay mba hahafahana mivelona tahaka ny olona rehetra!

Dia hijanona ho teny fotsiny ihany ve ny fahamarinana? Samy mitaraina ny amin'ny fahalòvana ara-politika na ara-pitondrantena isika rehetra, saingy tsy ny rehetra no mazoto hanefa ny tolona tandrify azy, indrindra raha mahakasika ny "tombontsoan'ny tena", izay mazàna tombontsoa mandalo ihany! Tahaka ireo raiamandrenin'ilay teraka jamba izay milaza ho tsy nahafantatra izay zava-nitranga satria natahotra ny ho voaroaka ao amin'ny Sinagoga.

Tian'i Jesoa ambara amintsika fa Izy no fahazavana hany mampisokatra ny masom-panahy (Evanjely Jn 9, 1-41). Ny famelan-keloka dia mitaky fiaikena ny fahotana. Raha milaza ho tsy manam-pahotana isika, hoy Md Joany dia tsy ao amintsika ny marina (IJn 1, 8).

Isika koa, rehafa voasasan'ny ranon'ny Batemy dia voairaka (Siloè) hitory ny hazavan'ilay niantso antsika! Tsy miankina amin'ny fahamendrehana na ny tsanganana izany (Vak I I Sam, 16, 1- 13) fa fitiavana manokana izay manjary loharanon-kafaliana tsy hanam-pahataperana. Ilay Fanahy noraisintsika sady manavao antsika lalandava ao amin'ny Sakramentan'ny Fiangonana no zary loharano hiboiboika ho amin'ny fiainana mandrakizay (Evanjely tamin'ny heriny).

Izany no hifaliantsika mandrakariva, na amin'ny fifadian-kanina, hamolahana ny filan'ny nofon'ny mpanota miavona mba hampahazo hanina ny mahantra (prefasy karemy III) na ao anatin'ny fakampanahy (alahady II) saingy vonona hihaona amin'ny Tompo, ka hanaiky ho vonton'ny Teniny, ka ho feno fanantenana hatrany, na dia mazàna aza tsy mahita izay lalan-kombana, saingy manavao hatrany ny fitokisana ilay Mpiandry mahatoky, noventesina tamin'ny salamo fandinihana (Sal 22), ka vonona ny hiosotra lavenona, ny hioso-potaka, hiaiky ny fahalemena saingy matoky bebe kokoa hatrany ny Fahasoavan'ilay niantso antsika.



[1] Tononkira fidirana (Iz 66, 10) izay mahatonga ity alahady ity antsoina hoe "Laetare", alahadin'ny firavoravoana, eo antenantenan'ny fiomanana amin'ny Paka.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1055