Alahady faha-33 Mandavantaona Taona A

Hahazoana hasambarana ny miasa amin-kerim-po

Azo jerena eto ny Tatitry ny Evekantsika(Teny Malagasy /Teny Frantsay )

 

Ny Fitiavana no hitsaràna antsika ka miezaka isan’andro isika ho mendrika ny ankanjo hirosoana eo anatrehan’ny mpampakatra. Ireo dingana telo enti-miaina ny fitiavana (jereo eto alahady 32A) dia manampy antsika tsy ho kivy amin’ny ady hatrehina. Tsy mora ny mitadidy ny hitondra solika fiahy rehefa mahafinaritra iny ny resaka hifanaovana amin’ny mpiara-dia, na sondrian-tory eo am-piandrasana. Mampitandrina antsika ny fampianaran’ny Virjiny folo fa eo am-pamakivakiana ny fiainana, eny an-dalana mankany amin’ilay Fihaonan’ny lanitra dia hadalana ny manary dia amin’ny hakanton’ny zava-boahary eny an-tsisin-dalana ka hanadino ny anton-dia… tsy ho afa-miala tsiny amin’ny halavan’ny fotoana hiandrasana isika.

Anio kosa indray ny Vakiteny Masina dia milaza amintsika fa mila miasa isika (Ohab 31, 10-31), mila miambina (1 Tes 5, 1-6) ary mila mampiasa ny talenta azontsika mba hahazoana tombony (Evanjely Mt 25, 14-30). Araka izany, tsy misy afa-mihambo ho efa tonga ka tsy mila manao ezaka intsony amin’ny fiainana am-panahy. Ianareo izay mihevitra ho mijoro, mitandrema tsy ho lavo hoy i Md Paoly (1 Kor 10, 12). Fa iza tokoa moa isika no sahy hilaza na afaka hilaza hoe “Fiadanana sy fandriampahalemana re izany” raha toa ka tsy mbola vonona ny hiseho anoloan’ny fitsaran’ilay ho avy toy ny mpangalatra!

Oharin’i Jesoa amin’ny mpaminany andeha hivahiny lavitra ary ela vao niverina Andriamanitra izay manome antsika ny talenta. Izay ny setra-piainana sedraintsika matetika. Dia ho sanatria ve manome antsika ny talenta Andriamanitra dia hamela antsika irery hanao izay tiantsika hatao? Na hamela antsika ho irery amin’ny fampitomboana azy? Mba Andriamanitra Fitiavana ve izany mijinja amin’izay tsy namafazany sy manangona amin’izay tsy nanahafany izany?

Tsy maintsy ho eny ny valiny, saingy anjarantsika ny mikaroka ny hoe: nahoana?

Ny talenta dia omena antsika maimaimpoana, tsy mitovy isa, manambara fa tsy tokony hialona ny hafa isika na haniry randrana manendrika ny hafa. Tsy ho an’ny Tompo fa ho antsika ihany no hampiasana ireo talenta ireo. Ny andrasana amintsika dia ny ho tsara sy mahatoky, na be na kely no noraisintsika, ka hampitombo azy amin’ny fanaovan-tsoa.

Talenta hanehoantsika ny Endrik’Andriamanitra fitiavana no nomeny antsika, izay no hitsarana antsika (Alahady fankalazana an’i Kristy Mpanjaka), ka ny tokony hatahorantsika dia ny ho azon’ny fakam-panahy hanome tsiny an’Andriamanitra mba hanamarinan-tena amin’ny hakamoana diso tafahoatra. Tsy fifaninanana amin’ny hafa ary no hitsarana antsika fa fitsarana ara-drariny araka ny talenta noraisintsika tsirairay avy. Rariny sy hitsiny no hitondran’Andriamanitra antsika araka izany.

Samia ary hamisavisa ireo talenta nomen’Andriamanitra antsika, na harena izany ka hahafahana mamoky ny noana sy ny mangetaheta, mampitafy ny tsizarizary sy mampiantrano vahiny, na fahaizana sy fahefana hanampiana ny marary sy ny hiaran’ny tsy rariny, na fotoana fohy, hahafahana mitondra am-bavaka azy ireny! Tsy fahaiza-manao anefa (faculté, habilité) no lazaina amin’ny talenta eto, tsy talenta araka ny fitenintsika hoe manan-talenta io fa lanjam-bola hilazana ny fahafaha-manao (possibilité). Ny Fiainana no talenta noraisintsika tamin’Andriamanitra, tsy ny halavan’ny andro hiainana no inona, na ny fijaliana na hafaliana nogohina tao, fa ny fiezahantsika miaina sy mampanjaka ny fitiavana, izay no hitsarana antsika.

Alao hery ary, tsy hanjehy ny andro ho lava fa hiezaka marina tokoa hanao ny fiainantsika ho ikan’ny Evanjelin’i Kristy, ka hahafahan’izay mifanerasera amintsika milaza hoe : izany tokoa ka olonAndriamanitra, fa tsy sanatria ny hoe izany hono no mba…

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0195